EDITO 17 Desambra – Tsy mizotra mankany amin’ny fihatsaram-piarahamonina ny firenena

Sôh’son

Milamindamin-dratsy ankehitriny ny fiainam-piarahamonina. Isehoana toe-javatra hafahafa miharo herisetra eny amin’ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka. Zary very mihitsy ilay soatoavina maha Malagasy amin’ny fanajana olona fatratra, fa mizotra mankany amin’ny fihemorana ny toe-tsaina. Tsy ny vahoaka tsotra na ny valala tsy mandady harona ihany no itrangan’izany, fa na ireo olona lazaina ho nahita fianarana ambony sy manana toerana ambony koa aza dia tena misy manana toe-tsaina masiaka sy tsy miahotra ny mihetraketraka amin’ny hafa hanehoany ny fahefany.

Fiarahamonina miaina ao anaty fahasiahana sy niongo-paka nandao ny maha Malagasy azy no vokatry ny zava-nambolena teto amin’ny firenena tato anatin’ny folo taona izao. Samy nanitrikitrika ny olom-pirenena feno fahamatorana saropiaro amin’ny fiandrianam-pirenena sy ny tanindrazana, fa tsy nitranga izany toetra izany raha niditra ny taona 2000, ka hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana teto amin’ny firenena ny taona 2008-2009. Voka-dratsy izany no azo ilazana ny zava-nokotrehina tamin’ireny fotoana ireny ary tsy nitondra soa velively ho an’ny firenena. Inona moa no ho tsara sy azo antenaina raha mivarina mankany amin’ny habibiana ny vahoaka ao amin’ny firenena iray? Firenena ho potika sy rava ny miandry azy aoriana.

Tsy misy izay tsy miaiky fa efa tena habibiana no ataon’ny dahalo na jiolahy sy ny mpanakan-dalana rehefa manao fanafihana izy ireny, ary niseho ireny zava-doza nanjo ny vahoaka ireny tao anatin’izay folo taona izay. Tsy mbola milamina ary mbola saro-toerana ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Toy ny sahobakaka ambodiriana mitaintain-dava ny vahoaka fa tsy mandry fahalemana ny tany. Ny mpitandro filaminana, na milaza ho manao hetsika iadiana amin’izany hatreto tsy mbola mahavaha ny olana.

Tsy vitan’izao fitondrana Rajoelina izao ny manasitrana izao aretina mamely ny fiarahamonina Malagasy izao. Tsy vitan’ny kabary tsara lahatra, na fanampempoana ny mpanohitra izay heveriny mandrakariva ho mpifanandrina aminy ny fahitana ny fanafodiny. Ho sakana iray lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena anefa izany. Ary ny tena olana dia tsikaritra ho mikorosy hatrany izany toe-tsaina izany, soa fa mbola misy olom-pirenena vanona ihany aloha eto amin’ity firenena ity, izay tsy nandairan’ny leson-dratsy nafafy haramin’izay.