Ravalo, Rina, ny RMDM, ny MCFIE, ny CRN,… Hatramin’ny farany, hiady amin’ny tsy fahamarinana

Nangonin’Isambilo

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Bel’air ampandrana afak’omaly ny filoha Marc Ravalomanana, ny kandidà ben’ny tanàna Rina Randriamasinoro, ny avy amin’ny MCFIE, ny CRN,… mitsipaka ny didy savaranonando navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, toy izao ny fanambaran’izy ireo tamin’izany.

Raha nandalo teto amintsika ny Papa Ray Masina tamin’ny taona lasa iny dia nisy ny hafatra izay nambarany ho an’ny mpitondra sy ny vahoaka Malagasy, indrindra ny hanafoanana ireo fomba fanao izay manome vahana ireo efa manankatao sy ny fanilikilihana eo amin’ny fampandrosoana ny firenena, na ny “pratiques aboutissant à la culture du privilège et de l’exclusion”.

Raha nandefa taratasy ho an’i Papa aho, Marc Ravalomanana tamin’ny faha- 4 septambra 2019 iny dia nandefa ny valiny izy ary vao omaly no azoko izany. Tao amin’izany taratasin’i Papa izany no nilazany ny faniriany ho an’ny mpanao politika dia ny mba “ho hadinoina aloha ny tombontsoan’ny tena manokana, fa tokony hiezaka hanangana fiaraha-monina sambatra sy hanjakan’ny fahamarinana ho an’ny vahoaka”. Ny mampalahelo dia tsy izay no zava-misy eto amintsika fa mbola mitohy ny fanilikilihana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra ary miha-mahazo vahana ny tsy fahamarinana eto Madagasikara.

Raha ny talata lasa teo izahay no nanambara fa tsy misy eto Madagasikara izany tany tan-dàlana sy demokrasia izany dia vao mainka miseho hatrany izany amin’izao fitsarana ny fifidianana ho ben’ny tànana farany teo izao. Mibaribary amin’izao tontolo izao ankehitriny fa manjaka ny tsy fahamarinana ary tsy misy intsony ny fanarahan-dàlana eto Madagasikara, fa baiko midina daholo no mifehy ny fitsarana eto. Fanjakana tantanan’ny olombitsy no misy eto ary tsy misy ilana azy intsony ny andrim-panjakana rehetra misy fa voabaikon’ny mpitondra daholo. Ny fitsarana moa mazava ho azy dia tsy manana ny fahaleovantenany, fa miaro fotsiny ny tombontsoan’ny mpitondra, fa tsy mitsara ara-drariny sy araky ny lalàna misy. Izany dia fomba fitantanana hita any amin’ny firenena anjakan’ny didy jadona.

Raha nanao ny fitarainana sy nametraka ireo porofo milaza fa misy fandikan-dàlana nandritr’iny fifidianana farany teo iny dia nilaza ny fitsarana miady amin’ny fanjakana omaly fa tsy misy mitombina ny porofo nentina na iray aza. Ny marina dia terena ho tsy maintsy laniana ny kandidam-panjakana. Ny tany Moramanga aza moa dia iniana haverina ny fifidianana rehefa hita fa nandresy ny kandida natolotray TIM. Mahavariana ihany ny fanapahan-kevitry ny fitsarana izany satria dia nisy ny mpahay lalàna niaraka namolavola ireny requêtes napetrakay ireny.

Mampametram-panonataniana ihany fa dia olona nianatra ny lalàna mitovy aminareo mpitsara ireo olona ireo. Mahafantatra tsara ny lalàna manankery eto amin’ny firenena. Mihevitra ve izany ianareo fa tsy mahay na inona na inona mikasika ny lalàna izy ireo, fa manaonao foana nandrafitra ireny porofo ireny? Raha izany no eritreritrareo dia ny sampana fampianarana lalàna eny amin’ny Oniversite eto Madagasikara mihintsy no misy olana satria olona nianatra sy nivoaka teny izy ireo, noho izany azo lazaina ve izany, fa tsy mahay hatramin’ny mpampianatra lalàna, ka tokony hakatona io làlam-piofanana io. Moa manaiky izany ve ianareo mpampianatra, ka hijery fotsiny ity firenena izay efa hitam-poko hitam-pirenena izao fa tsy manàja sy tsy mampihatra ny lalàna ara-drariny izao?

Tsy izany anefa ny marina fa ny zava-misy dia misy ny tsindry azonareo mpitsara, ka ireo izay te-hitsara aradrariny sy araky ny lalàna manankery aza dia tsy afamanoatra satria mety mahazo ramatahora avy any amin’ny mpitondra, ka matahotra ny asany sy ny fidiram- bolany. Midika izany fa ireo tsy nianatra momban’ny lalàna indray no manindry sy manome baiko amin’ny fomba fampiharana ny lalàna eto amintsika. Izany hoe efa miroso mankany amin’ny didy jadona ny fitondra ary lasa takalon’aina ireo mpitsara izay tehampihatra ny fahamarinana sy ny lalàna misy. Ny olona atao takalon’aina dia tsy manan-tsafidy intsony, fa tsy maintsy manaiky sy manantanteraka izay tenenin’ireo olombitsy mitazona azy ho takalon’aina. Moa manaiky izany ve ny feon’ny fieritreretan’ny vahoaka Malagasy? Raha ny Papa Ray Masina aza mihaino antsika ary tsy sasatra manao antso avo amintsika mba hananganana fiaraha-monina hanjakan’ny fahamarinana, dia hoy aho amin’ny vahoaka Malagasy hoe: aza kivy ary aza manary toky fa mbola misy ny fanantenana ary ny marina tsy mba maty fa tsy maintsy miseho na dia iniana totofona aza.

Koa manao antso avo aminareo vahoaka aho, aoka isika mba hifoha amin’ny torimaso amin’izay, ka tsy hanaiky ny firenena ho ataon’ny olombitsy takalon’aina. Manao antso avo aminareo Malagasy izay mahatsiaro fa tsy rariny intsony izao zava-misy izao ihany koa aho, fantatro fa maro ianareo, fa saingy mangina, sahia mijoro sy ho saro-piaro amin’ny ho avin’ny firenena, ka tsy hanaiky intsony amin’ny fandikan-dalàna misesy sady tsy misy farany izao. Andao hatambatra ny hery ry vahoaka Malagasy, fa izay mitambatra vato ary ny mitabe tsy ho lanin’ny mamba. Tsy firenena voaozona akory i Madagasikara ka ho firenena mahantra ary handefitra lava amin’ny tsy fahamarinana sy ny fandikan- dalàna.