Vao manomboka ny taona dia miseho ny zara vilana.
Tena hita miharihary ny mizàna mitongilana.
Ny mpampianatra hatrany no mazàna “tratra farany”,
Ary indrisy “sisan’olona” no nomena mba ho anjarany!
Vao manomboka ny taona dia miseho ny fangalarana.
Efa nihodina ny vola tamin`ny seha-pampianarana.
Tena tsy mazavazava fa nitranga ny “avakavaka”,
Ny amin`ilay hoe fanomezana, dia ny “harona voaravaka”.
Vao manomboka ny taona dia miseho ny gidragidra.
Eo ny tongo-bakivaky izay nivadika ho dridra.
Ny mpitondra ery ambony, indreo miletra sy mandàny,
Saingy roahina ny mpiasa, “nodakana” ireo ambany!
Vao manomboka ny taona dia mandainga ny filoha,
Fa tsy nitàna irony teny nolazainy tany aloha.
Ampanofaina indray ny tany na totofana, tsy ierana.
Indreo mandidy dia mihinana ny mpitondra fanjakana!
Vao manomboka ny taona dia tsy misy zava-banona.
(Re fa hoe nafindra toerana, hono, ranona sy ranona)
Toa tsy zakan-dry “zavavy” irony “kiana” sy “tsikera”,
Nefa anie dia ao anaty sehatry ny serasera!
Vao manomboka ny taona dia voaroaka ireo mpivarotra.
Tsisy fitsinjovana azy na dia eo ny fiainan-tsarotra.
Tsisy izay mba vahaolana na mba sombim-piantrana,
F’efa tena “tsisy maso, tsisy fo” ny fanjakana!
Vao manomboka ny taona dia manjombona ny lanitra,
Fa atao an-jorom-bala, tsisy lanjany Andriamanitra!
Alahady, fitsaharana, saingy indrisy toa hadino,
Fa indreo namboly hazo ireo mitonona ho “mpino” !
DADAN’i ZINA ( 22/01/20)