Ny Valosoa
Efa noresahintsika tao amin’ny laharana farany teo ny fahafatesan’ny Kolonely Ratsimandrava ny 11 Febroary 1975.
Teny amin’ny tobin’ny zandary “La Catalane” teny Andrefan’Ambohijanahary izay lasa “Toby Ratsimandrava” nanomboka tamin’izany, no niandrasana ny nofo mangatsiakan’ny Filoha ary ny Sabotsy 15 Febroary 1975 no natao ny fandevenana azy teny Anjanahary, taty aoriana dia nafindra mangingina teny amin’ny fasampianakaviany teny Ambohimalaza.
Niroso tamin’ny fandaminana ny firenena ny Komitim-pitondrana Miaramila teo ambany fitarihan’ny Jeneraly Gilles Andriamahazo. Nahitana mpikambana 18 io komitim-pitondrana miaramila io Jeneraly 1, Lietna Kolonely 3, Komanda 5, Kapiteny 5,Lietna 4, manamboninahitra avy amin’ny Zandary sy ny Tafika, ka voasolotena tao avokoa ny an-tanety, an’habakabaka , an-dranomasina, servisy sivika, sns… ary tamin’ny fampahafantarana ireo mpikambana nataon’ny Jeneraly Andriamahazo ny alarobia 12 Febroary 1975 maraina tao amin’ny Radiompirenena dia natolotra isamparitany.
Ny Komitim-pitondrana miaramila no nampanao ny fanahadihadiana sy nampanangana ny “fitsarana miaramila” nitsara ny raharaha nahafaty ny Filoha Ratsimandrava, Mpitsara sivily sy Manamboninahitra miaramila no nandrafitra izany fitsarana izany, Rabemalanto no filohan’ny fitsarana ary Andriamiseza Roger no lehiben’ny fampanoavana, ny mpitsara avy ao amin’ny tafika nahitana ny Jeneraly Ramarolahy Philibert, ny Komanda Fiakara Jean Ferlin, ny Lietna Kolonely isany Rakotonirainy Lucien sy Ravelomanantsoa Jean.
Teo amin’ireo voampanga indray dia tao ny Filoha Philibert Tsiranana, ireo mpitarika tao amin’ny Antoko (PSM) André Resampa, Ramilamanana Samuel, Gabriel Ramananjato, sns… ny Kolonely isany Rajaonarison Brechard sy Rabetafika Roland, tao koa ry Istasse Georges, Bora Christian, Johasy Barthelemy, sns… sy ireo Gmp (Groupe Mobile de la Police) an-jatony.
Naharitra 3 volana ny fitsarana, nisy tranga voamarika nandritra ny fitsarana toy ny nilazan’ny Filoha Philibert Tsiranana hoe ny Kolonely Ratsimandrava amiko dia zanaka an-trano, satria ny rainy dia namako akaiky ary izaho Tsiranana no nahatonga azy ho komandin’ny Zandarimariampirenena, ny Kolonely Rabetafika indray dia niteny hoe mety tsy ato amin’ny fitsarana ny olona tompon’andraikitra amin’ny nahafaty ny Kolonely Ratsimandrava ary ny goavana indrindra tsy azo nohamaivanina dia ny fametraham-pialana nataon’ny Jeneraly Philibert Ramarolahy tsy ho mpitsara intsony tao amin’ilay tribonaly miaramila.
Nivoaka ny didy ny voalohandon’ny volana Jona 1975, votsotra avokoa ireo voampanga, Gmp 3 lahy sisa no notazonina 5 taona an-tranomaizina, tsy iza ireo fa, Maurice Alphonse sy Boto ary Laza Petit Jean, izy 3 lahy ireo no niaraka tamin’i Zimbo sy Mara Seta izay maty voatifitra teny Ambohijatovo ny 11 Febroary 1975.
Herinandro taorian’io dia niakatra teo amin’ny fitondrana ny Capitaine de fregate Didier Ratsiraka satria nisy ny fifampifidianana tao amin’ireo manamboninahitra 18 tao amin’ny Komitim-pitondrana miaramila, manamboninahitra 2 no nifaninana dia ny Capitaine de fregate Didier Ratsiraka sy ny Komanda Soja, ka ny Capitaine de fregate Ratsiraka no nahazo vato be indrindra, dia izy no napetraka ho filohampirenena ny alahady 15 Jona 1975, ankoatran’ny maha filohampirenena azy dia filohan’ny Filankevitra Faratampony amin’ny Tolompiavotana sady Lehiben’ny fitondrampanjakana koa; ny Jeneraly Andriamahazo dia namoronana toerana natao filohan’ny Komity Miaramila ho an’ny Fampandrosoana.
Nanao fianianana toy ny olona voafidimbahoaka ara-dalàna ny Filoha Ratsiraka tamin’izany, raha nandray fitenenana izy dia nanambara fa fitsaran’olombelona ihany no nitsara ny raharaha Ratsimandrava hoy izy fa tsy maintsy mbola hivoaka ny marina, ary dia nakariny ho Jeneraly ny Kolonely Ratsimandrava, dia nangina ny rehetra, marihina fa maro no nitsikera ny didy navoakan’ilay fitsarana miaramila.
Nandritra izay 45 taona izay tsy mbola nivoaka izay marina momba io raharaha nahafaty ny Filoha kolonely Richard Ratsimandrava io, ny ankabeazan’ireo mpitsara na ny sivily na ny miaramila dia efa nodimandry avokoa, toy izany koa ireo voampanga, hatramin’ny vadin’ny Filoha sy ny anabaviny tokana: Juliette Ratsimandrava aza samy efa lasa avokoa.
Isaky ny 11 Febroary dia misy tsy tapaka ny fametrahana fehezam-boninkazo eny amin’ny tsangambato eny Ambohijatovo Ambony, ka ny Zandarimariampirenena no tompon’ny fikarakarana, tamin’ny 11 Febroary 2015 nahafeno 40 taona katroka ny nahafatesan’ny Filoha dia nivoaka ny fanambarana fa tsy ho tadiavina intsony ny marina mikasika ny nahafaty azy.
Ny Kolonely Ratsimandrava no teratany Malagasy voalohany nifehy ny Zandarimariampirenena, sarotiny izy tamin’ny teny filamatra manao hoe “Tanindrazana sy Lalàna” ary indrindra amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Ankehitriny efa tsy misy amperin’asa intsony ireo zandary niaraka tamin’ny Kolonely Ratsimandrava, tsikaritra fa tsy voahaja matetika ilay teny filamatra manao hoe “Tanindrazana sy Lalàna”, satria toa ireo mpitondra no lasa “tanindrazana” arovan’ny mpitantana sasany amin’ny Zandarimariampirenena ary ny vahoaka dia tsy voaharo amin’ny asan-dahalo.
Mikasika ny rafitra fokonolona, izay nahasaropiaro ny Kolonely Ratsimandrava dia indrisy, fa atao fitaovana hampahomby ny hosoka amin’ny fifidianana ny fokontany nanomboka tamin’ny taona 2009, ka mandrak’ankehitriny.
Mikasika ny komitim-pitondrana miaramila, izay nandamina ny raharaha dia tsy nahavita nampahomby ny fitsarana, fa dia lasa fitaovana nakan-dRatsiraka fahefana fotsiny, ary ny komitim-pitondrana miaramila tamin’ny taona 2009 indray, izay nomen’ny Filoha Ravalomanana ny fahefana dia niamboho adidy, ka namindra ny fahefana tany amin’ny mpanongam-panjakana Andry Rajoelina, kanefa manamboninahitra bekintana avokoa.
Fa 45 taona aty aoriana mbola misy ny vahoaka Malagasy tsy hiamboho adidy saingy miandry fotoana.