Andry Tsiavalona
Aza sendra ny patsa iray tsy omby vava ihany hoy ny fitenenana. Tsy misy zavatra tongatonga ho azy izany anefa fa misy toe-javatra, na fepetra manampy amin’ny fahatanterahan’ny tranga iray. Araka izany ny lozam-pifamoivoizana iray dia tonga na noho ny tsy fitandreman’ny mpamily, na noho ny tsy tsy fahatomombanana ara-mekanika. Mety ho tsy fitandreman’izay niharam-boina ihany koa.
Tahaka izany ihany koa ny fiainam-pirenena, eo amin’ny lafiny politika sy sosialy ary toekarena. Matoa mikorontana toy izao ny fiainana ara-tsosialy dia ao ny antony ary voalohany amin’izany ny fampanantenana sy fanomezan-toky tsy am-piheverana sy tsy voalanjalanja. Anisan’ny fampanantenana nataon’izao fitondrana izao ny fanorenenana trano mora hanalefahana ny vesatry ny fanofana trano, indrindra an-tanàn-dehibe. Iaraha-mahalala fa nanomboka na hanomboka tsy ho ela izany eny Ivato. Tsy mbola misy zavatra miainga anefa fa toa ny fanavaozana ny kianjaben’i Mahamasina no nihazakazahana izay tsy hisy fiantraikany velively amin’ny fahasahiranan’ny mponina eto an-drenivohitra ny fahavitany.
Ny zava-misy anefa dia mandidy alohan’Andriamanitra ny mpitondra, ka asehon’ilay Mpahary izao tontolo izao, fa tsy izany no laharampamehana, ka rava ireo “tribunes” telo dia miato ny asa satria mihitsoka any amin’ny firenena nitrangan’ny otrikaretina “coronavirus” ny fitaovana sy akora hoentina manangana ny fotodrafitrasa. Tsy ho tontosa ao anatin’ny fepotoana nomena izany ny asa ka aiza no hanaovana ny matso amin’ny 26 jona 2020. Angamba kosa halefa eto Madagasikara ireo teknisiana sinoa nanao ilay hopitaly goavana natsangana hitsaboana ireo tratry ny otrikaretina tao anatin’ny folo andro monja. Tsy hisy anefa izany satria fitaovana aza tsy mahazo hampidirina eto ka vao mainka olona. Mirongatra izay tsy izy ny tsy fandriampahalemana. Torak’izany koa ny kianja mitafo ao Mahajanga izay efa noravana ihany koa kanefa dia mihantona ny asa, noho ny antony ara-bola hono. Vono olona atsy, fanafihana mitam-piadiana aroa, halatr’omby any amin’ny tany lavitr’andriana any. Azo lazaina fa manao ezaka ny mpitandro ny filaminana saingy misy lesoka eo amin’ny fanatanterahana ny asa, ka anisan’izany risika (motivation) omena azy ireo, ny fiarovan-tena satria azo lazaina fa manao vy very ny ainy izy ireo amin’izany.
Mila famakafakana sy fototr’izao toe-javatra izao satria rehefa tsy ampy izany dia sarotra ny mahita ny vahaolana. Amin’ny ankapobeny dia noho ny tsy fisian’ny asa na ny fahaverezana asa. Raha ny zava-misy anefa dia misy orinasa nakatona noho ny antony tsy mazava, ny PMU ohatra. Ny figiazana ny entan’ny Hotel lehibe A&C eny Ivato, izay hampitombo isa ny tsy an’asa indray, kaay hiteraka olana ara-piarahamonina. Ny tena olana goavana mitranga eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao dia ny disadisa ara-politika, ka anisan’izany ny disadisa anatiny eo anivon’ireo andrim-panjakana isan-tokony.
Tsy tongatonga ho azy ny fanambaran’ny filoha lefitry ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), momba ireo karapanondrom-pirenena an-tapitrisa mitondra laharana mitovy. Heverina fa misy antony izany ary azo inoana fa nisy tsindry politika tao. Araka ny vaovao dia nisy nandrahona ity tomponandraikim-panjakana ity, ka na tiana na tsy tiana dia manana endrika politika izao tranga izao. Mazava ho azy koa anefa fa misy tanjona tian’ireny olona manana andraikitra ambony ireny hahatongavana matoa izy manao hetsika iray.
Fifidianana no nampiasana ireo karapanondro an-tapitrisany ireo, ka mazava ho azy fa izay olona nomena azy ireny dia tsy maintsy nandatsa-bato ho an’izay kandidà tsy maintsy natao izay nahalany azy. Tsy takona hafenina intsony fa miteraka savorovoro eo anivon’ny politisiana gasy iny toe-javatra iny. Manao fanambarana ny antoko politika ary mangataka ny hisamborana ireo heverina fa fototr’izany fahotana mahafaty izany. Hafanafana indray ny toe-draharaha politika ato ho ato satria azo heverina fa tsy hipetra-potsiny izay mihevitra ny tenany ho niharan’ny tsy rariny.