Ny Valosoa
Tsy manana ny maro an’isa ny antokon’ny fitondrana ao amin’ny Antenimierandoholona, noho izany dia mitady izay fomba rehetra handavoana io andrimpanjakana io Ingahy filoha Andry Rajoelina sy ny forongony, satria tsy mbola lany ny fotoampiasan’ireo loholona raha tsy amin’ny fiandohan’ny taona 2021.
Efa tamin’ny fifanatrehana mivantan’ireo kandida roa niatrika ny fifidianana tamin’ny fihodinana faharoa, tao amin’ny haino amanjerimpanjakana no efa nanambara Ingahy Rajoelina, fa ho ravàny hono ny Antenenimierandoholona raha izy no lany filohampirenena, dia ireny niaraha-nahita ireny ny fikasany hampiaraka ho andro iray ny fotoana hanaovana ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fitsapankevibahoaka, hanovana ny lalampanorenana ahazoana manafoana ny Antenimierandoholona, nidofotra anefa ilay hevi-dravina satria notsipahin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) izany, dia nitadiavana hevitra indray ny fampihenana ny isany, kanefa tsy mihàtra izany raha tsy amin’ny andiany manaraka ho avy eo , ary herinandro vitsivitsy izay dia nampitenenina indray ireo loholona mpomba ny fitondrana nanohitra ny hevitra nijoroan’ireo maro an’isa tao amin’io andrimpanjakana io ary ny farany teo dia niroso tamin’ny fanesorana ireo mpitandro filaminana sy fanendahana ny fitaovam-piadiana tao amin’ny Lapan’Anosikely ny mpitondra.
Fomba mahamenatra ny manendaka fitaovampiadiana eny ampelatanan’ny mpiambina ara-dalàna, izay mampahatsiahy ny fomba ratsy efa niseho teo amin’ny tantaran’ity firenena ity. Tamin’ny 28 Febroary 1897 dia nalefan’ny Jeneraly Gallieni sesitany tatsy amin’ny Nosy La Reunion Ny Mpanjakavavy Ranavalona Fahatelo, mialoha ny nilazan’ny miaramila frantsay ny vaovao ratsy tamin’ny mpanjakavavy, dia noendahin’ireo miaramila frantsay ny fitaovam-piadiana tany ampelatanan’ireo miaramila Malagasy niambina ny mpanjakavavy ary tsy navela niasa intsony ireo mpiambina ireo; izay ny tamin’ny fanjanahantany fa tamin’ny 17 Janoary 2012, nandritra ny fitondrana tetezamita nitondran-dRajoelina, tonga teo Ambohijatovo ny Filoha Zafy Albert mivady , nikasa hametraka fehezam-boninkazo teo amin’ny “kianjan’ny demokrasia ” teo Ambohijatovo , ho fahatsiarovana ny 17 Janoary 2009 nanovana io toerana io ho “kianjan’ny demokrasia”, ny nataon’ny mpitondra tamin’izay, ny sekreteram-panjakana amin’izao fotoana izao (Seg) mihitsy no teny an-toerana nampanendaka ny fitaovampiadiana teny ampelatanan’ireo miaramila mpiambina ny Filoha Zafy Albert, izay marihina fa mpiambina azy ara-dalàna ireo, noho izy filoha voafidimbahoka tsy nisy halabato, tsy navela niditra tao an-kianja ny Filoha Zafy Albert fa dia teo amin’ny vavahadin’ny Zaridainan’Ambohijatovo no napetraka ny fehezamboninkazo, nony vita izany dia nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso ary tratran’izany ity ray amandreny efa filoha sy valopolo taona mahery niaraka tamin’ny vadiny.
Matoa noresahina sy notsiahivina ireo rehetra ireo dia tsapa fa mbola manjaka ao amin’ny mpitondra ankehitriny ny tarazo ratsin’ny mpanjanaka tia mampihorohoro, satria ny Antenimierandoholona anie ka andrimpanjakana mbola ara-dalàna, tsy mbola lany ny fotoampiasan’ireo loholona ireo ary ity no tena zava-dehibe tokony hoeritreretin’ny olompirenena malagasy tsy ankanavaka, indrindra f’ireo amin’ny fitondrana, ireo loholona sisa no hany olomboafidy afaka mirehareha fa voafidy tamin’ny ara-dalàna taorian’ny fanambarana nataon’ny Ceni, izay namoaka ny marina momba ny lisipifidianana taorian’ny taona 2018, fa ny filohampirenena sy ireo solombavambahoaka ary ben’ny tanàna sy ireo mpanolotsainan’ny tanàna dia lany tamin’ilay lisipifidianana sadasada , fa ireo loholona ireo kosa dia tsy azo iadiankevitra ny lisipifidianana nifidianana azy ireo, fa tsy nisy laharana karapanondro nitovy sady tsy nahitana anarana miverina indroa, ny dikan’izany: ireo no azo lazaina ankehitriny ho tena olomboafidy lany tamin’ny fomba madio, kanefa ny tena ara-dalàna toy izany mihitsy no tsy mety amin’Ingahy Rajoelina ary efa nahazatra azy hatramin’ny 2009 izany.
Tsy mampalain-komana ny vahoaka efa niharitra ny tsy ara-dalàna izany satria efa mitsoka eto amin’ny firenena ny rivo-panovana matoa romotra manao ny tsy fanao ny mpitondra, k’ireo vahoaka dia mahalala fa tsy atoro, fa tsy maintsy ho fatin’ny heriny ny mpanao antsojay.