Ny andron’ny zoma 3 aprily dia nentina teny Anosy natao fanadihadiana i Arphine Helisoa noho ny antony mikasika ny famoahana tao amin’ny tranonkala sy ny pejy fesiboky teny miaraka amina sary milaza fa mpamono olona ny filoha raha zoina amin’ny tranga asehon’ireo sary nandritra ny 10 andro nanaraka ny fampiharana ny fihibohana na ‘confinement’, izany hoe nanomboka ny 23 martsa (rohy eto). Nampakarina fampanoavana izy ny ampitso, faha 4 aprily. Hadiny iray no nihainoan’ny fampanoavana an’i Arphine Helisoa, ary dia tsy nisy indrafo fa tonga dia nadoboky ny fitsaràna any am-ponja.
Na teo àry ny fanamarinana sy ny porofo rehetra nentin’ny mpisolo vava, dia nilatsaka ny didy teo amin’ny fampanoavana, eny Antanimora no miandry ny fitsaràna ity renimpianakaviana ity.
Tsy namela an’i Arphine irery ny mpanao gazety satria nahatsiaro fa voatohina loatra ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Nirodorodo nanatitra an’i Arphine ny rehetra ary nankahery ny fianakaviany. Tsy hipetra-potsiny ny mpanao gazety fa hiray fo ary hanomana hetsika goavana anoherana izao hendrika jadona izao. Amin’ny maha-mpanao gazety azy no niantsoana an’i Arphine Helisoa. Mazava be anefa ny lalànan’ny serasera, dia ny tsy ampidirana am-ponja intsony ny mpanao gazety, nefa izao no zava-misy.
Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny mpiaro Me Willy Razafinjatovo (fantatry ny maro amin’ny anarana Olala) sy ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety Gérard Rakotonirina.
Ireto ny horonantsary sy ny dikanteny malalaka tamin’izany tafa izany.
Vaovao nangonin’i Lanzelo
Me Olala: Niakatra fampanoavana androany (ndlr, 4 aprily) ny raharaha mikasika an’i Mme Arphine dia nolazaina izy fa hoe “mandat de dépôt” mankany am-ponja vonjimaika.
Kanefa ny zavatra mahagaga sy mampalahelo anay dia tamin’izahay mbola niandry io valiny io dia efa nanome toky azy izahay araka ny fanazavana avy any amin’ny polisy sy tato amin’ny parquet, dia raha zavatra “grave” indrindra dia “liberté provisoire” no omeny anao raha tsy izany ny tena izy dia “classement sans suite”, izay no niheverany azy. Kanefa akory ny hagaganay fa misy “mandat de dépôt”.
Mpanao gazety : Inona moa no tena “inculpations”?
Me Olala: Ny “inculpation” dia fanalam-baraka amin’ny alalan’ny “cybercriminalité”, dia ny faharoa, manosika ny olona tsy ho tia ny “Président de la République”. Tsy hitanay ilay izy satria fanazavàna tao. Izaho aloha mbola tsy hiditra amin’ny fanazavana ny “faits”. Fa tsy tompon’andraikitra any amin’io izy satria tsy izy no manao an’ilay “site”, tsy izy no tompon’andraikitra. Ka eo no mahatonga anay hiteny hoe raha be indrindra “au plus grave” dia tokony natao “liberté provisoire” izy fa tsy natao “mandat de dépôt” fa tokony “classement sans suite”, tonga dia foanana tsy misy antony hanenjehana azy. Fa noho izy fotsiny angamba araka ny fiheverako azy, hoe tompon’andraikitra amin’ilay gazety Valosoa, dia io no mahazo azy, fa any amin’ny plaidorie isika no hiresaka bebe kokoa. Satria koa efa nohenjehina izy tamin’ilay raharaha tsy mety vita mikasika ilay elikoptera tao Mahamasina, fa afaka madiodio izy.
Izaho mino fa raha mbola misy ny Razana sy Andriamanitra, tsy maintsy afaka io ramatoa io.
Mpanao gazety: Ahoana ny “suite juridique”?
Me Olala: Ny fandehan’io izany dia lazaina fa mbola tsy fantatra ny daty hitsarana ny raharaha. Dia mbola gaga ihany indray izahay satria ny naoty avy any amin’ny Minisitry ny Fitsarana, nampafahantarina eran’i Madagasikara, ary eran’izao tontolo izao mihitsy satria be dia be no mahafantatra koa ny any ivelany fa ny raharaha rehetra misy “détention”, misy olona migadra indrindra fa “flagrant délit” dia tsaraina avokoa. Dikan’izay dia hoe, tokony ho fantatray androany hoe ho tsaraina izy amin’alatsinainy, na talata, na alarobia izao. Kanefa tsy nisy izay zavatra izay, fa hoe mbola hiandry ny fanapahan-kevitry ataon’andriamatoa prezidan’ny repoblika amin’ny rahampitso hoe hisy sa tsy hisy ny “confinement”.
Tsy hitanay hoe inona no idiran’ny “confinement” amin’izao raharaha izao satria ny naoty dia milaza hoe tsaraina ary tsy maintsy tsaraina ny olona misy “détention préventive”, indrindra fa “flagrant délit”. Eran’izao tontolo izao dia esorina, atao izay tsy hampigadra izay olona tsy tokony higadra noho ilay aretina mahatsiravina amin’izao fotoana izao, nefa ny antsika sesefana ihany ny ao amin’ny “prison” mba hahafaty bebe kokoa ny olona. Tsy fantatro ny dikan’izany : “misy mpamono olona sy tsy misy mpamono olona ?”
Ka izay izany, noho io “mandat de dépôt” io, dia satria moa androany izany tsy fiasàna, ny alatsinainy izahay dia hametraka “opposition” amin’io mandat de dépôt io. Dia ho hita eo ny tohiny amin’ny herinandro ambony.
Gérard Rakotonirina, Filohan’ny holafitry ny mpanao gazety (GR): Asa fanaovan-gazety no resahina. Izaho dia mitsotra mihitsy fa voatohintohina ny fahalalahanan’ny asantsika ry zalahy. Eny fa na dia “réquisition” àry amin’izao ka tsy maintsy manaiky ny baiko midina rehetra, nanao ny asantsika foana isika ho an’ny olompirenena sy ny vahoaka malagasy. Ireo no anaovantsika asa, ireo no anaovantsika tatitra. Mitondra ny tarainan’ireo isika, ny zavatra tsy misy sy ny tsy rariny mihatra aminy. Ka raha izay asantsika izay no tohintohinina, mankaiza isika izany?
Mpanao gazety: Ao anaty izao raharaha izao, manao ahoana ny hevitr ny OJM? Tafiditra amin’ny tsy fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ve isika?
GR: Voatohintohina tanteraka, ary manahy ahy fa hanjaka eto ny hevitry ny olon-tokana amin’ny resaka fanaovan-gazety. Dia ahoana ny hiafaran’ity asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ity, raha ny olona tany ivelan’ny fitondrana teo aloha no niady mafy an’izany, fa rehefa mahazo fahefana dia tsy miaro intsony.
Mpanao gazety: Isan’ny ady hevitra momba ny lalàna vaovao ny hoe tsy fampidirana am-ponja ny mpanao gazety intsony. Tsy lalàna mifehy ny mpanao gazety ve izany no nanenjehana azy? Sa lalàna hafa?
GR: Miara-mahita isika izao!… Hafa ny tondron’ny molotra, hafa ny ataon’ny tanana. Eto isika… Handao isika hiray hina ry zalahy a!… Amafiso kokoa ny firaisankina fa miatrika ady mafy isika mpanao gazety amin’izao fotoana izao. Tsy Rakotonirina Gérard irery, ary tsy iny niditra androany iny. Fa izao no tadidio tsara!… Nanomboka iny androany, mety ho “tour”-n’ny hafa rahampitso, rahafakampitso. Izay no ahiko. Ataovy tsara fotsiny, hajao ny “éthique” sy ny “déontologie”. Potsiro izay tsy rariny rehetra ka hanantsika porofo.
Me Olala: Ho anay telo mianaka izay mpiaro, satria hitanay fa tsy misy n’inon’inona mihitsy ilay izy, dia hoy izahay hoe: “Tongava raha lehilahy raha mieritreritra hoe misy marina kely fotsiny any aminareo amin’ny andro hitsaràna ity raharaha ity. Miandry anareo izahay, ary te-hifankahita aminareo hifanzava isika tompoko. Raha lehilahy dia tongava!
Mpanao gazety: Voafaritra ao anaty ilay izy ve ny mpitory “maître”?
Me Olala: Ho hita eo izany! Ho hitantsika eo ilay izy. Fa tsy maintsy ho tratranay hoe iza ny mpitory. Ho hita eo izany. Aiza ny raharaha tsy misy mpitory izany. Hatramin’izao dia tsy mbola naka ny “communication”-n’ny dosie izahay. Mbola averiko ihany fa raha lehilahy, afaro izay olona mpitory eo, tongava raha ohatra ka tena mahasaky.
Mpanao gazety: Ary raha vehivavy?
Me Olala: Raha vehivavy dia miavia rehe madamo, le teateanay mare zao, miavia boakao madamo.