Hetsika Antananarivo eny Anatirova
MANAO ANTSO AVO NY FIKAMBANANA REHETRA TSY AN-KANAVAKA SY NY VAHOAKA izay tsy mankasitraka izao fanimbana ny vakoka sy fanimbazimbana ny toerana masina ANATIROVA izao haka ny andraikiny, hifampiantso sy hivory maika.
MILA NY FIRAISAN-KINANTSIKA MAFY ity indray mitoraka ity satria ny hasina maha-Malagasy no voatohitohina eto.
– Ho tonga eny Anatirova, eo amin’ny lapan’ny fitsarana, dia manaraka ny trottoir mijoro manao elanelana 1,5m
– Ny andro hanaovana azy dia isaky ny Asabotsy amin’ny 12 ora hatramin’ny andro fitokanana ny « Kianja Masoandro » ary ho atao eto Antananarivo sy manerana ny Nosy ary ny Malagasy rehetra ivelan’ny Madagasikara ity hetsika ity
– tsy misy mitabataba fa mangina tanteraka
– Manaja ny fepetra aro ara-pahasalamana (aro-orona sy vava, elanelana 1,5 m)
– Fampisehoana ny tsy fankasitrahana : Sainam-pirenena izay tsy velarina fa fatorana ruban mainty no entina, ary mitodi-damosiny ny arabe na rehefa mandalo ny “officiel”
– Tsy misy kabary, tsy misy miteny fa ny mpanao gazety no ho valiana raha manontany
NY HETSIKA ATAO : TSY HO FANONGANAM-MPANJAKANA MIHITSY!!
Hetsika Paris eo amin’ny masoivoho
Source: AROVAKO NY ROVA.
HETSIKA MAITSO PARIS 13/06/2020
Manentana antsika rehetra ho tonga eo amin’ny Parc manoloana ny Ambassade de Madagascar (4 av. Raphaël – 75016 Paris – Métro La Muette) ny asabotsy 13 jiona 2020 amin’ny 4 ora tolakandro.
-Manao Akanjo MAITSO na SAINA Malagasy na Satroka Maitso na fehiloha Maitso. Mety koa ny loko FOTSY na MENA. Afaka mitondra soratra “AROVAKO NY ROVA FA LOVAKO”. Hisy an’io soratra io ihany koa eo an-toerana afaka tazonina rehefa maka sary.