Mbola mampametram-panontaniana ny maro ny hetsika rehetra ataon’ny fitondrana nandritra izay efa ho zato andro nisian’ny Covid 19 teto Madagasikara izay.
Vola manodidina ny 500 tapitrisa dolara amerikana mantsy no nomen’ireo mpamatsy vola mahazatra entina miady amin’ity valanaretina ity. Tsy misy mahafantatra kosa izay mba fandraisana anjaran’ny fitondrana eo amin’ny ady atao amin’ny fahavalo tsy hita maso kanefa tena mamely mafy tokoa. Nipoitra tampotampoka ny CVO izay nolazaina fa tambavy mampitombo ny hery fiarovana. Niova ho “remède traditionnelle améliorée” indray ary lasa tsindrona ary hiofo ho “géllule” indray ato ho ato. Ireo firenena afrikana nomena maimaimpoana ny CVO aloha dia iray ihany no niverina naka indray kanefa tsy mazava na nividy izy na nomena fotsiny indray.
Tafiditra ao amin’ny fanampiana nomen’ny mpamatsy vola mahazatra ny tohana ho an’ireo sokajin’olona antsoina ho marefo sy ireo orinasa sahirana noho ny fihibohana ary ireo mpiasa very asa na nampiatoana ara-teknika. Ny mitondra ny tsimokaretina nampidirina any amin’ireo toerana hanaraha-maso azy aza dia sahirana tokoa satria ny sakafo tsizarizary ny valin’ny fitiliana ela loatra vao mivoaka.
Tsy mazava mihitsy araka izany ny fitsinjarana izany fanampiana izany, ka mitaky ny mangarahara ny fikambanana maro samy hafa, eny hatramin’ny parlemantera sasany aza. Toa manahy ny maro sao dia lasa any amin’ny fananganana fotodrafitrasa izay tsy hitondra fampandrosoana ny fanampiana satria toa mifanindry an-dàlana amin’ny ady atao amin’ny Covid 19 mantsy ny fihazakazahana amin’ny fanorenana ozinina sy laboratoara ary sekoly.
Etsy andaniny dia misy fandaniam-bola lazaina fa nividianana izatsy sy izaroa ho an’ny mpianatra mihinny CVO, izay iaraha-mahalala fa misaringotra amin’izany ny tomponandraikitra ambony tao amin’ny minisiteran’ny fampianarana.
Tao anatin’ny fihibohana ihany dia nahatsangana mangingina fotodrafitrasa “colisée” ao amin’ny Rovan’Antananarivo izao fitondrana izao. Mangingina satria tsy nisy nahita raha tsy efa nihoatra ilay fefy ny rindrina. Toerana nokasain’ny mpanjaka vavy farany, Ranavalona III, nanorenana ny “Lapa Masoandro” ary ity fotodrafitrasa nataon’ny mpitondra ity dia nomeny ny anarana hoe “Kianja Masoandro”.
Niteraka olana tsy eo amin’ny mponina eto an-drenivohitra ihany ity toe-draharaha ity, fa ho an’ireo taranaka ampanjaka avy any amin’ny faritra hafa ihany koa. Ny tena olana dia tsy nisy fiaraha-midinika tamin’ireo mpandala ny kolontsaina sy soatoavina Malagasy ny fanorenana, fa dia nokononkononin’olombitsy izay nantsoina ho “komity siantifika” sy “komity teknika”. Iaraha-mahalala eo amin’ny tantara fa misy “hasiny” ny “Rova” sy ny “Doany na Tranobe” eto Madagasikara. Ireo olona minia mikimpy ihany no miaro ny fitondrana amin’io fanotana fady ao amin’ny Rovan’Antananarivo io. Lazain’izao fitondrana izao fa olom-bitsy sy tsy tia fandrosoana izay rehetra manohitra ny fanorenana tsy voahevitra ataony.
Anisan’ny manahirana ihany koa ny filazana fa volam-panjakana madiodio ny fanorenana kanefa, tsy nisy “appel d’offres” mazava ary tsy voarakitra ao anaty tetibola 2020 io asa io. Eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao dia tsy azo atao eo amin’ny toerana misy vakoka ny fanorenana, fa fanarenana no azo atao. Eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao koa dia eo amin’ny “hamehana” tahaka izao no manararaotra ny manampahefana sy ny mpanao bizina hangoronan-karena amin’ny alàlan’ny trafika sy ny aferafera isan-karazany. Amin’izao fotoana izao dia milaza ny mpitondra fa voafehy ny Covid 19, kanefa mitombo andro aman’alina ny mitondra ny otrikaretina ary efa mihazo ireo faritra hafa tsy mbola nahitana izany, na dia mifandimby tompon-daka aza ny eto Antananarivo sy Toamasina.
Herinandro izao dia miverina amin’ny fiainany andavanandro ny mponina eto an-drenivohitra ho an’ireo mpiasam-panjakana sy ireo mpiasa amin’ireo orinasa mbola afaka mandoa ny karaman’ireo mpiasa sisa tavela. Mampitombo an’isa ireo tsy an’asa koa izao ireo mpivarotra noravana ny trano fivarotany, toy ny eny Soarano, eo koa ireo mpivarotra etsy Mahamasina izay tsy avela hivarotra intsony.
Hampitombo ny tsy fandriampahalemana izao toe-javatra izao kanefa ny eo aza tsy voafehy tsara akory na dia misy aza ny ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana. Reraka ny vahoaka Malagasy, mitotongana izay tsy izy ny sandam-bola ariary, miakatra ny vidin’ny kojakoja ilain’ny vahoaka andavanandro kanefa midina be ny fahefa-mividy. Tsy misy maha-ratsy azy ny manorina sy manangana kanefa tsara lavitra noho izany ny fanampiana ireo orinasa hamerina ny mpiasa voatery naato sy ny famoronana asa ary ny fijerena ny sosialim-bahoaka manerana ny firenena.
Andry Tsiavalona