Andry Tsiavalona
Miakatra izay tsy izy ny isan’ireo mitondra ny tsimoka aretina Covid-19 tato anatin’ny herinandro vitsivitsy, indrindra ny eto an-drenivohitra.
Raha ny fanambaran’ny CCO dia noho ny tsy fitandremana sy tsy fanajana ireo fepetra napetraky ny fitondrana no anton’izany. Tsy azo lavina fa misy tokoa ireo tsy manao aro-tava sy orona mivezivezy eny rehetra eny na dia efa nizarana izany fitaovana izany aza ny isan-tokatrano. Nisy ny nahazo, nisy ny tsy nahazo tamin’izany. Ny zava-misy koa anefa etsy ankilany dia toa vonjy tavanandro ihany ny fizarana ny CVO, ka indray mandeha niserana ihany ny fizarana ity « fanafody » ity. Araka ny vaovao ofisialy anefa dia maro amin’ireo narary niditra hopitaly nisotro azy dia sitrana avokoa. Azo lazaina anefa fa tsy ny fanalefahana ny fihibohana no tena fototr’izany fitombon’ny isan’ny olona mitondra ny tsimok’aretina fa ny tsy finoan’ny olona fa marina ny tarehimarika avoakan’ny fitondrana satria araka ny hita dia maro ny matahotra ny valan’aretina ka mitandrina.
Na izany na tsy izany dia miverina amin’ny fiainany andavanandro ny mponina, ka mifamezivezy eran’ny tanàna, tsy misy fanajana ny elanelana iray metatra intsony. Efa goragora hatrany am-boalohany ny fepetra dia toa tsy taitra intsony ny mponina aty aoriana. Na izany na tsy izany, na ho halefahana na henjanina ny fihibohana dia izay tsy manaja ny fepetra no tsy maintsy hampiharana ny sazy farany izay hentitra satria tsy azo hodian-tsy hita fa efa tena latsaka an-katerena ny vahoaka, ka raha mbola fehezina mafy dia hitraotra. Ny mpitondra, angamba, no tsy miaina ny zavatra iainan’ny mponina dia toa manamaivana izany toe-javatra izany.
Misy ny aretina miverimberina eto Madagasikara (kolerà, pesta, tazo-moka) ary namoizan’olona aman-jatony aina fa tsy mbola nisy “hamehana ara-pahasalamana” toy izao. Ny fijerin’ny olon-tsotra ihany koa dia toa lasa anaovana bizina ity valan’aretina ity satria tsy ireo aretina voalaza etsy ambony iretsy ve no efa nananganana laboratoara. Hanova ny tantara tokoa, angamba, ny fitondrana ka hararaotina izao toe-javatra izao. Sao dia ho toy ny tamin’ny Repoblika II izay nananganana ozinina (hodima, Imi, sns,…) nolazaina tamin’izany fotoana izany fa hahatonga an’i Madagasikara “hijoro fa tsy handohalika” kanefa ny “Imi” aza amin’izao fotoana izao ho songonan’ny “Gasy Car” indray.
Ny tena manahirana dia tsy hain’izao fitondrana izao ny manatsara ny efa misy fa ny fanasongadinan-tena no hihazakazahana. Manampy trotraka izany ny fametrahana ny ady amin’ity valan’aretina ity ho any amin’ny laharana faha telo amin’ny laharam-pamehana satria ny tetibola ho an’ny fahasalamana aza dia nanesorana ao amin’ny LFR, fa ny fananganana fotodrafitrasa no mahamaika. Tsy nasian’ny fitondrana sira ihany koa ny momba ireo mpiasa very asa noho izao valan’aretina izao, ka hanampiana ireo orinasa sahirana, mba hanokatra indray ny toeram-piasana ka hamerina ireo mpiasa indray. Ny vahaolana hitan’ny mpitondra dia ny fampindramam-bola ireo orinasa kanefa misy ihany ny fanampiana nomen’ny mpiara-miombon’antoka ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany. Izany fanampiana izany, angamba, no entin’izao fitondrana izao hananganana izany ozinina mpanamboatra fiara sy hanamboran-dàlana izany.
Araka izany dia toa atao mihitsy izay hampahantra ny vahoaka Malagasy manakaiky ny zato isan-jato, mba hampanankarena ny eo amin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Porofon’izany dia fanapotehana ny orinasa misy sy fampahantrana ny valalabemandry, ka atao fanahy iniana ny tsy fitadiavana vahaolana maika hanarenana ny fiainany izao. Tsy mahavaha olana ho an’ny mpitatitra ny fametrahana “tramway”, fa vao mainka hampitotongana ny fidiram-bolany ary hampitombo ny vola any am-paosin’ny mpitondra indray.
Tsy maintsy ao an-tsaina mandrakariva anefa fa “rehefa noana ny kibo dia mivezivezy ny fanahy”, “aleo maty rahampitso toy izay maty androany”, “raha maty rahavana matesa ny omby”, ka aoka tsy hanao vain-drahalahy tsy mba maharary fa sao tonga amin’ny fitenenana hoe: “raha maty aho, matesa rahavana”.