Andry Tsiavalona
Tsy mazava intsony na efa tafiditra ao amin’ilay IEM daholo ireo fotodrafitrasa tanisaina etsy sy eroa fa ho tanterahina. Raha atao tamberina mantsy ny fampielezankevitra nataon’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tao anatin’ny « velirano » dia toa miverina any amin’izany vanim-potoana izany indray ny eto Madagasikara. Tsy nisy resaka « Tanamasoandro » na « Kianjamasoandro » (Colisée) tamin’izany fotoana izany, fa « Miami » sy « Paris » no nalaza sy nampanantenaina. Ny fanarenana ny làlam-pirenena faha-44 no nolazaina fa vitaina haingana kanefa ny làlam-pirenena efa nametrahan’ny filohan’ny Repoblika teo aloha vato fehizoro no nihazakazahana nametrahana « vato fototra » indray. Ny fotodrafitrasa, tohodrano sy lakandrano, any Bas Mangoky efa notokanan’ny filohan’ny Repoblika teo aloha no nomena ny arabo hamokarana vary, ka sady tsy namidy, hono, no tsy nampanofaina fa dia ny vokatra miakatra no hanomezana ampahany kely ny fitondra fa ny ampahany betsaka dia an’ilay orinasa arabo.
Tsy dia fantatry ny Malagasy maro tokoa ny tena votoatin’ilay IEM satria tany Paris no namoahana azy tamin’ny fomba ofisialy. Iaraha-mahatadidy fa samy nanana “vina” avokoa ireo filoham-pirenena nifandimby teto, ka ampahatsiahivina amin’izany ny “Boky Manga” tany amin’ny Repoblika I, ny “Boky Mena” tamin’ny Repobika II, ny “MAP” tamin’ny Repoblika III-2. Nanao izay nanapariahana ireo ho fantatry ny vahoaka Malagasy rehetra, ny fitondrana tamin’ireo vanim-potoana ireo. Azo lazaina fa niainga avy amin’ny vondrom-bahoaka fototra ny drafitra fampandrosoana, fa tsy mivoaka avy amin’ny nofinofin’izay nanana fikasana hitondra ny firenena. Azo asongadina amin’izany ny MAP izay nifototra tamin’ilay “Madagasikara ara-boajanahary” (Madagascar Naturellement).
Tsiahivina ihany fa ny alin’ny nanaovan’ny filohan’ny Repoblika IV fianianana dia nisy loza nitranga teo Ampahamarinana, vato be no nikorisa ka trano maro no rava ary nisy ihany koa ny aina nafoy. Taorian’izany dia tsy teto an-drenivohitra ihany no nisy loza nitranga fa iaraha-mahatsiaro ny tondra-drano tany amin’ny Faritra. Tsy vitan’izany fa nirongatra izay tsy izy ny asan-dahalo sy ny asan-jiolahy izay niteraka famoizan’aina sy famoizana fananana. Tsy vitsy ihany koa ny hain-trano ka tsy fantatra marina intsony na vokatry ny tsy fitandremana tokoa ve? Tsapa fa nanomboka nisavoritaka ny mpitondra teo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena ka lasa nanao “improvisation” hany ka toa manao fampielezan-kevitra sy mampanantena zavatra hafa ankoatry ny velirano indray. Mbola nanamarika iny taona voalohany nitondran-dRajoelina Andry iny ihany koa ny fahatapahan-jiro (délestage) sy ny fahatapahan’ny rano izay niteraka fihetsiketsehana teny amin’ny kartie maro teto an-drenivohitra.
Ny faran’ny taona 2019 no nitranga tany Chine ity areti-mandoza ity, Covid 19, izay niparitaka maneran-tany haingana dia haingana. Tsy ilaina ny mampahatsiahy fa tara loatra ny fandraisan’ny mpitondra fepetra ary namaivaniny loatra ny loza mety haterak’ity aretina ity, tsy eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ihany fa eo amin’ny sehatra rehetra mihitsy. Ny tena manahirana dia mbola mifangaro voraka amin-javatra hafa ny fifehezana ny aretina sy ny fanarenana ny toekarena sy ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka, ka atsofoky ny fitondrana ny fananganana ozinina, tsy famokarana fanafody ihany fa nipoitra ho azy, tsy fanta-pihaviana, ny fananganana ozinina hanamboarana fiarakodia izay zavatra roa tsy misy ifandraisany mihitsy. Ny resaka “Nosy Malagasy” izay nambaran’ny filohan’ny Repoblika fa tsy maintsy hisy vokany ny fifampidinihana amin’ny frantsay mialohan’ny 26 jona teo dia tsy nisy resaka intsony fa mamerivery amin-javatra hafa indray ny mpitondra.
Araka izany dia tsy matotra mihitsy izao fitondrana izao fa sahirana miezaka manodina ny saim-bahoaka any amin-javatra tsy miteraka tombontsoa mivantana: na ho an’ny firenena, na ho an’ny mponina.