Andry Tsiavalona
Naroso herinandro mialoha indray ny fanambarana momba ny fepetra entina miatrika ny valanaretina Covid-19, satria nitombo izay tsy izy ny isan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Nikoropaka ve ny fitondrana raha nahita izany tarehimarika izany, ka minisitra maromaro ao amin’ny governemanta mihitsy no nametraka ny fepetra mifanandrify amin’ny sehatra iandraiketany avy. Ny resaka fitaterana ohatra dia tsy misy afaka mahazo miasa ny fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina (lignes urbaines et suburbaines).
Betsaka tokoa mantsy tamin’ny herinandro lasa, fa maro ireo mpamily sy resevera no voasazy, niditra « violon », ary tsy vitsy koa ireo fiara no niditra « fourrière » satria misy mpandeha tsy nanao tampim-bava sy orona izay, kanefa rehefa tafiditra ireo mpandeha dia sarotra ny hanara-maso iza no mampidina. Tsy fantatra intsony koa na manao fanahy iniana ny mpandeha, ka rehefa misy mpitandro ny filaminana dia ataony izany fihetsika izany. Raha ireo tranga ireo dia samy saziana na ny mpamily sy ny resevera ary ny mpandeha izay tratra. Iaraha-mahalala fa efa sempotra ihany koa ny mpitatitra toy ny olompirenena miasa tratry ny fampiatoana teknika (chômage technique) ihany koa. Tapakandro ihany koa ny mpiasa, na miankina na tsy miankina, no miasa, kanefa ho an’ireo izay tsy maintsy miasa na manao “service minimum” izany. Tsy olana izany ho an’ny mpiasam-panjakana fa ny tsy mazava dia ahoana ny karaman’ireo any amin’ny tsy miankina satria tokony hisy fifanarahana mazava tsara ny momba izany eo amin’ny mpitondra sy ny mpampiasa.
Efa sempotra ihany koa mantsy ny sehatra tsy miankina satria tsy misy fanampiana ho an’izy ireo fa ny vahaolana naroson’ny mpitondra dia nasaina mindram-bola any amin’ny banky izy hoentiny mientana indray. Tsy oksizena hamelomana ny orinasa izany fa tena entona karbonika hamono azy indray. Mitsahatra tanteraka ny fampianarana ao amin’ny faritra Analamanga. Sahiran-tsaina na ny ray aman-dreny na ny mpianatra na dia efa nanome toky aza ny mpitondra fa tsy maintsy hisy ny fanadinana. Tsy ny fisiany na tsy fisian’ny fanadinana no olana fa ny tebiteby ara-tsaina momba izay mety ho lanjan’ny vokatry ny fanadinana (valeur). Iaraha-mahatadidy ny bakalorea nisy fihodinana faharoa tamin’ny taon-dasa rehefa nisy ny laza adina nivoaka mialohan’ny fotoana, izay niteraka ahiahy ho an’ny rehetra momba izay handraisan’ny sehatra samy hafa ny lanjan’izany diplaoma izany. Tsy resahana intsony ny toe-javatra iainan’ireo mpampianatra any amin’ny sekoly tsy miankina izay mikarama isan’ora iasana.
Torak’izany koa ny iainan’ireo manao asa tena sy ireo mpivarotra entana ilain’ny mponina andavanandro izay tapakandro ihany no afaka manao izany. Tokony ho ao an-tsaina mandrakariva fa izay vola azon’izy ireny androany no miantoka ny rahampitso sy ny androany ihany koa aza. Tsy ampy hividianana sakafo mampavitrika ny hery fiarovana hanoherana ny covid-19 akory anefa izany satria tsy maintsy tsinjovina ihany koa ny hofan-trano, sns,… Tamin’ny fotoana namoahan’ny IPM ny isan’ny olona 67 nitondra ny tsimok’aretina dia efa namolavola paikady sy politika matotra ny mpitondra fa tsy variana niady sy nanakiana ity orinasa mpanao fitiliana ity. Amin’izao fotoana izao dia variana manangana laboratoara hanaovana fitiliana sy ozinina hamokarana fanafody kanefa nankalazaina fa mahasitrana ny CVO. Angamba tsy nisotro tokoa, toy ny eo amin’ny fitondrana, ireo olona aman-jatony maro mitondra ny otrikaretina ireo.
Ny tsapa dia tsy misy tsy sempotry ny fiainana, ankoatr’ireo eo amin’ny fitondrana sy ireo manam-pahefana ihany koa, ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo miampy ireo enina isan-jato vitsy an’isa tsy manan-katao afa tsy ny mpanenjika. Satry hihiboka ao an-trano, tsy hivoaka any ivelany fa ny tsy fisiana, hono, mahazaka maniraka. Raha mpitondra tena manana politika sy paikady entina miatrika ady dia vonona amin’ny zavatra rehetra fa tsy handrangaranga fiara mifono vy sy angidim-by hifanandrina amin’ny fahavalo tsy hita maso. Ny mpitondra afaka mivory amin’ny “visioconférence” entina miaro tena amin’ny aretina, fa ny vahoaka tsy mandady harona tsy maintsy mivoaka mitady ny hanin-kohaniny na dia eo aza ny loza mitatao.