EDITO 11 Jolay – Fiandrianam-pirenena – Nangingina ny resaka momba ireo Nosy Malagasy

Sôh’son

Nataon’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina fanamby, fa tsy maintsy miverina amin’ny Malagasy ireo Nosy Malagasy (Iles Eparses) bodoin’ny fitondrana frantsay.

Mialohan’ny 26 jona 2020 hankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena izy ireo no hiverina amin’ny Malagasy raha ny nambara volana maromaro lasa izay. Nisy mihitsy fotoana, nivelesana “aponga sy antsoantso”, tamin’ny haino aman-jerim-panjakana ny fampitana fa hiresaka amin’ireo mpanao gazety frantsay amin’ny fahitalavitra vahiny ny tenany. Tao anatin’izany no niresahana ny momba ireo Nosy Malagasy ireo, ka nilazàny ny amin’ny hamerenana azy ireo no iriny fa tsy fiaraha-mitantana amin’i Frantsa velively.

Nomarihina fa efa nisy ny dinika voalohany nifanaovan’ny roa tonta ary tokony hisy ny faharoa mialohan’ny 26 jona saingy noho ny valan’aretina covid-19 dia tsy tanteraka izany. Ny hany nisy dia ny fanambarana nataon’ny teo anivon’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny malagasy tamin’ny fampiantsoana ny ambasadaoro frantsay sy ny fanambarana teny amin’ny Antenimieram-pirenena, dia izay, tapitra teo.

Dila, vita iny ny fankalazana ny fetim-pirenena, efa andro maromaro no lasa izao, efa ho roa herinandro. Zary nangingina ny resaka raha ny fahitana azy. Ry zareo mpitolona eo anivon’ny Otrikafo no hany farany re nanao ny fitakiana teny Ambatomena efa andro maromaro lasa izay, dia izay. Ny avy amin’ny fitondrana tsy andrenesam-peo intsony ny amin’izany. Tsy misy fampahafantarana amin’ny vahoaka hoe aiza ho aiza ny raharaha ankehitriny?
Efa maro no nahatsikaritra fa arirariran’ny fitondrana frantsay ny resaka momba ireo Nosy Malagasy ireo. Indraindray asehony mihitsy ny fihantsiana ny fitondrana Malagasy amin’ny alalan’ny fihetsika manao zavatra amin’ireo Nosy ireo toy ny kasaina hotantanterhina ao amin’ny Nosy sambatra ( îles Glorieuses). Vao manao fanambarana ny eto Madagasikara dia misy valin-kafatra avy hatrany koa ataon’ny any Frantsa. Tsy ahitan-teny firy ny amin’izany ny filohan’ny repoblika izay hita ho tsy mba toy ireo filoha any Amerika latina, toa ny filoha venezoeliana teo aloha, sahy mifanandrina sy manao teny mahery ireo mitady hanjakazaka ny fireneny. Tsy mahavita ny toy ny ataon’ny filoha Roandey, Paul Kagame, sahy miteny hentitra amin’ireo firenena mpanjanaka teo aloha sy manao fanjanahantany amin’ny endriny vaovao ankehitriny, fa tsy ilainy ny fihetsika toy izao sy izatsy ataon’ireo. Malemy eo anoloan’ny fitondrana frantsay sy ireo mpanao politika malotony ve izany ny fitondrana Rajoelina? Raha toa ka izany, dia misy antony ao ary mila fantatry ny vahoaka Malagasy izany.

Mpanome toky vahoaka i Andry Rajoelina isak’izay miteny, fantatry ny rehetra izany. Aiza ary izay fanomezan-toky izay amin’ny vahoaka momba ireo Nosy ireo, fa tsy maintsy hiverina amin’ny Malagasy izy ireo? Mila resahina amin’ny vahoaka ny marina amin’ny fifampiraharahana amin’ny fitondrana frantsay, fa tsy rehefa sempotra tsy mahatafavoaka baolina vao miantso ny fanomezan-tànana avy aminy. Sa handrasana amin’ny 14 Oktobra indray ve vao mody hanisy teny kely eo mba “hampandriana adrisa” amin’ny alalan’ny teny tsara lahatra? Hatreto aloha dia mbola tonga amin’ny fiteny ankehitriny hoe “tsy afaka” ny fitondrana manoloana ny fitondrana frantsay. Toy ny mpilalao baolina lavalava Malagasy talohaloha tany, miainga eo afovoan’ny kianja no atosiky ny mpifanandrina aminy amin’ny “melée” ka any akaikin’ny tsipiky misy ny tsatokazo vao tafajanona. Kisary toy izany no hita ao anatin’izao raharaha mangingina izao, ary dia tsy mahita ambara fa sahirana.