Sôh’son
Anisan’ny sangany amin’ny mpanefoefo aty Afrika ny mpanefoefo eto Madagasikara. Misy aza tafiditra amin’ny dimy voalohany indrindra amin’ny laharan’ny mpanefoefo araka ny fanadihadiana. Fantatra ihany koa fa teratany vahiny vitsivitsy no mpanefoefo manankarena indrindra eto Madagasikara. Karana izy ireo raha ny anarana hita ao anatin’izany fanadihadiana izany, izany hoe misy teratany Indiana ary misy pakistaney, fa amintsika Malagasy dia karana hatrany no iantsoana azy ireo. Voalaza mihitsy fa mifehy ny toe-karena eto amin’ny firenena nandritry ny taona maro izy ireo. Misongadina izany fananan’izy ireo harem-be izany raha eto an-drenivohitra, anisany ireo tranobe mijoalajoala sangany eny amin’ny faritra samihafa izay toerana manokana nofinidiny avy.
Ankoatra ny fifehezany ny toekarena Malagasy dia mazava loatra fa niditra amin’ny lafiny politika koa izy ireo ary nisy aza ireo sasany tena niditra lalina hifehezany ny lalan-kizoran’i Madagasikara hifanaraka amin’ny mahamety aminy. Taty amin’ny taona 2009 no tena tsikaritra izay fihetsik’izy ireo mifandray tendro amin’ny mpanao politika izay noho ny resaka fiarovana tombontsoa. Politika avo lenta nataon’izy ireto ihany koa ny fakàna ny zo maha-olom-pirenena frantsay azy ary misy antony lehibe izany amin’ny fahafantarany ny amin’izay firenena ivelany mbola manjakazaka eto amin’ity firenena ity amin’izao vanim-potoana izao. Hafetsena lalina izany. Mazava loatra fa ao ambadika ny fifandraisany tendro amin’ny mpitondra sy ireo mpanao politika maloto frantsay ho amin’ny fihazonana an’i Madagasikara tsy hanilika azy ireo.
Ireo sehatra roa lehibe ireo no tena vaindohan-draharaha ho an’ireto karana mpanefoefo ireto. Tsy hita taratra mihitsy kosa izay anjara biriky nentin’ireo hamahana ny olan’ny vahoaka Malagasy amin’ny lafiny sosialy. Tsy lavina, misy ireo nataony ao anatin’izany sehatra izany, toy ny fanampiana eo amin’ny seha-pitsaboana, na ara-tsakafo, na fampianarana, fa ampahafirin’ny harena nangonin’izy ireo nandritry ny taona maro teto izany? Marina fa nanangana orinasa samihafa izy ireo, fa iza amin’ireo mpiasa nampiasainy no afaka hitsangana hilaza fa nanankarena lasa mpanefoefo ihany koa izy ireo ary nilamina tanteraka ny fiainany, izy sy ny ankohonany na ny fianakaviany. Vao mandalo olana kely na krizy politika na toekarena, na dia ao anaty fotoana fohy aza ny firenena, dia indreo fa mikorontana tanteraka ihany koa ny fiainan’ireo mpiasa Malagasy ampiasain’izy ireo. Midika izany fa natao hivelomana isan’andro fotsiny ihany ny karama omena azy ireo, tsy natao hampanan-karena akory.
Ao anatin’izao fotoanan’ny hamehana ara-pahasalamana izao no tena ilàna ireo mpanefoefo manankarem-be. Ny antony, tsy mahavita ny fitsinjovana ny vahoaka ny fitondrana na miseho hahavita aza, ny resaka fotsiny no betsaka. Miha-mihitsoka ao anaty fahasahiranana sy fahantrana lalina ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao. “Rano eran’ny sotrokely amin’ny ranobe, ndeha atao hoe amin’ny dobo filomanosana lehibe”, no alain’izy ireo omena ny Malagasy, raha atao kisarisary ny zava-misy hita. Indraindray anefa mihambo mba ho tia an’i Madagasikara, na te ho Malagasy mihitsy aza izy ireo. Sao ho fiarovana tombontsoa sy harena fotsiny no anton’izany? Ny fihetsika mijery fotsiny toy izao, fa tsy ahitana fandavan-tena marina hanao asa soa hanàla ny vahoaka ao anaty fahantrany, no mahatonga ny Malagasy ho sarotiny hampiditra ireto mpanefoefo ireto hizaka ny zom-pireneny. Iza no sahy hanome tsiny azy amin’izany? Ao anaty fotoan-tsarotra, hono, no ahitana ny tena namana.