EDITO 16 Jolay – Fiainana andavanandro – Reraka ny vahoaka, mitazana fotsiny ny fitondrana

Sôh’son

Vao maraina mangiran-dratsy dia efa tazana mitanjozotra mandeha an-tongotra ny vahoaka marobe mamonjy ny asa aman-draharahany, na indrindra handeha hamonjy tsena haka entana hamidy avy eo. Ny sasany tsy mahavita firy dian-tongotra, mandeha sarety kely, na posiposy. Avy eo miezaka mody izy ireo mba hivarotra izay mba voavidy kely hatramin’ny 12 ora atoandro. Izay hatrany no iainan’izy ireo isan’andro. Efa herinandro mahery no niainan’izy ireo izany ary mbola mitohy izany mandraka ankehitriny. Tsikaritra fa hita ho reraka ihany ilay vahoaka ankehitriny, reraka ara-batana sy ara-tsaina ihany koa satria zavatra maro no tsy maintsy eritreretin’ny sainy. Voalohany amin’izany ny fiahiana ny ankohonany ara-tsakafo sy eo ihany koa ny ara-pahasalamana, ny fampianarana, sns… Ny vola miditra isan-tokantrano anefa mihena manoloana izany, ny tena miady irery fa tsy hita marina izay fandehan’ny ny fanampiana ataon’ny fitondrana sy izay vahaolana marina sy mahomby amin’ny fitsinjovana azy.

Manahirana ny saina ny mahita ireo mpiasa madinika, indrindra ireo mpiasa amin’ny orinasa afa-kaba mandeha an-tongotra mihazakazaka mamonjy toeram-piasana, na monina lavitra aza sy ny famonjena fodiana ny tolakandro. Hita ho miharitra mafy tokoa, ary tsy maintsy manao izany, mahita ireo namany efa nailiky ny orinasa amin’ny endrika samihafa, ka tsy miasa intsony, sao dia ho tratran’izany ihany koa. Manahy, mitebiteby, sy mampitahotra andro aman’alina mandeha miasa. Mafy ny atrehin’izy ireo amin’izao fotoana izao. Lasa lavitra ny saina mahita azy ireo midodododo mirohotra mankeny Andohatapenaka hiara-hanao fitiliana na haka taratasy fanamarinana fa salama tsy mbola tratry ny valanaretina. Izany rahateo no takian’ny tompon’andraikitry ny orinasa. Dian-tongotra lavitra atao ao anaty ora maromaro no tsy maintsy ataon’izy ireo ao anatin’izany. Vokany, reraka. Misavoritaka ny fiainan’ny mpiasa Malagasy, ary ho hatramin’ny oviana no iainan’izy ireo izany?

Reraka ara-tsaina sy ara-batana ny sarambabem-bahoaka ankehitriny, iza no iantorahany sy isarangotany amin’izany manjo azy izany? Tsy misy. Tsy ahitana vahaolana mahomby amin’izany ny fitondrana. Tsy mamely ny vahaolana hoe amin’ny ampahany kely amin’ny olona marefo no tsinjovina. Vahaolana antematemaka izany fa tsy mitondra ny vahoaka mankaiza. Raha mahavita ny fitondrana ny vahoaka Malagasy manontolo no mila tsinjovina sy voajery ary itondrana vahaolana sy manàla azy ao anatin’izao harerahany izao. Raha toa ka mbola ampahany kely amin’ny vahoaka monja no mba vita sy ho vita ny hanaovana fanampiana indray mandeha na indroa mitete mitsitapitapy dia aoka tsy ho be resaka sy mitady fomba samihafa hamiliviliana ny saim-bahoaka.