EDITO 18 Jolay – Miantsoa ny hafa rehefa tsy hahavita hitsinjo marina ny vahoaka

Sôh’son

Mampanahy lalina ny zava-misy eto amin’ny firenena indrindra eo amin’ny lafiny sosialy amin’izao fotoana izao. Mihitsoka lalina dia lalina ao anaty fahasahiranana ny vahoaka malagasy noho ny tsy fifehezana ny valanaretina covid-19 ity. Potika tanteraka ny lamina ara-piharian‘ny mponina an-drenivohitra, na any amin’ny faritra maro samihafa.

Tsy milamina koa anefa ary hita ho tsy mahomby ny paikady entin’ny fitondrana mamaha izany olana lehibe mianjady amin’ny vahoaka izany. Miharihary tsara izany ankehitriny amin’ilay antsoin’ny fitondrana ho “vatsy tsinjo”. Ny fanapahan-kevitry ny fitondrana dia ny hanome fanampiana ireo olona nanao fitarainana fa tsy nahazo tamin’ny andiany voalohany. Ampahany vitsy monja tamin’ireo marobe nangataka no nisitraka ny fanampiana tamin’ny vola iray hetsy ariary. Tsy nisy antsasany akory ireo olona nahazo fanampiana tamin’ny toerana samihafa efa fotoana elaela ihany izay, ary inoana fa efa ela ihany koa no lany izany fa tsy hahavita volana velively.

Fantatra fa maro ihany koa ireo nanao fitarainana fa tsy nahazo nefa tena mila izany fanampiana izany. Rehefa nanapa-kevitra ny hanohy ny fanampiana anefa ny fitondrana dia nilaza fa telo alina ariary ihany no homena ireo nanao fangatahana fa tsy iray hetsy Ariary intsony. Amin’izay indray io tsy lelavola fa ticket no omena entina any amin’ny mpivarotra dia entana mitentim-bidy amin’izany no alaina any. Izany hoe nahena efa ho roa ampahatelony be izao ny vola fanampiana omena ireo olona marobe sahirana amin’izao fotoana izao nefa isika ity miha-miditra hatrany mankany amin’ny fahasahiranana sy fahantrana lalina.

Raha ny tena izy, raha tena mahafehy izao fotoan-tsarotra iainam-bahoaka izao ny fitondrana Rajoelina, dia tokony hitombo ny vola fanampiana, na farafaharatsiny mitovy amin’ny nomena ireo andiany voalohany no atolotra ireto faharoa taraiky. Raha iray hetsy ariary aza tsy nahavita ny olona andro maromaro akory na am-bolana, mainka fa entana telo alina ariary. Rehefa tsy mangarahara tsy ampahafantarina ny marina amin’ny vola fanampiana azo avy any ivelany sy ny fitantanana azy, dia tsotra ny fahitana ny raharaha: tsy mahavita velively ny fitsinjovana ny vahoaka ao anaty andro sarotra ny fitondrana Rajoelina.

Arakaraka ny maha sarotra ny fiainam-bahoaka ve no hampidinana indray ny fanampiana sy ny fitsinjovana azy? Ary io fanampiana io tsy hoe isan-kerinandro akory fa isak’izay fotoana fihibohana na amam-bolana ao anaty hamehana ara-pahasalamana vao mipoitra kely. Aiza ny teny nambara tany am-boalohany fa efa miomana amin’ny hiatrehana ny coronavirus ny fitondrana? Raha izao zava-misy ankehitriny izao, dia tsy niomana izany ny fitondrana.

Fihetsiketsahana fotsiny no betsaka fa rehefa tena raikitra tokoa ny tokoa tsy misy afitsoka.
Tena ratsy ny toe-javamisy atrehina sy iainan’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao. Ny tsiny tsy maintsy omena n’inona n’inona ambara fa tsy mendrika ny vahoaka izao. Raha tsy nisy niteny tany aloha soso-kevitra ny amin’ny hanakatonana mialoha ny sisintany rehetra dia afa-miàla bala ihany ny fitondrana Rajoelina. Fa nisy izany ary tsy nohenoina na kely aza. Vao mainka natao tara ny fanakatonana ny sisintany fa nisy ireo mbola nandrasana avy any ivelany. Dia avy amin’izany rehetra izany indrindra no anton’izao fahoriam-bahoaka izao. Mbola marina hatrany ilay fitenenana “Aleo misoroka toy izay mitsabo”, fa iaraha-mahita tsara izao ny hasarotana sy ny lesoka rehetra amin’ny fitsaboana ary ny vokany. Rehefa tsy hahavita koa dia aza miseho matin-kambo ihany, fa miantsoa ny hafa afaka hifanome tànana, fa lasa ilay vahoaka no mizaka tsy fidiny ny vokany.