Fitondrana Rajoelina – Tsy mifanaraka amin’ny voalaza ny asa tanterahiny

Sôh’son

Toy ny milamina ery ny fandehan-draharaha rehetra amin’ny fampiharana ny setrin’ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena, rehefa mihaino ireo mpitondra fanjakana. Anisan’izany, ohatra, ny nandrenesana ny Praiministra Ntsay Christian ny alahady hariva lasa teo, izay niresahany ny fitsinjo ara-tsosialy ny vahoaka Malagasy. Toy ny fantatry ny fitondrana ery ary misy ny vahaolana entin’ny fitondrana amin’ny olam-bahoaka manerana ny Nosy.

Ho an’ny vahoaka anefa tetsy andanin’izany, ny omaly tsy miova ihany raha ny fitsinjovana azy ataon’izao fitondrana Rajoelina izao. Mbola mijanona ao anaty fahasahiranana sy fahantrana izy ireo ary tsy mbola ato anatin’ny tapa-bolana, na amin’iny volana aogositra iny no hisian’ny andro mihiratra amin’ny fihariany sy fivelomany. Mbola hitaintain-dava ny mpiasa madinika na indrindra any amin’ny orinasa afak’haba; mbola hikatso ny fidiram-bolan’ireo mpivaro-kanina amoron-dàlana amin’ny lalam-pirenena toy ny mankany Toamasina iny,… Tsy mbola hilamina ny fitadiavana ho an’ny maro. Tsy mbola hisokatra ireo orinasa madinika na salantsalany maro nikatona rehefa avy nandroaka ireo mpiasa tao aminy, sns…

Momba ny fitsinjo ara-tsosialin’ny mponina dia mbola ho volan-kankafotra ihany koa noho ny tsy fahitana rindran-damina mazava sy hentitra ary marina sy mahitsy eny anivon’ny fokontany na dia eo aza ireo olona sy komity napetraka tsy voafidim-bahoaka natao hisahana izany. Tsy mbola hita soritra akory aza ny hahatongavan’ny fanampiana amin’ity “tosika fameno” nahena ho telo alina ariary any faritra maro an-drenivohitra ity, na any amin’ireo kaominina maro manodidina ny renivohitra. Efa miferinaina sahady aza ny maro indrindra ireo nanao fangatahana ny amin’izany, efa kely mbola tsy hafainganina ihany ny fanatanterahana azy. Efa miha-reraka hatrany anefa ilay vahoaka. Hany ka tsy atao hahagaga raha feno olona mandeha maraina mivoaka ny trano fonenana hitady fivelomana na kely aza, fa “aleo maty rahampitso toy izay maty anio”. Efa tsy fidiny ho azy ny tsy maintsy mandeha mivoaka ny trano, fa tsy afa-manoatra sy teren’ny zava-misy.

Sehatra goavana ireo ary tsy voafehin’ny fitondrana velively. Tsy lavina ihany, mety hisy lamina mipetraka amin’izany ihany ataon’ny fitondrana, ary misy aza olony mitompo teny fantatra amin’izany. Miara-mahita kosa anefa ny tsy fahatomombanana rehefa tena jerena eny ifotony. Porofon’izany, tsy mahazo aina amin’izay hoe fanampiana hozaraina ny vahoaka, tsy misy matoky fa hahazo milamina an’izany. Misy mantsy olona hita ho marefo izao, sahirana mafy, fa tsy ao anaty lisitry ny hisitraka fanampiana. Eo no ilazana, fa tsy milamina ny fandehan’ny raharaha na dia manao kabary na teny tsara lahatra aza ny mpitondra fanjakana rehefa mahazo sehatra itenenana toy ireny.