Radafy
Miha-voaresaka tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity ny momba ny tsy fanajàna ny zon’olombelona eto amin’ny firenena. Miha-mipoitra ny fitsikerana momba ny fisian’ny tsy fahamarinana ara-tsosialy. Heverina fa mbola hiha-mavaivay izany ato ho ato satria tsy takona afenina ny zava-misy ara-piarahamonina sy eo anivon’ny firenena amin’izao fotoana izao, izay toy ny vay an-kandrina ka sady maharary no mahamenatra.
Santionany amin’ny tsy fanajàna ny zon’olombelona nitranga, ka anaovan’ny mpamakafaka tsindrimpeo mafy ny amin’ny fisian’ny fivezivezen’ny olona mitondra marary, ka nahatonga ny famoizana aina ; ny fidangan’ny vidim-panafody, ka miteraka fahasahiranan’ny fianakavian’ny marary raha toa ka tsy manana fahefa-mividy amin’izany. Tranga maro samihafa no miseho eo amin’izay sehatra ara-pahasalamana izay. Ankoatra izany, eo ny fijalian’ny mpiasa amin’ny seha-pihariana maro samihafa, izay iharan’ny antsojay ataon’ny mpampiasa, ka na tsy maintsy mandeha an-tongotra na dia lavi-ponenana aza dia mandray karama na rehefa tsy tonga miàsa dia tsy mandray karama. Maro ihany koa ny tranga amin’ny tsy fanajàna ny zon’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina any amin’ny orinasa samihafa amin’izao fotoana izao, indrindra rehefa miditra amin’ny fepetra hentitra amin’ny fihibohana.
Etsy ankilan’izany rehetra izany, mampiteny ny moana ny fisian’ny tsy rariny ara-piarahamonina na ara-tsosialy (injustice sociale). Ohatra, miharihary amin’izany, ny tsy fitovian’ny vola nomena ny mponina marefo amin’ny “tosika fameno”. Niaraha-nahita sy nahalala tsara fa iray hetsy ariary no vola nomena ireo andiany voalohany tamin’izany. Nisy ny nisitraka izany ary nisy ny tsy nahazo na samy niara-nanao fangatahana aza. Amin’izao fotoana izao, mihena be tokoa ny vola omena, ary tsy vola akory fa ticket misora-bola telo alina ariary. Misy tsy fitoviana tanteraka izany ny vola raisin’ireo mba nisitraka izany. Misy ihany koa anefa ireo tsy ao anaty lisitra mihitsy ary tsy hahazo velively io fanampiana ara-tsosialy io, nefa sokajin’olona ao anaty fahasahiranana tanteraka. Azo inoana marimarina anefa fa maro an’isa noho ireo efa nisitraka izy ireo. Dia hitanatana vava fotsiny eo izany ireo, fa tsy raharahian’ny fitondrana hatreto, tsy asiany resaka na kely aza. Misy ampahana vahoaka sahirana sy mahantra tsy misy mpiahy eto Madagasikara ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao efa ho dimy volana izao. Tsy rariny ara-piarahamonina izany.
Na eo amin’ny resaka fivelomana na karama aza ahitana izany tsy rariny izany ihany koa. Ny mpiasam-panjakana dia tsy manana olana amin’ny karamany fa matahotra azy ireo mafy ny fitondrana, ka tsy maintsy manao izay hilaminan’izany isam-bolana. Ny an’ireo any amin’ny sehatra tsy miankina kosa, dia miàla 25% na ny antsasany ny karama raisiny, na ny ampahatelony na tsy mandray intsony mihitsy fa tratry ny “chômage technique”. Dia ahoana ny amin’ireo sokajin’olona voatohintohina ara-pivelomana ireo? Tsy misy mihitsy ny ezaka fanarenana izany, fa toa jerem-potsiny toy ny tany nahalavoana.
Etsy andanin’izany, iaraha-mahalala, fa misy fikambanana maro milaza ho mpiaro ny zon’olombelona eto amin’ity firenena ity. Mangina tsy miteny anefa izy ireo, toy ny tsy misy. Rehefa amin’ny fotoana iresahana zon’olombelona anefa na amin’ny fotoana fanamarihana izany, dia indreo izy rehetra mipoitra avokoa. Toy ny atao fitaovana politika ny fisiany. Izao anefa no tena ilàna azy sy hanehoany ny maha izy azy, hiasàny hiarovany ny zon’olombelona izay tena voahosihosy tanteraka.