Radafy
Fotoanan’ny seha-pikarohana izao, tsy any ivelany ihany izay efa mandany ron-doha mandrakariva amin’izany, fa na eto Madagasikara ihany koa aza. Anisan’ny vaovao nisongadina tamin’ity herinandro ity ny famoahana ny fikarohana nataon’ny Profesora Jonah Ratsimbazafy momba ny karazana varika vaovao hitany. Fikarohana izay efa nataony sy ireo mpiara-miasa aminy malagasy sy teratany vahiny nandritry ny folo taona ngarangidiny. Manampahaizana manokana ary sangany momba ny varika ity profesora malagasy ity ary tena reharehan’ny firenena Malagasy tokoa izy. Hafatrafany hatrany ny amin’ny tokony hanamafisana ny fiarovana ny varika tsy hiampitan’ny valanaretina coronavirus mahazo ny olombelona ankehitriny.
Raha miresaka ity valanaretina ankehitriny ity, dia maro ny seha-pikarohana momba izany, na amin’ny fitadiavana ny fanafody fisorohana na ny fanefitra na ny vaksiny, na ny fanafody fitsaboana. Raha ny eto amintsika, fa tsy hiresaka ny any ivelany, dia samy mikaroka avokoa ny mpitsabo ara-tsiansa moderina na ireo mpitsabo nentim-paharazana amin’ny alalan’ny raokandro. Samy mikofoka amin’izay sehatra misy azy avy ny rehetra. Tsara ho an’ny vahoaka izany satria mitombo ny azony isafidianana amin’ny fanafody misoroka ny aretina na fitsaboana tena. Anisan’ny nohindrahindraina ny tambavy CVO, vao niandoha ny fidiran’ny valanaretina. Rehefa tsy nipariaka nanerana ny vahoaka manontolo anefa izy io, noho ny resaka politika sy antony ara-bola, sy noho ny fihanaky ny valanaretina hatrany, dia niha-nanatonan’ny olona ny mpitsabo tsy miankina amin’ny fanjakana.
Tsikaritra ihany koa taoriana kely monja fa nisy ireo mpitsabo amin’ny raokandro sasany nilaza ho manana fanafody fisorohana sy fitsaboana ihany koa. Nisy ny nilaza mivantana izany, anisany ohatra, Rackiky mpanakanto, izay nanangaana toeram-pitsaboana nentim-paharazana eny Soavimasoandro eny ary nilaza fa mahasitrana ity aretina coronavirus ity ny raokandro ampiasain’izy sy ekipany ao. Misy koa anefa ireo tsy te-hiseho sy hitonona anarana miasa mangina manasoa ny mpiara-belona sy ny mpiray tanindrazana noho ny ahiahy tsy ihavanana amin’ny fitondrana. Tiany ny tanindrazany sy ny vahoaka Malagasy iray rà aminy no anaovany izany asa soa lehibe izany ary tsy ilàny setriny tombontsoa manokana toy ny ataon’ny mpitondra. Mahavita be mihoatra noho ny olona eo anivon’ny fitondrana izy ireny. Mazava loatra, tsy asan’ny fitondrana irery ny fisian’ny olona sitrana amin’ny valanaretina coronavirus na ny olona tsy andairany noho ny fananany hery fiarovana, fa misy olom-pirenena vanona ihany koa any ambadimbadika any miasa an-tsitrapo.
Natao ambanin-javatra sy tsy nomena lanja firy teto amin’ny firenena ny seha-pikarohana. Bitika dia bitika ny vola atokana amin’izany ao anaty teti-bolam-panjakana hatramin’izay, na ao anatin’izao fitondrana ankehitriny izao. Iaraha-mahita anefa ny maha zava-dehibe azy ao anatin’izao fotoan-tsarotra ara-pahasalamana izao. Be ny manam-pahaizana Malagasy manokan-tena amin’izany, fa tsy mba voajery akory izy ireo, ary tsy hita soritra mazava izay mba famporisihana ataon’ny fitondrana. Tranga iray amin’izany sady tari-tsaina ihany, misy amin’ireo sekoly ambony eto Madagasikara tsy miankina amin’ny fanjakana no manana mpianatra mandranto fahaizana amam-pahalalana ao aminy manaraka lalam-piofanana iray ary mahavita fikarohana tena ilain’ny firenena tokoa amin’izao vanin’andro izao. Maro ireo tanora Malagasy marani-tsaina lalina ary mahavita voka-pikarohana tsara dia tsara tokoa. Misy amin’izany ny amin’ny lalam-piofanana momba ny biolojika na sakafo mahavelona sy tena mahasoa ny vatana; misy mikasika ny fahasalamana. Tsy mena-mitaha amin’ny voka-pikarohana any am-pita any ny vitan’izy ireo ary misy mihitsy aza ny mahatalanjona ny vahiny. Tsy hitan’ny fitondrana izany ary raha atao hoe henony ihany aza dia mijanona eo fa tsy mampiraika azy. Dia mijanona eo amin’ny sehatry ny fianarany ihany, nahazoany diplôma ambony ilay fikarohana fa tsy mipàka hahasoa ny firenena noho izay fihetsiky ny fitondrana izay. Tsy atao hahagaga raha indraindray izany lasa any ivelany dia ny any no misitraka ilay voka-pikarohana.
Miara-mahita tsara ny zava-misy ny Malagasy amin’izao fotoana izao na jembin’ny fahantrana lalina aza. Na dia tsy misy azony atao firy, dia fantany fa misy ary manana ny toerany sy ny lanjany ny seha-pikarohana indrindra ny mahakasika mivantana ny fahasalamany na ny fiainany andavanandro. Ny fitondrana sisa no andrasana raha ahatsapa izany marina sy hahay hiasa mahitsy tokoa tsy hamatotra amin’ny ziogan’ny politika maloto ny seha-pikarohana sy ny mpisehatra ao anatiny, ho amin’ny fivelarany sy ny firoboroboany. Ny ampitso no hahitàna izany.