Ny Valosoa
Nitsofana mozika sy nidobohana amponga ilay fampindram-bola nataon’ny fitondrana, tamin’ny alalan’ny volan’ny Cnaps ary Ingahy Filoha Rajoelina mihitsy no nivoaka tamin’ny fahitalavitra tsy nanao arovava sy orona ny andro voalohany nivoahan’ilay nambara fa ”tsinjo fameno”.
Zava-dehibe ny tokony hahafantaran’ny rehetra ny Cnaps( Caisse Nationale de la Prévoyance Sociale) izay adika amin’ny teny malagasy manao hoe : Kitampombolam-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy), mazava fa ny mpiasa sy ny orinasa no tokony hisitraka izay fiahiana izay.
Ny latsakemboka alohan’ny mpampiasa(13%) sy ny mpiasa ( 1% isaky ny mpiasa) no miantoka ny vola mampihodina ny Cnaps. Ny Ministeran’ny Fitantanambola sy ny Ministeran’ny Asa, ireo no ministera mpiahy ny Cnaps (ministère tutel) , saingy hatramin’ ireo mpitondra faratampony no tsy manaiky gisitra amin’ny fikirakirana ny hatsembohan’ny mpampiasa sy ny mpiasa avy amin’ny sehatra tsy miankina.
Ireny niaraha-nahita ireny ny fandokafantena nataon’ny fitondrana, fa mitsinjo ny mpiasa Malagasy hono ry zareo kanefa raha ny tokony ho izy, dia vola tsy tokony haverina no nomena ary volan’ireo mpiasa madiodio ihany koa, izay ilay endriky ny fanambakana.
Isan-telovolana dia mandoa ny latsakemboka eny amin’ny Cnaps ireo orinasa tsy miankina ary mahavoasazy ny tsy fanaovana izany, raha misy aza fahadisoam-potoana kely vokatry ny fahasahiranan’ny orinasa dia misy tataon-tsazy miandry.
Nisedra fahasahiranana avokoa ny ankabeazan’ny orinasa noho ny fisian’ny aretina “ coronaviriosy “, fanemoram-potoana amin’ny fandoavana latsakemboka no nekena, fa tsy maintsy mandoa ny vola efa mahazatra ny orinasa.
Tsy ny Cnaps ihany fa ny sampandraharaha momba ny hetra ihany koa dia tsy mandefitra amin’ny orinasa tsy miankina, kanefa dia niaraha-nahita ny fahasahiranana nianjady sy mbola mianjady amin’ny orinasa Malagasy. Ny minisitra miadidy ny fitantanambola dia nanizingizina, fa tsy azo ekena izany hoe orinasa tsy miankina tsy mandoa hetra izany, satria inona hoy izy ny vola handoavana ny karaman’ny mpiasampanjakana sy hampihodinana ny raharahampanjakana, mazava ny tian’Ingahy minisitra atao fa ny fampiharana ilay oha-pitenenana vahiny manao hoe:” deshabiller Saint Pierre pour habiller Saint Paul “ no atao amin’izany: tsy ilaina adika io fa mahazo teny vazaha avokoa ny mpamaky ny Gazety Ny Valosoa Vaovao, ny orinasa tsy miankina misedra fahasahiranana no poretina hamelona ireo mpiasam-panjakana izay tsy maintsy mitomboka ny “telopolo andro fanjava raiky” na miasa na tsy miasa.
Sanatria tsy fampiadiana ny mpiasa samy malagasy no itanisana izany etoana, fa ny alahelo tsy ambara havana hono zakan’ny tompony, tsorina tsy ampihambahambana fa mavesatra ny manjo ny orinasa tsy miankina, ny fitondrana tsy te hahalala izany, satria ny mpiasam-panjakana sao mitokona no mampiasa ny sain’ny mpitondra, f’ireo any amin’ny sehatra tsy miankina kosa tsy ivadihany ati-doha, satria raha hitokona dia izy ireo ihany no hibaby ny vokany, hanampy trotraka ny fahasahiranana efa zakainy vokatrin’ny valanaretina.
Manana ny lanjany eo amin’ny fampandrosoana, ny sehatra tsy miankina ary mampiditra ny ampahany betsaka ao amin’ny kitapombolam-panjakana, saingy matoa mbola azo atao tohatra fiakarana dia mety mbola tsy ampy ny firaisankina, fa tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa tany ivelany tany anie, ka nifanaraka sy niray hina ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina nanao fitokonana tamin’ny fandoavanketra (grève fiscal), ka raha izany tokoa moa no hiseho eto amintsika ho fanoherana ny fanambakana mihàtra, inona re no ataon’ny mpitondra e? Izay anisan’ny fiantombohan’ny faharavana ho an’ny fitondrana raha hisy izay.