Sôh’son
Miha-sarotra hatrany ny fizotran’ny fiainan’andavanandron’ny mponina amin’izao fotoana izao.
Ho an’ny vahoaka dia tsy any amin’ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina loatra intsony ny manahirana sy atahorany. Eo rahateo ny zava-misy isan’andro iainany amin’ny fanenjehana ny fizarana ny fanampiana, na ara-bola io, na ara-tsakafo misy vary amin’ny gony sy menaka, sns…, ka itangoronana sy ifanotofana tsy hanajàna ny elanelana intsony. Efa lasa fiainany ireny ary zary tsy misy akony ratsy amin’ny fahasalamany, fa samy mbola miriaria mifankahita avokoa ny rehetra aorian’ny fitangoronana na ny fifanosehana natao. Tsy any ny olany, fa ny tena manahirana azy dia ny olana ara-tsakafo, ny hisian’ny vola ao anaty kitapom-bolany, ary indrindra ny fiarovana azy amin’ny tsy fandriampahalemana. Ity farany dia tena mirongatra ato ho ato, ary tsy atao hahagaga, satria miseho endrika amin’izay ny fiantraikan’ny fahasahiranana lalina sy ny fahantrana vokatry ny fahaverezan’asa na ny fivelomana sy ny olana ara-tsosialy maro samihafa. Tsy ny eny amin’ny vohitr’Itaosy ihany akory no lasa faritra mena, fa efa saiky ny faritra maro manerana ny renivohitra sy ny manodidina rehetra mihitsy. Raha ho an’ity vohitra nambara no itarafana ny zava-misy, dia tsikaritra ny fanaovana an-tandrevaka ny fitandroana ny tsy fandriampahalemana. Nisy mihitsy ny fahabangana any amin’ireo “poste avancée”-ny polisy napetraka any amin’ireo kaomina eny ary tsy hita intsony ny fisafoana fanaon’izy ireo teo aloha. Nanomboka tamin’ny nidirana tamin’ny hamehana ara-pahasalamana izany.
Mifamatotra avokoa ny zava-misy eo amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina. Maivana ny hetsika ataon’ny fitondrana manoloana izany. Miharihary rahateo ny tsy fahavitan’ny fitondrana mitsinjo ny mponina rehetra ao anatin’izao krizy ara-tsosialy izao, mihalalina eto amin’ny firenena izao. Fitondrana tsy mahavaha ny olam-bahoaka.