Sôh’son
Manezaka mafy mitady famatsiam-bola avy any ivelany ity fitondrana ankehitriny ity. Idedahana mihitsy avy eo ny fahazoana volabe avy amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena. Anaovana vely aponga amin’ny haino aman-jerim-panjakana mihitsy ny amin’ny niavian’ny famatsiam-bola, ka ilazana fa nahazo fanampiana ny firenena. Tsy hotanisaina eto aloha hoe iza avy izy ireny, fa atao bango tokana ka ambara fa samy ahazoan’ny fitondrana na avy any andrefana na atsinanana na ihany koa aty Afrika. Volabe amina miliara maro izy ireny, misy miompana amin’ny tetibolam-panjakana, ary misy volabe anampiana ny firenena ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Tsy idirana ny antsipiriany, fa ny hotsindriana dia tsy fanampiana maimaimpoana ny ankamaroan’izy ireny, fa misy trosa ary tsy maintsy averina. Aman-taonany marobe no fotoana hamerenana azy, fa tsy ao anatin’izao fotoana hitondran-dRajoelina izao ihany akory. Izany hoe hampibabeny trosa ny taranaka fara aman-dimby. Tondro iray lehibe io handrefesana na misandratra ny firenena na tsia handritry ny fitondrany. Manoloana izany rehetra izany, dia azo tsorina amin’ny hoe voafatotra ary nofatorana mafy ao anaty gejan’ny fitrosana ary misoka ao anaty fahabokan-trosa ny firenena amin’izao fotoana izao. Dia hiseho hanome tarehimarika fampitahana amin’ny firenen-kafa indray avy eo ny fitondrana ilazany fa ambany noho ny an’ny hafa io trosabe io.
Niha-nitontongana hatrany amin’ny 0,8% ny taha-pitomboan’ny toekarena amin’ity taona ity, ary mety ho mbola latsaka izany aza. Raha novinavinaina hatrany am-piandohana hiakatra ho 4% mahery ary nofinofisina ho tonga hatrany amin’ny 5% mahery izany amin’ny taona hoavy, dia tsy ho tratra izany noho ity krizy ara-pahasalamana ity. Kanefa na tratra aza izany, ary raha tsy nisy valanaretina, dia fantatra tsotra izao, fa tsy hisy fiantraikany eo amin’ny fiainam-bahoaka andavanandro. Ny tarehimarika matetika lalaovin’ny mpitondra hatrany handemen-tsaina ny vahoaka. Tsy mifanaraka amin’ny zava-misy iainana tanteraka anefa ny tarehimarika ventesina. Mety ho ny toekaren’ireo vahiny mpangoron-karena eto amin’ny firenena, na ny harenan’ireo olona eo amin’ny fitondrana sy ny manodidina na hatramin’ireo mpiara-dia aminy no nitombo, fa tsy misy fiantraikany any amin’ny ati-vilanin’ny isan-tokantrano izany. Ka n’inona n’inona tarehimarika tanisain’ny fitondrana mandrapahatapitry ny fotoam-piasany, na ho tonga hatrany amin’ny 6% mahery aza, dia vilian-tsahona ihany izany. Lavitry ny afo ny kitay amin’izany hoan’ny sarambabem-bahoaka, fa ireo mpanankarena sy mpanefoefo ihany no migalabona amin’izany.
Mitanisa tarehimarika ny filohan’ny Repoblika tamin’ny alahady lasa teo. Anisan’izany ny isa tamin’ireo nisotro ny tambavin’ny fitondrana izay nolazainy ho nahatratra 7 tapitrisa. Tena marina ve izany, ary hino izany ve ny maro? Mbola miresaka isa ihany koa matetika ny fitondrana amin’ny fampitahana ny tranga misy eto amintsika amin’ny valanaretina amin’ny any ivelany. Ny zava-misy, tsy miraika amin’izany ny maro, fa ny tranga hitan’ny masony no andrefesany ny fidonan’ny valanaretina eto amin’ny firenena. Porofon’izany, sahirana ny fitondram-panjakana nandresy lahatra sy nanentana ny mponina amin’ny fepetra samihafa tokony horaisiny, ary zara ireny raha tafita raha tsy teo ny sazy isan-karazany. Ny vahoaka mijery ny zava-misy marina iainany, fa tsy izay tarehimarika entina isan’andro amin’ny haino-vaky -jery no miditra amin’ny sainy eo. Ny raisiny angaha dia izay soritr’aretina mety hahakasika ny tenany, dia izay.
Nambara ombieny ombieny, aman-taonany maro, fa ity firenentsika ity dia tany manankarena na ambonin’ny tany na indrindra ambanin’ny tany. Fa aman-taonany maro koa tsy nisy fiantraikany tamin’ny fiainany izany hoan’ilay vahoaka Malagasy. Ny zavatra toy izany no manefy miandalana ny saim-bahoaka tsy hiraika intsony amin’izay ambaran’ny fitondrana, raha tsy ohatra angaha ireo olona voatampi-maso no mbola voafitaka lava. Ny an’ny vahoaka tsy mila mihaino izay tarehimarika na atao miavaka aza, fa ny fipakan’izay nataon’ny fitondrana amin’ny fiainany isan’andro ihany no tadiaviny. Fandaniam-potoana ihany ny fitanisana tarehimarika amin’ny lafin-javatra samihafa, fa ny vahoaka efa mahafantatra izay ilainy na dia atao toy ny zaza ny hiheveran’ny fitondrana azy. Politika lany andro ny fitanisana terahimarika.