Andry Tsiavalona
Maro amin’ny Malagasy no tsy mbola mahay ny famaritana na dikan’ny voambolana « politique » izay nagasiana ho “politika”. Ny tena dikany anefa dia “hay raha” eo amin’ny fitantanana tanàna na firenena. Mitaky fahaizana lalina sy traikefa matotra eo amin’ny sehatra maro araka izany ny fisalorana ny anarana “politisiana” satria raha mirotsaka amin’ny fitantanana tanàna dia tsy maintsy manana fahalalana ny olana rehetra tsy maintsy hatrehina ary manana vahaolana mifanandrify amin’izany. Mitombo arivo, alina heny izany raha mikasa hitantana firenena.
Niantso “atidoha” (cerveaux) ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, hiaraka aminy hanavotra ity Firenena ity avy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka izay nadiany nivarinan’ny sehatra rehetra hatramin’ny taona 2009. Ny atidoha iray anefa tsy manana “hay raha” maro be fa roa aman-telo ihany. Azo nisaina amin’ny rantsan-tànana anefa no voatendry ho ao amin’ny rafitra mpanatanteraka ankoatr’izay tsy fantatra fa mety miasa mangina any ambadika any.
Raha anaovana jery todika kely ny iraika ambiroapolo volana nitantanan’ny laharana 13 ny Firenena dia tsapa sy voaporofo fa niainga tamin’ny zavatra hita mirentirenty sy mahavarina tany ivelany no nandrafetana ny “Finiavana hanandratra an’i Madagasikara”: IEM, fa tsy nitsiry avy amin’ny traikefa nananan’ny filohan’ny Repoblika nandritra ny nitantanany ny Firenena tamin’ny tetezamita. Araka izany dia tsy nisy fivoarana sy fiovàna ho amin’ny tsaratsara kokoa ny fiainam-pirenena eo amin’ny sehatra rehetra. Tsy misy zavatra maty paika sy voasaina tsara izay tenenina rehetra, ka lasa poakaty sady misavoana no tsy misy fototra iorenenany. Manampy trotraka izany ny fisaviliana ny lamasinina efa niainga tamin’ny fotoana nitondran’ny teo aloha. Na izany aza dia tsy haingam-pandeha araka ny nanantenana sy nampanantenana azy ilay lamasinina satria tsy mihodina akory ny maotera, asa na tsy misy solika na tsy ampy ny angôvo. Herintaona ngarangidina lany andro tamin’ny tetikasa nidofotra tamin’ny rindrina, na mba nanangana fotodrafitrasa izay niteraka savorovoro na ara-tsosialy na ara-kolontsaina. Nitsidika ny taona 2020 izay nantenaina fa hahazoana naoty roapolo amin’ny roapolo (20/20) kanjo ny loza efa mby an-koditra tsy nahitana vahaolana dia tonga indray ny hatambo, Covid-19, izay namaivanina satria efa vonona tamin’ny fiatrehana izany, hono, ny fitondrana sady tsy atahorana noho ny valanaretina efa nandalo teto, toy ny pesta ohatra. Ny nahavariana anefa dia nambara ny “hamehana ara-pahasalamana” ‘état d’urgence sanitaire), izay midika ho tsy misy mahazo mihetsika raha tsy manaraka ny toromarika omen’ny fitondrana.
Tsapa tokoa tato anatin’ny dimy volana fa manao izay tiany atao ny mpitondra, misy ny tsy fanajana ny zon’olombelona, ka samborina sy gadraina izay olona heverina fa mitady hisongona na hampangaina fa manozongozona ny fahefam-panjakana. Kitihana daholo izay lalàna hitan’ny mpitondra fa mety ho sakana ho azy tsy afaka hirosoana amin’ny fampivangongoana ny fahefana ho eo am-pelatanany, mba tsy hisian’ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Tsy misy governora ao amin’ny Lalàmpanorenana ary fidiana ny lehiben’ny Faritra fa tsy tendrena, itsahina ny lalàna fototra kanefa izao fitondrana izao ihany no nandrafitra ny Lalàmpanorenana ankehitriny. Voarakitra ao ihany koa fa 63 ny Loholona kanefa tsy henatra tsy tahotra fa hahena ho 18 izany satria mpomba ny fitondrana teo aloha ny maro an’isa ao ankehitriny, ka heverin-dry lokon-doranjy fa sakana ho azy eo amin’ny fampandaniana lalàna izany, ka te-ho maro an’isa toy ny tamin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita indray ireto tafaverina eo amin’ny fitantanana ny firenena ireto.
Mila rantovina fa tsy haihay foana tokoa ny fitantanana ny Firenena ary traikefa tamin’ny sehatra hafa no nalaina hany ka tsy mifanojo sy mifanipaka tanteraka amin’ny tena filàn’ny mponina tsy vakivolo sy ny sehatra rehetra misy ny tetikasa noketrehin’ny “atidoha” nantsoina.