Ny Valosoa
Ny firenena repoblikana rehetra dia ahitana ireto fahefana telo ireto avokoa dia ny fahefana mpanantanteraka, sy ny fahefana mpanao lalàna ary ny fahefana mpitsara ( pouvoir judiciaire), mikasika ity fahatelo no tiana asian-dresaka .
Nisy hatramin’ny Repoblika voalohany ny fahefana mpitsara: ”Filankevitra Ambony momba ny Andrimpanjakana “ no niantsoana azy, fa nanomboka tamin’ny Repoblika faharoa, ka hatramin’izao dia “Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana” indray no nampiasaina. Any amin’ireo firenena afrikana maro dia “ cour constitutionelle “ no fiantso ny fahefana mpitsara, fa ny antsika nanomboka tamin’ny fitondran-dRatsiraka dia nomena sehatra ny voambolana toy ny hoe “suprême na faratampony” sy ny “haute na avo” ary ny “supérieur na ambony”.
Fa raha mandinika ny nataon’ny “fitsarana avo na Hcc ” dia nisy ireo tsy nandeha araka ny tokony ho izy, ka nahatonga ny fiantsoana azy hoe : “ Fitsarana Lavo” Lavo satria tsy nijoro tamin’ny fahamarinana sy nanome rariny ny tsy ara-dalàna, toy ny tamin’ny taona 2002, nobataina tany Mantasoa ny “Hcc” dia tany no navoaka ny voka-pifidianana filohampirenena. Ny taona 2009, dia nankatoavin’ny “Hcc”, ny fanomezana ny fahefana ny filoha amin’izao fotoana izao, izay mpanongam-panjakana, taorian’ny nanoratan’Ingahy Ratsirahonana ireo andinin-dalàna peta-toko, ary ny amin’izao fotoana izao dia io tsy takona afenina io ny fankatoavana ny fifidianana, ny ampahany amin-dry 18.
Tsy ny “Hcc” ihany, fa ny ambaratongam-pitsarana samihafa eto amin’ny firenena mihitsy no tsy mandeha amin’ny tokony ho izy, niaraha-naheno ny fanambarana nentin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona momba ny tsindry mandeha ao amin’ny “Pac”, ny mikasika ireo raharaha sadasada tao anatin’ny hamehana dia tsisy resaka any amin’ny fitsarana hatramin’izao, ny momba ny “bonbons sucettes”,” colisée de la honte”, “ecran plat” sns… Voaporofo fa matoa tsy mijoro koa ireo ambaratongam-pitsarana, amin’ny raharaha mahamenatra toy ireny dia “ Fitsarana Lavo” ihany koa izany , isika eto amin’ny gazety dia tsy sasatra mampatsiahy ilay soratra mivandravandra eny amin’ny lapan’ny fitsarana manao hoe: ”ity lapa ity dia natao fikarohana ny fahamarinana sy fialofan’ny malemy ary ho andrimpirenena” , soratra lalovan’ireo , izay mandalo ao amin’ny lapan’ny fitsarana ireo, saingy matoa tsy ampiharina dia manjaka ny fahalavoana.
Fa tsy izay ihany, f’ilay lalampanorenana mihitsy ankehitriny no ”momba”. F’inona no atao hoe “momba” ? tsotra ny valiny ,” momba“ no ilazana ireo mpivady tsy niteraka, raha ny finoana malagasy dia vokatry ny fanambadiana tsy tsara tso-drano tamin-dray amandreny, na tsy nahazo ny fankatoavan’ny fiangonana no niteraka ny fahamombana, ka ny lalampanorenan’ny repoblika fahaefatra dia toy izany, noterena ho lany fa tsy nahazo ny fankatoavan’ny vahoaka, izay ray amandreny to-teny, sy ny tso-dranon’ny fiangonana, izay tsy manome rariny ny fanonganam-panjakana, satria iza no tsy mahatadidy ny herisetra nihàtra tamin’ny ray amandrenim-piangonana ny 17 Martsa 2009, niakaran-dRajoelina teo amin’ny fitondrana!
Koa raha “lavo” ny fitsarana sy “momba “ ilay lalampanorenana dia maro ireo olompirenena efa nandray ny andraikiny, toy ny Antenimierandoholona , ireo antoko politika marobe, ireo vondron’olona samihafa ary ireo firaisa-monina sivily.
Fa andrasana indrindra ireo avara-pianarana vato nasondotry ny tany eto amin’ny firenena, lohalaharana amin’izany ireo “ Grand corps de l’état”, anisan’izany ny “ Sendikan’ny Admnistratera sivily”, fantatra amin’ny hoe “Synad”, zary toa nangina tsy nandrenesam-peo tamin’ny fiampangana an’Andriamatoa Rakotonarivo Thierry “ ho nivadika ny fianianana nataony, kanefa dia hitam-poko hitam-pirenena, fa Rakotonarivo irery no sahy namoaka ampahibemaso ny tsy ara-dalàna tamin’ny fifidianana nisesy teto amintsika. Ny “Seces” ivondronan’ireo mpampianatra sy mpikaroka eny amin’ny ambaratonga ambony, raha ny tantarampirenena dia nijoro hatrany ny “ Seces” tamin’ny 1972, 1991, 2002, fa taty aoriana toa any amin’ny adivarotra eo amin’ny ora fanampiny sy famenony no andrenesana azy ireo matetika , misy ihany ny fanambarana sy fampitandremana indraindray kanefa mbola mila miroso lalindalina ireto manampahaizantsika ireto.
Tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra ny zava-misy eto amin’ny firenena, tsy ny fifidianana ireo ampahany amin-dry 18 ihany, na ny fiasan’ny fitsarana amin’ny ambaratonga samihafa nahatonga ny fanamarihana hoe;” Fitsarana lavo” sy “ Lalampanorena momba” ihany, fa ankoatr’ireo ny fitantanana ny firenena amin’ny ankapobeny mihitsy no tsy mandeha amin’ny tokony ho izy, ka ilana ny fandraisan’andraikitry ny rehetra izany ary andrandraina indrindra amin’izany ireo avara-pianarana, satria manantena ny valimbabena avy amin’izy ireo ny vahoaka malagasy nipoirany.