Noho ny ataon’ny fitondrana Rajoelina – Resy eo amin’ny lafiny rehetra ny vahoaka Malagasy

Andry Tsiavalona

Noho ny hamaroan’ny loza maro mitranga eto amin’ny Firenena dia manontany tena ny maro momba ny mety ho anton’izy ireny. Ankoatry ny fahantrana izay efa mihàtra sy toy ny tandra vadin-koditra ho an’ny vahoaka tsy mandady harona dia io tsy mety resy io ny covid-19 na dia lazaina aza fa resy io. Mbola sahy miedinedina ny Praiminisitra tamin’ny kabariny teo amin’ny Firenena Mikambana fa tena mahomby ilay « CVO-organics » satria ny sivifolo isan-jato maherin’ny marary nisotro izany dia sitrana avokoa. Ireo firenena aty Afrika nomena maimaimpoana ny CVO anefa dia tsy misy na iray aza milaza ny fahombiazany. Lafrantsa moa dia iaraha-mahalala fa mandrara ny fampidirana ity fanafody vita gasy ity any aminy. Ny eto an-toerana dia tsy misy mpividy, ka nahena ny vidiny eny amin’ireo mpivarotra nametrahana izany. Loza tsy fanta-pihaviana mitranga manerana ny Nosy koa amin’izao fotoana izao ny hain-trano etsy sy eroa, tany amin’ny Anjerimanontolo Toliara, nahamaizana trano fonenan’ny mpianatra, torak’izany koa teny Ankatso eto Anatananarivo.

Mampametram-panontaniana ihany ireny tranga ireny satria toa amin’ny fotoana tsy fisian’ny olona ao amin’ireny trano ireny no mitranga ny loza, ka niniana natao ve ireny noho ny mety ho fanasongadinan-tena ilazana fa mijery sy mihaino tsy miato ny Malagasy izao fitondrana izao. Tamin’iny herinandro lasa iny aza dia tanàna iray manontolo, any Mananjary any, no hotohoton’ny afo ka aman-jatony no tsy manan-kialofana ka mampaneno lakolosy ny olom-boafidy any an-toerana satria tsy mbola nisy fijerena ireo traboina ireo. Tamin’ity herinandro ity, araka ny vaovao azo dia itrangana “kere” indray any Atsimon’ny Nosy, distikan’Amboasary Atsimo. Efa tamin’ny fitondran’ny Repoblika IV-1 no efa nisy tetikasa noheverina fa hanala ity toe-javatra ity. Nojapian’izao fitondrana izao moa izany tetikasa izany ka nanaovana serasera goaibe ny momba ilay “pipe line”. Toy ireny tetikasa nojapiana ireny anefa dia tsy araka izay niheverana azy ny tohiny. Nankalazaina ihany koa tamin’izany fotoana izany fa ho resy ny “kere” sy ny tsy fahampian-drano fisotro madio any amin’iny faritra “milevin-drano” iny. Am-polotaona lasa izay no nalaza tany Ethiopia izany tsy fahampian-tsakafo izany, ka nahitana ankizy maro efa taolana mifono hoditra fotsiny sisa.

Toy izany no mitranga eto amin’ity Firenena ity ary misy olomboafidy mangataka fanampiana any ivelany, ka ho hita eo ihany ny ho tohiny satria efa nisy tranga toy izao dia iaraha-mahalala ny nanjo ilay manam-pahefana. Tsy mety resy sady mirongatra izay tsy izy koa ny tsy fandriampahalemana satria na eo aza ny ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana. Mazava ho azy ny antony satria eo ny lavo fa eo koa ny tafaporitsaka izay betsaka kokoa, ka manohy ny asa ratsiny. Ny zavatra tsapa dia saika mpamerin-keloka ny ankamaroany.
Resy eo amin’ny lafiny rehetra ny vahoaka Malagasy: resin’ny fahantrana, resin’ny covid-19, resin’ny fanampenam-bava, mihorohoron’ny tahotra ny asan-jiolahy,…

Etsy an-kilany kosa dia mandresy ny mpitondra satria sahy mamorona sy mampihàtra izao didy rehetra izao hifehezana sy hangejana sy hanampenam-bava ny mpampindrana fahefana azy, ka manararaotra ny hamehana (état d’urgence) hanamparam-pahefana, fanakatonana orinasa, fampidirana am-ponja. Manararaotra izany koa ny ben’ny tanàna sasany, anisan’izany ny eto an-drenivohitra, ka mandrangaranga sazy ara-ketra eto amin’ny tanàna. Mandresy ny vahoaka entiny eto an-toerana ny mpitondra, saingy tsy sahy na dia don-tandroka akory aza amin’ireo firenena fantatra fa mibodo na manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena na mangeja ny ampahan-tanin’ny tena. Misy fetrany ny fangejana sy ny faharesen’ny mpiray tanindrazana satria ny fahoriana, hono, mahazaka maniraka.