Fiainam-pirenena – Voahetraketraka ny vahoaka tompom-pahefana

Sôh’son

Tafiditra amin’ny fiainam-piarahamonina manahirana sy sarotra ny firenentsika amin’izao fotoana izao. Raha ny vanim-potoana sy ny fivoaram-piainana no jerena, dia ny ankehitriny, amin’ity fitondrana repoblikana faha-4 ity no nampahory ny vahoaka malagasy indrindra. Na maniry toy ny anana, na mitombo izaitsizy aza ny mpanakanto mpihira sy ny tarika samihafa na ireo mihirahira eny rehetra eny sy manerana ny Nosy, dia tsy manana ary tsy mitovy amin’ny toe-tsaina sy ny toe-po ary toe-panahy mihitsy amin’ny nananana na niainan’ireo Malagasy tany amin’ny vanim-potoanan’ny faha-mpanjaka, indrindra tamin’ny andron’Andrianampoinimerina, ohatra. Toy izany koa ny niavahan’ireo mpanao kalon’ny fahiny izay namorona sy nanandratra hira tsy lefy laza mandraka ankehitriny. Ny ankehitriny kosa teren’ny hazakazaky ny adim-piainana sy fahasahiranana isan-karazany, mbamin’ny rotoroton’ny fanatontoloana…

Anisan’ny sehatra iray lehibe mampahory ny vahoaka, ny amin’ny resaka herisetra. Saika mahazo vahana io eto amin’ny firenena, ary saika iharan’izany avokoa ny sokajin’olona rehetra. Miseho amin’ny endrika maro samihafa izy fa tsy voatery ho mivantana ara-batana ihany, ka isian’ny fikasihin-tànana sy mety hiafàra amin’ny fandratrana sy vono olona. Io resaka io dia hihariharian’ny firongatan’ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena, ary samy mahalala izany avokoa, satria saika isan’andro vaky no itrangan’izany. Mampiferin’aina ny vahoaka io lafiny io ary mampitoetra azy ao anaty tebiteby sy mandry tsy lavo loha andro aman’alina. Ny eto Madagasikara, indrindra eto an-drenivohitra, angamba no anisan’ny tanàna be vavahady indrindra maneran-tany. Saika isaky ny fokontany sy faritra kely ao anatiny dia nametahana vavahady avokoa ny elakelan-trano. Mariky ny fisian’ny firongatry ny herisetra izany sy vahaolana hitan’ny mponina iarovan-tena manoloana izany. Olana lehibe iray tsy mbola voavahan’ny fitondrana ankehitriny io herisetran-jiolahy io.

Fa tsy voatery mivantana ihany ny herisetra, fa mety hiseho amin’ny endrika an-kolaka. Anisan’ny mandratra anaty ny herisetra ara-tsaina. Ao anatin’izany ny fampihorohoroana sy fampitahorana atao amin’ny olona. Zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny io tranga io, ary iainan’ny vahoaka. Feno “fefy misy tsilo mandratra” ny zotram-piainan’ny vahoaka. Fefy izay nofaritan’ny mpitondra fanjakana isan-tsokajiny, izay tarihan’ny filoha Andry Rajoelina ary metimety sy mifanaraka aminy. Maro ny olom-pirenena no feno tahotra mandia ao anaty izany “làlana tery” izany. Dia ireny hita eny amin’ny fahitalavitra ireny indraindray ny tsy fahasahiana miseho tanteraka rehefa miteny, na misy koa aza tena tsy mety hiteny mihitsy, fa matahotra, sns…

Miendrika herisetra ihany koa, ny manao amboletra amin’ny safidim-bahoaka. Tsikaritra izany, indrindra tato ho ato, ataon’ireo olom-boafidy na olom-boatendry ao amin’ireo andrim-panjakana eto amin’ny firenena. Misy lalàna izao, izay tokony hakàna ny hevi-bahoaka, anefa dia izy ireo no manapaka fotsiny izao fa tsy nieràny tamin’ilay vahoaka nampindrana azy ny fahefana. Ny fanosihosena ny rariny sy hitsiny atao amin’ny vahoaka, ka anaovana tian-kano tsy tian-kano, satria izay no tian’ny mpitondra, dia hetraketraka izany, ary misy izany eto. Namaky bantsilana izany vao tsy ela ny fiarahamonim-pirenena iray, ny amin’ny fisian’ny tsy ara-drariny na “injustice” eto amin’ity firenena ity…

Ireny santionany misongadina ankehitriny ireny sy ireo endrika samihafan’ny herisetra mihàtra amin’ny vahoaka Malagasy ireo no ilazana fa ory ity vahoaka Malagasy ity amin’izao fotoana izao. Tsy mahantra fotsiny ianjadiam-pahasahiranana lalina izy fa ory ihany koa. Niha-nanalavitra ny sarambabem-bahoaka ny fiainam-piadanana. Fihafiana no iainany andro aman’alina, ary toa izany manjo azy izany no anararaotana azy, ka hampivesarana azy an’izao zavatra samihafa rehetra izao. Tsy rariny izany. Marihina fa andro iraisam-pirenena ho fanoherana ny herisetra omaly 2 oktobra.