Finoana – Pasitora Dr Rakotozafy Denis no filoha vaovaon’ny FLM

Pasitora Dr Rakotozafy Denis Filoha vaovaon'ny FLM (2020)

Pasitora Dr Rakotozafy Denis no filoha vao-vaon’ny FLM, na ny Fiangonana Loterana Malagasy.

Vita afak’omaly nandritra ny KSL, na ny Komity Synôda Lehibe atao any Mahajanga ny fifidianana izany filoha vaovaon’ny FLM. Nandritra ny fifidianana in-4 nihodina no nahavoafidy ity filoha vaovao ity. Tanterahina ao amin’ny FLM Tsaraman-droso Mahajanga tokoa ny Komity Synaoda Lehibe faha-23 an’ny Fiangonana Loterana Mala-gasy (FLM).

Nahazo isam-bato ambony indrindra: 320/483, taorian’ny Fihodinana faha-4, ary voafidy ho Filohan’ny FLM i Pastora Dr Rakotozafy Denis, hitantana mandritra ny efa-taona ity fiangonana iray ao amin’ny FFKM ity.

Telo no kandida, dia i Pastora Dr Rakotozafy Denis, Pastora Dr Randrianjaka Olivier ary Pastora Andrianjafy Octave Bénil.

Pastora Andrianjafy Octave Bénil, filoha lefitry ny FLM no niakatra ho Filoha nitantana sy namarana ny taom-piasan’ny birao foiben’ity fiangonana lehibe, iray amin’ireo mandrafitra ny FFKM ity taorian’ny nafahatesan’ny Pastora Dr Rakotonirina David, filoha tompon-toerana, ny 11 jolay 2020 lasa teo. Nitandrina tao amin’ny FLM Tanjombato Antananarivo i Pastora Dr Rakotozafy Denis.