EDITO 24 Novambra – Fiarahamonina mikorosy fahana – Tsy misy vahaolana ny fitondrana

Sôh’son
Miseho lany ny endriky ny fikororosy fahan’ny fiarahamonina eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Mifangaro ao anatin’izany ny fahalovana sy ny faharatsiana isan-karazany, izay maneho ny fivilian-dalan’ny firenena miàla amin’ny maha izy azy, dia ilay soatoavina maha Malagasy ny Malagasy hatramin’izay. Ilay fanahy maha olona nohajain’ny Malagasy sy nomeny hasina ambony mihitsy, no voatohintohina tanteraka amin’izao fotoana izao. Mampirotsaka ranomaso ireo raiamandreny mahazo taona mbola manana ilay faka namàka lalina tao anatiny ny amin’izay soatoavina izay, sy ny fahatsiarovana ny fiainana feno fahendrena nananan’ireo Ntaolo fahiny ny fahitana ny zava-misy. Ary mampisento ireo olom-pirenena izay mbola naharay ny fanilo nampitain’ireo raiamandrenibe izany fahasimbam-piarahamonina izany. Ho aiza no hiafaràn’ity firenena ity?

Tsy tongatonga ho azy na kisendrasendra ny zava-misy mavaivay mandoro ny fiainam-piarahamonina ankehitriny. Ho an’ny mpandinika sy ireo mahalala, dia tato anatin’ny folo taona farany no tena nihazakazaka ny fahapotehana ara-kolontsaina sy ny toe-tsaina nirona nankany amin’ny fahalovana sy ny faharatsiana. Andian’olombitsy, miray tendro amin’ny vahiny, no namafy leson-dratsy teto amin’ny firenena noho ny fikatsahana fahefana ahafahana mangorona tombontsoa manokana, ka izay vokany any dia vokany. Tsy olana ho azy ireo ny hiafaràn’ny firenena, fa ny tanjony no voalohany aminy. Nahazo vahana ny gaboraraka teo amin’ny sehatra rehetra, fa ny hany noezahina nofehezina sy nahamaika azy, dia ireo olona rehetra sy fikambanana na antoko politika manohintohina izay nokasainy izay.

Ny zava-misy ankehitriny dia toy ny fipoahan’ny “vanja nalevina” tamin’ny fotoan’androny izay, ary efa nahamahina ny mpamakafaka ny fiainam-pirenena ny hisian’izany, toy izao, aty aoriana. Misy mihitsy aza ny milaza, fa mbola vao fiandohany izao. Resaka ka mba hatao ny an’ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) nilaza ny amin’ny hoe miaro ny tsy hisian’ny korontana eto amin’ity firenena ity izy, fa ny toe-javatra toy izao, na hamadika ny bokin-dalàna ananany rehetra sy ny fara-fahaizana aza izy, tsy hahay hifehy izao fikororosy fahana mitranga eto amin’ny firenena izao. Izy aza indraindray no heverin’ny maro ho manangona ny bozaka hirehitra amin’ny fotoanany raha ny fahitana ny zavatra ataony mandraka ankehitriny.

Hatreto, tsy hita izay fihetsiky ny fitondrana hisakanana aloha ny fitotonganana. Tsy mahavaha ny olana fototra ny fihetsiketsehana etsy sy eroa ataony, satria efa miha-lalina ny “fery”. Matetika aza no atao izay hampiongom-paka ilay firenena Malagasy, ka hampihiniana hikimpy izy hisaina zava-baovao mifamatotra amin’ny tsio-drivotra voizin’ireo firenena mifanohitra aminy ara-pomba amam-panao. Hetraketraka izany.