Ny Valosoa
Tsy nisy mafy toa an-dRatsiraka fa rehefa natodiny tany amin’ny vahoaka ny vava basin’ny miaramila dia niongana ihany. Ny ambara hoe miaramila eto dia izy telo tonta mpanao fanamiana sady mitam-piadiana, dia ny Tafika izay misalotra ny teny filamatra hoe :”Ho an’ny tanindrazana”, sy ny Zandarimariampirenena miravaka ny teny filamatra hoe :” Tanindrazana sy Lalàna” ary ny Polisimpirenena miambozona ny teny filamatra hoe :”Tanindrazana sy Filaminana“
Hita sy miverina foana ny teny hoe: “Tanindrazana” izay midika fa manana ny hasiny ny tanindrazana, ary ireo Miaramila ireo dia samy nanao fianianana teo ambanin’ny fanevampirenena vao nandray ny asany, ary misy ihany koa ny teny filamatra iraisan’ny telo tonta izay manao hoe :”Hiaro ny vahoaka sy ny fananany”, izay nahatonga ihany koa ilay fiantsoana hoe “Tandroka aron’ny vozona”, mazava arak’ireo voalaza ireo fa ny vahoaka no tompon’ny tanindrazana mendrika fiarovana.
Ireo notanisaina teo ireo no lalàna fototra ijoroan’izy telo tonta, saingy ny mampalahelo eto amintsika, dia misy ny lalàna izay azo lazaina ho zandrin’ireo, kanefa tsy manaiky gisitra eo amin’ny fampiharana azy, toy ny hoe:”tsy maintsy tanterahana ny baikon’ny ambony noho ny tena”, fa ny tena zava-doza manjo ny telo tonta dia ny fitsabahan’ny resaka politika sy ny resa-bola, rehefa ireo no mahazo laka dia hadino ny tanindrazana, very hasina ihany koa ny fanevampirenena, ary lasa toy ny tsy misy ny vahoaka , fa dia zary manompo mpanao politika ireo mpanao fanamiana, sady nisy koa ny andian-tafika najoro tamin’ny fitondrana nifandimby natao hiaro ny mpitondra no asany.
Efa nitranga izany tamin’ny 13 mey 1972, satria nanao herisetra tamin’ireo mpianatra tetsy Analakely ireo FRS, izay miaramila mpiaro ny mpitondra tamin’ny Repoblika voalohany, niafara tamin’ny fialan’ny Filoha Tsiranana izany, satria navadiky ny basy marovava jiosy natodika tany amin’ny mpianatra ireo mpitondra, nampiasa hery koa ny RESEP, ireo miaramila mpiaro ny fitondran-dRatsiraka tamin’ny 10 Aogositra 1991, niafara tamin’ny fialan’ity filoha goavana ity koa izany, fa hafa tsy toy izany ny niseho tamin’ny 2009, satria nisy ireo vahoaka nofitahina nentina nihantsy ireo miaramila sady nanani-dapa, nirefotra ny basy, saingy tsy ny mpitondra no nampanao izany, fa sarin’adin’ireo mpanongampanjakana ihany, nentina nandotoana ny Filoha Ravalomanana, mbola ireo basy marovava jiosy ihany no nampiasaina namonoana vahoaka, niafara tamin’ny fialan’ity Filoha lanimbahoaka ity izany, satria tafiditra tao amin’izy telo tonta dia ny tafika sy ny zandary ary ny polisy ny resaka politika maloto sy ny resa-bola mahamenatra. Nahazo fahefana ny filoha ankehitriny ary nitondra ny tetezamita nandritra ny dimy taona, ary mbola izy koa no mitondra nanomboka tamin’ny taona 2019, ka tsy miova ny fomba fiadiny fa dia ny miantehitra amin’ireo mpanao fanamiana sy mitampiadiana.
Efa miova ny sary araka ny fitenin-jatovo, efa miha-tonga saina na ny vahoaka natao ho arovana na ireo miaramila natao hiaro, satria samy mahatsapa ny andaniny sy ny ankilany, fa hevi-diso ny tamin’ny 2009 izay nahakizo fara ny firenena hatramin’izao, sady mbola mihevitra ny hampiasa ireo tandroka aron’ny vozona amin’ny tsy mahasoa ny tanindrazana ny mpitondra ankehitriny, kanefa dia tsy maintsy ho vizana amin’izany hevitra taingina izany, satria tsy nisy mafy toa ny Filoha Ratsiraka anie teo amin’ny fifehezana miaramila, kanefa niongana ihany e!
Aoka tsy hohadinoina fa ny Amiraly Ratsiraka Didier Ignace ihany no niravaka ny galonan’ny kintana dimy teo amin’ny tantaran’ny tafika malagasy hatramin’izay, ka hatramin’izao, voafehiny tanteraka ny ambaratongam-pahefana rehetra tao amin’ny foloalindahy: tafika sy zandary ary ny polisimpirenena, ny rafi-pitsarana manontolo nanaiky azy, ny andrimpanjakana rehetra dia olony avokoa hatreny an-tampony ka hatrany amin’ny fokontany, fa rehefa diso fitodika ny vavabasy dia tsy maintsy nitroatra ny vahoaka dia vizana ihany ny “Deba”.
Ny fitondrana amin’izao fotoana izao, izay voafidy tamin’ny lisi-pifidianana feno “doublon”, tsy mahomby eo amin’ny fitantanana ankapobeny, navotan’ny fisian’ ny koronaviriosy, izay tranga sitrany ahay azo nanilihana ny tsy fahombiazana.
Aleo dia tsorina fa tao anatin’ny 60 taona tsy mbola niaina fahasahiranana toy ny amin’izao fotoana izao ny malagasy, ireo mpitondra anefa dia migalabona amin’ny volambahoaka, sady tsy sasatra ny mampanantena tsy misy, mbola mandainga sy manosihosy ny lalàna velona eto amin’ny firenena, satria mahatoky manana ny HCC sy ireo solombavambahoaka maro an’isa vonon-kiaro hatrany, miampy ireo mpanao fanamiana sy mpitam-piadiana izay baikoana ampitodika ny vavabasy any amin’ny vahoaka leon’ny jadona sy ireo vonon-kijoro hanohitra ny tsy rariny sy ny fanamparampahefana eto amin’ny firenena.
Samia velon’aina ahita ny tohiny.