Sôh’son
Misasaka ny volana desambra, miha-antomotra hatrany ny fiafaran’ny taona sy ny figadonan’ny taona vaovao 2021. Azo heverina fa efa misy amin’ireo mpanefoefo, ireo mpitondra fanjakana ambony samihafa, ireo eo amin’ny fitondrana, no manomana dia any ivelany hifety sy higalabona amin’ny harem-be eo am-pelatanany, na azo lazaina fa mbola mikatona aza ny sisintanin’i Madagasikara, noho ny valanaretina coronavirus misy eto amintsika, sy ny fidiran’ny aretina amin’ny dingana faha-2 any Eoropa sy any Etazonia ary any amin’ny faritr’i Azia iny. Efa nisy izany fivoahan’ny mpitondra izany ary mbola hisy, raha ny fahitana ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Vitan’ireo tompon’andraikitra sasany ny minia mikimpy anoloan’ny fahantran’ny vahoaka iandreketany, ka ilaozany manao fiainana any ivelany toy ny amin’izao vaninandro izao.
Indraindray, fanaon’ny fitondrana ny manary dia ny sarambabem-bahoaka amin’ny fametrahana renty sy jiro manjelatrelatra eraky ny tanàna amin’izao fetin’ny faran’ny taona izao. Ny maso fotsiny anefa no mahita fahafinaretana, fa ny kibo mitofezaka iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo. Saika ny ankamaroan’ny Malagasy izao no tsy mihinana sakafo ampy kalitao sy otrikaina, fa zara raha mba mihinana. Raha 2500 kcal isan’andro amin’ny salanisa no ilain’ny vatan’olombelona, dia ny maro an’isa tsy mahatratra izany akory. Mazava loatra fa misy fiantraikany amin’ny herim-batany sy ny fivelaran-tsainy izany.
Samy manoman-tsaina sisa ny ambanilanitra amin’ny hiatrehana ny sondrobidim-piainana tsy misy fitsaharany. Ny sakafo fanjifa andavanandro mihitsy no lasibatry ny fiakaram-bidy mavaivay. Ny arina fandrehitra efa niala maina ny fitondrana fa tsy nahita afitsoka. Ny vahaolana entin’ny fitondrana efa matetika “mpitsabo aorian’ny fahafatesana”. Efa voadona mafy amin’ny fiainany ilay vahoaka vao mihazakazaka ny fitondrana, toy ny zava-nitranga, izay niaraha-nahita, tany atsimon’ny Nosy. Ny tany amin’ny faritra atsimo ireny no endrika faratampony, fa tsy latsak’izay no mitranga isam-paritra. Misy olona noana lava manerana ny Nosy. Tsy vahaolana mahomby anefa ny “kaly tsinjo”, idedahana ankehitriny, ho an’ny mpandinika.
Maro ny olana atrehin’ny vahoaka eo amin’ny fiainana andavanandro. Anisany iray lehibe amin’izany koa ny fitateram-bahoaka. Tato anatin’ny roa taona io sehatra io, tsy nisy fihatsaràny na kely aza. Miseho ho mahay noho ny hafa ity fitondrana Rajoelina ity. Tsy mihoatra noho ny hafa anefa izy, porofon’izany ity sehatra ity. Vao mainka aza ilay vahoaka mijaly mafy noho ny afitsoky ny mpitatitra. Azo ilazana ny tsy fahombiazan’izao fitondrana izao koa izany. Ho krizy ny ankamaroan’ny vahoaka amin’izao fiafaran’ny taona izao, mbola hiha-mafy anefa izany amin’ny taona ho avy 2021 io. Izao ny vary ny ankamaroany mihoatra ny 550 Ar avokoa ny kapoaka, ankoatra ny vary stock izay nafaran’ny fanjakana, faritra maro eto amin’ny Nosy ihany koa no efa mananika ny 1000 Ar ny kapoakan’ny vary. Amin’ny taona ho avy io koa vao tena hiantraika ny vokatry ny krizin’ny coronavirus nandritra ny 7 na 8 volana izay teto amintsika, izay vao tena ho hita amin’ireo orinasa ny vokatry ny tsy niasany nandritra ny volana maromaro izay, na niasa ihany izy ireo fa tsy araka ny vokatra tokony ho tena azony no misy hatreto.
Arak’izany, ny krizin’ny tsy fisian’asa dia mbola hitoetra ihany amin’ny taona ho avy io. Mbola ahiana koa anefa ny hidiran’ny Nosintsika amin’ny dingana faharoan’ny valanaretina coronavirus amin’ny taona ho avy io, hatramin’izao mbola misy ireo lavo, tsy vitsy ireo tranga vaovao, mbola an-jatony ireo marary manaraka fitsaboana. Tsy ho zaka intsony kosa angamba ny fihibohana raha tonga tokoa ny tokoa!