Ny Valosoa
Fitondrana Rajoelina sy ny forongony, aza lalaovina ny ain’ny vahoaka Malagasy, hoy ny tao amin’ny fandaharana iarahan’ireo Radio tsy miankina, na ny fandaharana Miara-Manonja. Raha tsy olona vonona hamono ve dia hanafatra fitaovampiadiana raitra toy ireny nasehon’ny filoha Andry Rajoelina tao amin’ny CCI Ivato ny volana novambra 2018, fony izy mbola kandidà, sy tamin’ny matson’ny 26 jona ireny. Mbola ho hita amin’ny alatsinainy 18 janoary ho avy izao ao amin’ny lapan’Anosikely ny tatitra amin’ny mpanao gazety, izay ho ataon’ny loholona amperinasa ankehitriny. Tsiahiavina fa nanangana vaomiera manokana efatra izy ireo nentina nanadihadiana raharaha efatra dia: ny resaka ‘doublons’ tamin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana, ny resaka fanampiana ivelany amin’ny ‘coronavirus’, ny resaka vonoan’olona tany Farafangana ary ny fampidirana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna. Dia ho hita eo izany amin’ny herinandro ho avy.
Voaresaka tao amin’ny fandaharana ny fiverimberenan’ny fomba filalaovan’i Andry Rajoelina ny ain’ny Malagasy, raha tsy hilaza ny famporisihana nataony tamin’ny taona 2009, ireny nanosika vahoaka hanani-dapa hiditra faritra mena ireny. Olona maro no namoy ny ainy ary na dia nafatratra tany amin’ny filoha Ravalomanana aza ny andraikitra dia fantatra fa efa tsikombakomba izay nanomanana olona ivelan’ny lapa hitifitra ireto vahoaka. Mbola hivoaka ny marina rehetra.
Dia hitantsika iny indray ny fitaovam-piadiana raitra nampidirina teto an-toerana, tsy fantatra hoe tamin’ny fomba manjavozavo, nentina nilazàna fa hiadivana amin’ny dahalo. Kanefa roa taona mahery nitondràna izao i Andry Rajoelina, fa dia olona mitsoa-ponenana noho ny asan-dahalo sy ny mosary no zava-mitranga. Tsy hita eny amin’ny toerana fanafihan-daholo mihitsy ireny fitaovam-piadiana raitra ireny, fa ety an-tanàn-dehibe no entina ampitahorana ny vahoaka sy andrahonana ny mpanohitra.
Mbola tsikaritra indray izany filalaovana ny ain’ny Malagasy izany amin’ny fitantanana ny ady amin’ny ‘coronavirus’. Voalohany aloha dia fahadisoana lehibe ny tsy nanidiana ny sisintany, ka namelàna ny olona nitondra ny valanaretina hiditra teto amin’ny firenena. Niparitaka tany anaty ny tambazotra serasera ny isan’ny antony tamin’izany, dia ny famelàna ny fianakavian’ny akama akaikin’ny filoha hiverina avy any an-dafy, izay nanatrika fanambadiana.
Fa dia nitohy ihany izany tamin’ny fanaovana ‘bizina’ ny ‘coronavirus’, ka namoronana ity ‘COVID-Organics’ na ‘CVO’ ity, nampisotroana ny rehetra sy nanerena ny ankizy tany am-pianarana. Tsy hita izay vokany, fa mbola eo ihany ny aretina, izay nodradradradraina fa voafehy. Ankehitriny dia anaovana dokam-barotra indray ny ‘CVO+’, hampandehanana ny orinasa Pharmalagasy, izay tsy mazava koa ny fananganana azy. Iavonavonana ny fanampiana ataon’ny firenena ivelany amin’ny vakisiny.
Mandeha ny eritreritra tamin’ireny vanim-potoana namoriana olona ireny, toy ny mpanakanto ‘Jerusalem’ nafarana hanao fampisehoana, izay namory olona aman’hetsiny. Tsy nisy ny aro vava ary nitety tanàna nifanoroka tamin’ny olona maro. Tsy nisy ny fampitandremana avy tamin’ny fitondrana, fa toa namporisihana aza ny vahoaka hifanosona. Toy izany koa tamin’ny fihaonan’ny Barea izay natrehan’ny filoha Andry Rajoelina izy tenany mihitsy, tsy misy aro vava. Dia mbola nisy koa ny fampisehoana tao Antsonjombe. Dia lasa ny eritreritra hoe tsy famonoana olona ve izao ataon’ny filoham-pirenena izao hoy ireo mpanao fanadihadiana tao amin’ny Miara-manonja? Efa nisy ny nilaza fa mpamono olona ny fitondrana Andry Rajoelina tamin’ireny fampitangoronana olona ireny tamin’ny volana aprily 2020, ary fanagadràna mpanao gazety indray no setrin’izany, fa tsy fanamboarana ny tsy mety.
Hatramin’ny oviana no mbola ilalaovan’i Andry Rajoelina sy ny forongony ny ain’ny Malagasy. Rehefa voafehiny angaha ny lalàna sy ny herimpamoretana dia heveriny fa tsy maty manota mandrakizay izy ireo? Tsy misy atahorana hoy ny talen’ny seraseran’ny fiadidian’ny repoblika, Rinah Rakotomanga. Fa hoy kosa ny tale lefitry ny Central Intelligence Agency (CIA: mpitsikilon’ny be kintana), izay tonga manampy ny Interpol (Polisy iraisampirenena) amin’ny resaka fanondranana volamena antsokosoko hoe: ampy izay fiharetana izay manoloana ny fanaovan’ireo mpitondra ao amin’ny faritra atsimon’i Afrika ampihimamba, sy ny heloka ara-toekarena izay nampahantra ny mponina sy nampivadika ambony ambany ny toe-karena erantany. Fanontaniana mipetraka amin’izao ho an’ny fitondrana Rajoelina sy ireo forongony: “Mbola ho lalaovinareo ela ve ny ain’ny Malagasy?”