Ny Valosoa
Tsy mamely ny ministry ny fanabeazam-pirenena sy ny ekipany, vao mainka hilentika ny fampianarana eto Madagasikara. Io no nambaran’ny mpanabe tafaresaka tamin’ny gazety, na avy amin’ny sehatra tsy miankina io, na ireo mpampianatra mpiasam-panjakana.
Ato anatin’ny telovolana faharoa ny fampianarana eto amintsika ankehitriny. Hatreto dia mbola tsy nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny datim-panadinana CEPE, BEPC, BACC. Tsy mbola nisy toy ity hatramin’izay nanaovana, hoy ny fomba fiteny ankehitriny. Ny
mahazatra hatramin’izay, ary izay no mety sy tsara, dia vao mitsidika ny fanombohan’ny taon-tsekoly, na mbola tsy manomboka akory aza dia efa voafaritra miaraka amin’izay koa ny datim-panadinam-panjakana. Izany no natao dia hahafahana mandrefy sy mandrindra ny fomba hamitana ny programam-pampianarana ary hijerena ny ambim-potoana hahafahana manao ny famerenana ho an’ny mpianatra. Saingy hatreto aloha izany dia mandeha an-jambany ny mpampianatra sy ny mpianatra.
Etsy andaniny dia natao zero ariary ny sara naloa tamin’ny fampidirana mpianatra tamin’ny sekolim-panjakana tamin’ity. Vokatr’izany koa anefa dia hita fa tena zero ny kalitaon’ny fampianarana aroso amin’ny maro amin’ireny sekolim-panjakana toy ny EPP sy CEG ary lycee ireny. Mpianatra mitorovoka amin’ny tany, tsy misy dabilio, tsy misy tabilao hanoratana, efitrano tsy mitafo… Izany no santionany amin’ny iainan’ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana ankehitriny, na dia tsy lavitra ny renivohi-paritany akory ary ny sasany amin’ireny.
Ankoatr’izany dia misy ireo kilasy iray ahitana hatramin’ny mpianatra
80 mahery ny iray kilasy, noho ny tsy fahampian’ny mpampianatra, na ny efitrano fianarana. Etsy ankilany anefa dia naorina amin’ny toerana vitsy, mba hidedahan’ny mpitondra fanjakana, ny sekoly manara-penitra, izay tsy handraisana afa-tsy ny mpianatra mahay ihany, hono. Mbola tsy fantatra koa anefa hatreto ny fomba nifantenana na hifantenana ny atao hoe mahay. Fa ny misy ary ny betsaka aloha hatreto dia ny mpianatra sahirana sy mahantra, tsy mahaloa saram-pianarana, ka tsy afaka hianatra raha tsy any amin’ny sekoly tsy andoavam-bola toy ny an’ny fanjakana. Anisan’ny mahay daholo anefa ve ireny, ka ho tafiditra amin’ireo sekoly manara-penitra izay najoro? Ny fahita mantsy hatreto dia rehefa mahantra sy tsy ampy fitaovana, tsy ampy sakafo ny mpianatra dia misy fiantraikany foana amin’ny fivelaran’ny sainy sy ny fari-pahaizany izany.
Mpianatra nivoaka ho mpampianatra
Manoloana izany tsy fahampian’ny mpampianatra izany anefa dia niseho masoandro ihany koa ny fitokonan’ny mpianatra nivoaka ho mpampianatra, tao amin’ny ENS, na Ecole Normale Supérieure, izay tokony hotendrena hampianatra amin’ny sekolim-panjakana niveau 2 sy niveau 3. Tsy ampy ny mpampianatry ny fanjakana, saingy indreo misy nivoaka ho mpampianatry ny fanjakana, maro, tsy omena toerana. Teny an’avona sy tena fanambaniana aza no nataon’ny mpitondra tenin’ny prezidansa raha nilaza fa “raha manaiky hampianatra amin’ny EPP ianareo ireo dia horaisina daholo”. Toy ny hoe indreo misy olona nahazo diplaoma momba ny fanamoriana fiaramanidina dia antsoina hoe raha hitarika posy sy sarety ianareo dia horaisin’ny fanjakana daholo!
Etsy andaniny moa raha voalaza ombieny ombieny ny atao hoe partenariat, na fiaraha-miombon’antoka sy fifanoloran-tanana eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina dia natsahatry ny fanjakana nanomboka ny 2020 teo ny fanomezana subvention ny mpampianatry ny sekoly tsy miankina, nefa dia vola kely dia kely, latsaky ny 5 alina ariary isaky ny mpampianatra isan-taona no fanome hatrizay. Ekena fa kely izany, nefa mba fanehoana fa mifanohana sy miara-mandray anjara amin’ny fanabeazana ny fanjakana sy ny tsy miankina, fa tsy vitan’ny fanjakana samy irery izany. Nofoanana izany ankehitriny nefa efa nataon’ny mpitondra teo aloha rehetra, hatrany amin’ny repoblika faharoa.
Ny fanamian’ny mpianatry ny sekolim-panjakana sy ny fanomezana kitapo isaky ny mpianatra ambaratonga voalohany tamin’ny andron-dRavalomanana moa dia tena tsy vitan’ny mpitondra ankehitriny mihitsy hatreto, na dia eo aza ny fomba rehetra hanaratsiana sy hisongonana ny vitan-dRavalomanana. Sekoly vitsy dia vitsy no mba notolorana ireo fitaovana sy aron’akanjo volomboasary ho an’ny mpianatra.
Farany dia iaraha-mahalala, fa tsy mba nahazo tamin’izay tosika fameno na vatsy tohana manokana ho azy ny mpampianatry ny sekoly tsy miankina, na nahazo aza ny saofera, resevera, hatramin’ny mpivaro-tena, sns…
Ireo no santionany amin’ny zava-miseho amin’ny tontolon’ny fampianarana ankehitriny. Ankoatr’ireo dia tsy misy tsy mitaraina ny talen’ny sekoly tsy miankina, fa tena nihena ny mpianatra niditra nianatra tamin’ity 2020-2021 ity noho ny fahasahiranana ara-bola
mianjady amin’ny ray aman-dreny maro. Tsy niverina hoy izy ireo ny 20 isan-jaton’ny mpianatra. Manginy fotsiny ny tahotra sy ny horohoro mianjady amin’ny sekoly sy ny mpampianatra ny amin’ny mety ho fiverenan’ny andiany faharoa indray amin’ny fihibohana noho ny valanaretina corona virus. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe hizotra tsara ihany ve ity taon-tsekoly ity? Sa dia hidiran-doza sy aretina indray, nefa ny mpitondra, araka ireo voalaza eo ambony ireo dia tsy manana afa-tsy vahaolana peta-toko sy tena “tsy mandeha amin’izay izy” raha ny sehatry ny fampianarana no jerena hatreto!