Ny Valosoa
Tapitra ny fotoam-piasan’ireo Loholona 63 teo aloha, ka tsy maintsy handao ny Lapan’Anosikely izy ireo, nandimby azy ireo, ireo Loholona vaovao 18, izay efa nahavoafidy ny filohany dia Andriamatoa Razafimahefa Herimanana.
Ny firafitry ny mpikambana ao amin’ny birao maharitra dia nisy fiovana, satria 3 sisa ireo filoha lefitra, izay notsinjaraina ho toy izao, iray ho an’ireo faritany avy amin’ny faritra avaratra, iray ho an’ireo faritany avy amin’ny faritra atsimo, ary ny iray hafa dia ho an’ny antoko mpanohitra hono. Somary mampihomehy ity filazana hoe antoko mpanohitra ity, satria ny MMM angaha moa efa sokajiana ho mpanohitra. Tsorina fa kajikajy politika ilay izy ary ny tena loza dia ny HCC no hanome ny fankatoavana an’ilay firafitra, izay midika fa handray fanapahan-kevitra politika indray ry zareo fahefana mpitsara ao Ambohidahy.
Ankoatr’izany dia noferana ho iray isanisany ihany koa ny kestora sy ny mpampakateny, ary vaomiera telo sisa no hisy ao Anosikely.
Fa tamin’ ireo loholona 6 notendren’ny filohampirenena dia nantitranterina tamin’ny fampahalalambaovao, fa nisy mpitsara 3 tamin’ireo vao notendrena.
Zava-dehibe tokoa ny fahasahiana nanendry ireo mpitsara ireo, satria fahefana mpanao lalàna ny Antenimierandoholona, rariny raha mpitsara no omena toerana ao, sady ny Antenimierandoholona koa ilay ambara amin’ny teny frantsay hoe : “ chambres hautes”, manana andraikitra goavana eo amin’ny fanaovana lalàna.
Koa manantena ny vahoaka Malagasy, fa hanome aina io andrimpanjakana mpanao lalana io ny fisian’ireo mpitsara telo ireo, azo antoka izany, fa ny fanapahankevitra hivoaka ao Anosikely, dia hifanaraka amin’ny lalàna mahasoa ny vahoaka, fa sanatria tsy ho toy ny eny Tsimbazaza, izay teren’ny baikon’antoko ireo maro an’isa.
Fa ny tena andrandrain’ny vahoaka malagasy leon’ny hosoka sy herisetra, dia ho raisin’ireo loholona vaovao an-tanana ny fanohizana ny fanadihadiana momba ireo raharaha 4 mafanafana, izay efa natombok’ireo loholona teo aloha, ary raha ny tokony ho izy dia mbola handeha lavidavitra kokoa aza ny fandalinana satria, ireo senatera nisahana ny vaomieram-panadihadiana dia tsy nisy mpitsara na dia iray aza, kanefa dia nahavita dingana lehibe, mainka f’ireto loholona izay ahitana mpitsara ve dia ho ambaka?
Hetahetambahoaka te-hanana firenena vanona ny fiandrandrana ny fahasahian’ireo loholona mpitsara hijoro hiaro ny fahamarinana, ary tsy misy maniry ny ratsy ho an’ity firenena ity, saingy mamosavy ihany ny eritreritra raha mandinika ny zava-niseho tao anatin’izay roa taona nitondran’Ingahy Rajoelina izay, ka maro ireo alaim-panahy hieritreritra hoe omen’Ingahy Filoha toerana ireo mpitsara ireo, hiaro amin’ny fandikan-dalàna ataon’ny fitondrana foibe, sady hamono afo amin’ireo fanadihadiana efatra be izao nataon’ireo loholona teo aloha, ka raha izany no hiseho dia efa tena idiran-doza isika malagasy raha toa, ka ireo mpitsara nahavita fianianana hijoro hiaro ny fahamarinana, no lasa fitaovana hanamarinana ny mpandroba firenena sy hanome fahafampo fotsiny ny mpanendry.
Samia velon’aina hahita ny tohiny!