Ny Valosoa
Araka ny tatitra nataon’ny teo anivon’ny ministeran’ny fitantanambola tamin’ny 11 janoary 2021, mikasika ny fanampiana azo tamin’ny ady amin’ny valanaretina COVID-19 dia nisy ny fanomezana, na dons mitentina 39 miliara ariary (10 millions $), ary famatsiambola nahatratra 3.092 miliara ariary (817 millions $). Tao anatin’izay famatsiambola izay dia 1.688 miliara ariary (446 millions $), na antsasany mahery kely ihany no tafavoaka nampiasaina. Izany hoe 1.727 miliara ariary (456 millions $) no vola teo am-pelantanana azo nampiasaina.
Fony nitaky ny mangarahara ny filoha Marc Ravalomanana dia eson-teny no navaly, fa hoe te-hiaraka hitantana ny vola ny mpanohitra. Ankehitriny, tonga ny Tahirimbola Iraisampirenena (FMI), mitaky ny tatitra sy mangarahara mikasika ny nampiasàna ny vola, mikoropaka ny ministeran’ny fitantanambola manamboatra ny tatitra.
Rehefa jerena ny mikasika izany tatitra izany, dia 926 miliaray ariary (244 millions $) ihany, na antsasany mahery kely no nahazoana fanazavana. Fa ny 801 miliara ariary dia tsy fantatra hoe nankaiza.
Androany mamoaka tarehimarika ny ministry ny fitantanambola, mibaribary ny nalehan’ny vola. 800 miliara ariary no “subventions” nomena ny Jirama. Mazava ny antony tsy nahafahana niatrika ny fanampiana tokony ho natao ho an’ny COVID-19, fa nampiasaina ny vola nividianana rianaratra, nanofàna groupe, nividianana solika, nanefàna ny trosan’ny Jirama.
Tsy vitan’izany fa tsy misy orinasa malagasy nisitraka izany vola izany, fa orinasa vahiny daholo no nahazo tombontsoa toy ny Green Yellow, Edelec, Axa Energie, Vivo Energy, Jovenna, Galana, Total, Henri Fraise, Vestop Enery, Energie Electrique, Symbion Power.
Fambotriana avo lenta no mianjady amin’ny Malagasy. Vidiana lafo (25 cents $) ny rianaratra amin’ireo orinasa ireo ary amidy mora (11 cents $) amin’ny mpanjifa. Izany hoe tsy maintsy vola ao amin’ny kitapombolam-panjakana Malagasy no amenoana ny banga. Avy eo dia sesefana “subventions” ary fehezina tsy hidina ny vidin-tsolika, hany ka tsy afaka hisitraka vidin-tsolika araky ny vidiny iraisampirenena izany mihitsy ny Malagasy, vidin-tsolika izay efa tokony hidina ny vidiny hatramin’ny ela. Mifangaro araka izany ny tsy fahaiza-mitantana, ny fambotriana ny Malagasy, sy ny fanomezana tombontsoa ny vahiny.
Voa “triple” ny Malagasy: tsy nahazo ny fanampiana tokony ho sitrahany, any amin’ny orinasa vahiny ny vatsy, ary dia mbola tapaka ihany ny Jiro sy ny Rano.