Andry Tsiavalona
Azo nampoizina ihany ny fanenjehana ireo mpanentana ao amin’ny “Miara Manonja”, taorian’iny fitsangatsanganana nokarakarainy ny sabotsy 6 febroary iny. Ny antony dia aman’hetsiny ny olom-pirenena resy lahatra, ka nirohotra nanatevin-daharana ny hetsika. Tsy mahagaga ihany koa raha nanao ny sakantsakana rehetra ny mpitondra kanefa tsy tsapany, fa ny mifanohitra amin’ny noeritreretiny ny setriny, satria mampitombo ny tsy fitiavan’ny vahoaka azy ny fihetsiny. Ny mpitondra mampihàtra ny didy jadona tamin’ny andron’ny kaominisma no nanao izany ary mbola hita any amin’ireo firenena any Atsinanan’ity bolabolantany ity amin’izao fotoana izao. Tokony ho ao an-tsaina mandrakariva anefa fa efa tamin’ny taona 1990 no nirodana izany ideolojia kaominista izany.
Ny manahirana ihany koa dia misy milaza ho solombavambahoaka izay heverina fa izany tokoa, kanefa dia toa mivohy adim-poko. Nanambara ity depiote ity tao amin’ny fahitalavitra iray, fa “ny eto Antananarivo no manangana, ary ny eto Antananarivo ihany koa no manongana, izahay any amin’ny faritra hoy izy no nifidy ny filoha Rajoelina Andry, ka tsy maintsy miaro azy izahay”. Tsy fantatr’ity depiote ity ve fa eto amin’ity renivohitra ity dia misy mponina maro avy any amin’ny faritra, ka ny tiana hahatongavana ve dia ny hanao fairano an’Antananarivo toy ny tamin’ny 2002 indray, izay nanapahan’ny mpitondra tamin’izany ny tetezana ao Fatihita manasaraka ny faritanin’Antananarivo sy Fianarantsoa. Nametrahana milisy tany amin’ny tetezan’i Namorona sy Brickaville. Heverina fa tsy toetsaina mendrika izay mitonontena ho solombavambahoakan’i Madagasikara izany satria tsy ho an’ny olompirenena any amin’ny distrika nahalany azy ihany no jereny, fa ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy.
Mitondra tenin’ny vahoaka fa tsy ny an’ny mpitondra
Mandresy lahatra ny mpiray Firenena momba ny fijoroana amin’ny fahamarinana sy ny fampisehoana, fa tena mitsinjo ny vahoaka maro an’isa ary tsy manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena tokoa ny fitondrana arovany. Tsy ny fisamborana na fampidirana am-ponja izay tsy mitovy hevitra, sy fomba fijery amin’ny tena no hitondra vahaolana amin’ny fahantram-bahoaka sy ny fitotongan’ny toekarena ary ny fidangan’ny vidim-piainana. Raha fintinina dia mitondra ny feom-bahoaka ary mitady vahaolana mifanandrify amin’izany ny depiote. Avy amin’ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy ireo mpitsabo mpanampy (Paramed) ireo kanefa tsy sahy miteny ny mpanatanteraka ny depiote hanefa ny zon’izy ireo.
Torak’izany koa ny mpianatra ao amin’ny ENS, raha tena solombavambahoaka marina no nofidin’ny mponina ary raha tena mpanaramaso ny mpanatanteraka izy ireo dia ireny no hanehoany izany fahefany izany. Tranga efa hita tamin’ny tetezamita no miverina ka iainana amin’izao fotoana izao. Tsy mahagaga izany satria ny mpitondra tamin’izany ihany no miverina manam-pahefana amin’izao fotoana izao sady mihevitra ihany koa fa tonga eo amin’ny toerana tamin’ny fomba ara-dalàna sy demokratika izy, ka tsy ho voahozongozona na inona na inona ataony. Porofon’izany ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana miverimberina toy ny filam-baniny sy sakantasakana amin’ny fanehoan-kevitra ary ny fanakantsakanana ny zo fototry ny olompirenena hivezivezy eto amin’ny taniny.
Inona no lazain’ny depiote manoloana fanomezana fitaovana vaventy ho an’ny Faritra valo hanamboaran-dàlana 400 kilometatra isan-taona isam-paritra. Tsy mitombona velively izay satria 365 andro ny taona iray, ka na hitovy amin’ny hafainganam-pandehan’ny TGV aza no hanaovana izany dia tsy ho vita satria mihoatra ny iray kilometatra isan’andro izany no tsy maintsy vita. Araka izany dia tsy maintsy manana fahaizana mikajy haingana sy mahay mandanjalanja ny fahamatoran’izay lazain’ny mpanatanteraka fa tsy manohana sy miaro an-jambany fotsiny.
Heverina fa fanotronana ireny vahoaka mitaky ny zony ireny no tokony hataon’ny solombavambahoaka, fa tsy hiaro ny mpanatanteraka fotsiny. “Na ambohoko na ambohon’olona, rehefa vandana dia kary” , hoy ny fahendrena malagasy.