Ny Valosoa
Tamin’ny alahady 21 Febroary teo ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny tenindreny, izay tsiahivina fa tolo-kevitra avy amin’ny sampandraharahan’ny Firenena Miakambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina, na ny Unesco, ary nankatoavin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana io fankalazana io.
Ny tenindreny dia izay teny ampiasain’ny reny ifampiresahany amin’ny zanany manomboka any ambohoka, ka mandrapahalehibeny. Ho antsika malagasy amin’ny ankapobeny dia ny teny malagasy no tenindreny, ny an’ny frantsay dia teny frantsay, ny an’ny sinoa dia teny sinoa, sns…
Ny Unesco dia efa hatramin’ny 70 taona mahery no efa nanambara, fa ny teny fampitana fahalalana mahomby indrindra ho an’ny zaza dia ny tenindreniny ihany ary nohamafisin’ny Unesco, fa ny manampahaizana mpikaroka erantany dia nobeazina sy nampianarina tamin’ny tenindreniny avokoa, toy ireo manampahaizana, Amerikana, Sinoa, Rosiana, Indiana, Frantsay , sns…
Ny teny malagasy dia ampy ibeazan’ny zanaka Malagasy, saingy ny mpitondra no tsy mahatoky tena, ny hanaporofoana izany dia efa tamin’ny 21 Jona 1835 no efa voadika tamin’ny teny malagasy ny baiboly, ho an’izay efa nandinika io boky masina io dia hita ao avokoa ireo taranja maro toy ny teolojia, filozofia, tantara, jeografia, lalàna, sosiolojia, toekarena, fitantanana, politika sy ireo fomba amam-pahendrena tsy tambo isaina.
Tamin’ny fihaonambempirenena notanterahina tamin’ny taona 1993, dia samy nanaiky avokoa ireo mpizaika, fa ny teny malagasy no tenimpirenena ofisialy, fa rehefa naroso ny fanontaniana hoe inona ny teny enti-mampianatra dia samy niala ilany avokoa satria maro ireo te hifikitra amin’ny teny frantsay.
Ny fitondrana notarihin’ny Filoha Ravalomanana, raha nanitsy ny lalampanorenan’ny Repoblika fahatelo tamin’ny taona 2007 dia nametraka mazava, fa ny teny malagasy no teny ofisialy, ary ny teny ampiasaina dia ny teny malagasy sy ny teny anglisy ary ny teny frantsay, saingy rehefa natao ny fanovana ny lalampanorenana tamin’ny Repoblika fahaefatra dia nesorina tao ny teny anglisy, fa ny teny frantsay dia mbola notazonina soa amantsara.
Ny azo ambara kosa aloha dia nisy ny tsy fahombiazana tamin’ny fampiharana ny fanagasiana, ny antony: tsy ny teny malagasy no tsy mahomby, fa ny fomba nanaovana ilay fanagasiana no natao ankamehana, tsy nisy ny tetibola mazava nampahombiazana ny fanagasiana, tsy mbola vonona tanteraka ny fitaovana toy ny boky ary indrindra tsy lavorary ny fanofanana ireo mpampianatra nampita ny fahalalana, dia izay no nahapotika ilay fanagasiana.
Ankehitriny dia mbola ihazakazahana ny “école d’expression française” kanefa dia misy ny porofo mivaingana, fa nisy tamin’ireo ankizy nampianarina tamin’ny teny malagasy izay tsapa, fa misaina kokoa, fa tsy mpanao tsianjery maimbo, efa nisy mihitsy aza mpampianatra tamin’ny Oniversite frantsay vaky vava niteny hoe tena misy ikoizana ireo mpianatra malagasy nampitana fahalalana tamin’ny teny malagasy, ka na nianatra tany Frantsa na Etazonia, na Japon na Shina dia tsy nisedra fahasahiranana teo amin’ny fandraisampahalalana, sady lasa mpikaroka, fa tsy sanatria mpamerina ny nataom-bazaha fotsiny. Ny Unesco koa dia nanitrikitrika fa ny zaza tsara fototra amin’ny tenindrazany dia mora mahafehy tenimpirenena hafa.
Manana ny lanjany ny teny malagasy, raha mitaha amin’ny tenin’ireo firenena afrikana maro satria eto amintsika dia afaka mifandray avokoa ny malagasy avy amin’ny faritra samihafa, fa ny atsy afrika dia misy faritra tsy afaka mifampiresaka, fa tsy maintsy mindrana ny teny frantsay na teny anglisy, raha te hifanerasera ny mpiray firenena samy hafa faritra niaviana, ary eo amin’ny lafiny fanabeazana dia tafiditra ao anatin’ireo teny 12 voalohany aty Afrika ny teny malagasy, azo ampiasaina amin-javatra maro, raha ny filaharana manerantany indray dia tafiditra amin’ny roanjato voalohany ny teny malagasy amin’ireo teny mahatratra enina arivo mahery manerantany.
Manana ny lanjany sy ny hasiny ny tenindrazantsika saingy marivo salosana ireo mpitondra, na mety fohy fisainana ka tsy mahataka-davitra, ny Filoha Ravalomanana no mpitondra sahy nanome lanja ny tenindrazana malagasy, ka tsy nahagaga raha nandroso ny firenena fony izy nitondra, f’ireo nitondra taorian’ny taona 2009, ka hatramin’izao, izay bolokim-bazaha dia tsy mahatsapa fa fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra io tenindrazantsika io,ka tokony ho trandrahina ampandrosoana ny firenena, sady mampitombo ny fitiavan-tanindrazana ny fandalana ny tenindrazana.