Afa-nenina amin’ny fitondrana ny Miara-manonja

Stefa

Mitohy hatrany ny fandaharana Miara-manonja, ao amin’ireo onjampeo efa nandefasana izany hatramin’izay dia ny MBS Radio FM 95.4 Mhz, ny Radio Mada FM 100.8 Mhz, ny AZ Radio FM 101.8 Mhz ary ny Soa Radio FM 96.8 Mhz. Ankoatra an’ireo, mandeha amin’ny tambazotran-tserasera youtube, sy ny facebook ihany koa ny fandaharana, ka afaka arahana, tsy eto an-drenivohitra ihany, fa any amin’ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy, sy hatrany ivelan’i Madagasikara.

Anisan’ny nandray fitenenana nandritra izany fandaharana izany omaly, ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, ny depiote Fidèle Razara Pierre, ny depiote TIM hafa, ny mpanao politika Guy Maxime tamin’ny alalan’ny antso an-tariby, ny mpanao gazety sady ministra teo aloha Andrianjato,…

Mahakasika ny filazan’ny mpanao politika sasany, fa ilaina ny fifampidinihana ho famahana izao krizy politika eto amin’ny firenena izao, tsy any intsony ny resaka hoy ny Miara-manonja, satria efa afa-nenina amin’ny fitondrana Rajoelina izy ireo amin’ny tsy fahaizany, ny tsy fahombiazany, ny didy jadona ataony, ny fanaparam-pahefana, ny fanitsakitsahany ny lalampanorenana, ny tsy fijereny ny vahoaka rehetra, fa ny ampahany ihany,…

Efa voaresaka tamin’ny FFKM koa izany hoy izy ireo, tsy mangataka ary tsy hangataka ny hanelanelanan’ireo ray aman-dreny am-panahy amin’ny fitondrana ny Miara-manonja. Ka dia ho avy ny toromarika manaraka amin’ny tohin’ny hetsika izay hatao, tao aorian’iny fahombiazana ny sabotsy lasa teo iny, fahombiazana satria lasa tanàna maty ny afovoan-tanànan’ny renivohitra tamin’iny fotoana iny, fahombiazana satria dia navoaka avokoa ny sokajina mpitandro filaminana samihafa, eny fa hatramina mersenera vahiny sy milisy miakanjo sivily mitam-basy aza dia hita teny Analakely sy ny manodidina avokoa ny andron’ny sabotsy lasa teo iny.

Manameloka ny fisamborana ireo 11 mianadahy voasambotra tamin’iny andro iny koa izy ireo, ary mitaky ny hamotsorana ireo olona nofonjaina ireo tsy misy fepetra.