Erikerika Madagasikara any Frantsa – Miantso ny fitondrana hampitsahatra ny herisetra sy fanapotehana fiaraha-monina ataony

Jean Philippe Rafidison, anisan’ny mpitarika ny fikambanana Erikerika Madagasikara any Frantsa.

Nangonin’Isambilo

Hiresaka amin’ny mpitarika ny fikambanana Erikerika Madagasikara any Frantsa ny gazety Ny Valosoa Vaovao androany, mahakasika ny momba ity fikambanana ity, sy ny anjara biriky entiny amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny sosialin’ny mponina aty Madagasikara. Dinidinika:

– Gazety Ny Valosoa Vaovao (GNVV): Faly miarahaba anao izahay mpanao gazety eto amin’Ny Valosoa ary misaotra anao filohan’ny fikambanana Erikerika Madagasikara namaly ny antso, hampahafantatra misimisy momba ny fikambanana.

-Erikerika Madagasikara (EM): dia faly miarahaba anareo mpanao gazety rehetra koa ny tenako, Jean Philippe Rafidison, misolo tena ny fikambanana Erikerika Madagasikara (EM).Miarahaba koa an’ireo mpamaky ary misaotra sy mankatelina amin’ny fanasàna.

-GNVV: vao tamin’ny herinandro lasa teo ny EM no niseho tamin’ny gazety nandray anjara namely ny antson’ny vehivavy TIM, hifanohana hanampy ireo olona miisa 12 voafonja tsy ara-drariny, noho ny tatitra nokasain’ireo depiote enina mianadahy natao ny sabotsy 20 febroary 2021 lasat teo. Azonao ampahafantarina misimisy aloha ve ny mikasika ny fikambanana?

-EM: marina tokoa fa namaly ny antson’ireo vehivavy TIM izahay. Nanohina an’izao tontolo izao ny zava-niseho tamin’iny andron’ny sabotsy 20 febroary lasa teo iny. Nanohina anay izany satria lalana mankany amin’ny jadona no miseho ankehitriny any Madagasikara ary tsy afaka ny hitazana fotsiny ny fikambanana. Fa hamaly kely ny fanontanianao aho aloha.

Ny EM dia fikambanana manaraka ny lalàna frantsay, na ‘Association Loi 1901’, mankalaza ny faha-folo taonany amin’ity taona ity, niorina ny volana aprily 2011. Ny foibe dia ao amin’ny kaominina antsoina hoe Brétigny sur Orge, faritra Essonne, miala eo amin’ny 30km avy any Paris. Efatra mianadahy izahay no nanorina ny fikambanana, mpikambana mavitrika tao anatin’ny fikambanana GTT, na Gasy Tia Tanindrazana izahay, ary nanapa-kevitra rehefa nahazo lesona, fa hiompana kokoa amin’ny sosialy manoloana ny fahoriana tsy nitsahatra ny nitombo taorian’ny fanonganam-panjakana. Ary izay lafiny sosialy izay moa no azo tarafina ao anaty ny sata manambara ny tanjon’ny fikambanana dia ny “handray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara eo anivon’ny sehatra samihafa fahantrana, fahasalamana, fanatanjahantena, fanabeazana, sns… ary fanatsaràna ny fiainana andavanandron’ny Malagasy”.

Avo dia avo sy manara-penitra tokoa izany tanjona izany, toa mikasa hanakatra ny tsy takatra, raha ny enti-manana eo anivon’ny fikambanana no jerena. Saingy tsy midika akory izany, fa ho indray atrehina daholo ireo sehatra ireo na koa ireo sarangan’olona rehetra. Izay indrindra no nahatonga anay nisafidy ity anarana hoe ‘Erikerika’ ity araka ny ohabolan-drazana miteny hoe “Ny erikerika maha-tondradrano”. Raha indramina ny teny frantsay dia hoe “Les petits ruisseaux font les grandes rivières”. Am-panetren-tena no hanatanterahanay ny asa anjara biriky ary ao anatin’ny fomba fiasanay mihitsy ny hoe : tahaka ny erikerika, tsikelikely ary atao mateti-piavy araka izay vita eo. Ny hetsika ataonay na andraisana anjara dia tianay hipaka avy hatrany any amin’ireo izay tokony hisitraka izany. Raha indramina indray ny teny anglisy dia hoe “quick wins”. Izay angamba aloha no azo lazaina tsotsotra mikasika ny fikambanana.

-GNVV: misaotra nanome fanazavana mikasika an’ny Erikerika. Fa alohan’ny hidirana amin’ny fanontaniana manaraka dia tiako singanina kely ny teny nampiasainao hoe “rehefa nahazo lesona”. Azonay fantarina ve ny mikasika izany lesona izany?

-EM: azo fantarina tokoa. Ny toe-javatra iainana sy sedraina moa dia azo raisina ho lesona avokoa. Fa raha singanina ny vitsivitsy amin’ireo dia voalohany ohatra ny fitantanana.

Azo lazaina fa eo anivon’ny fikambanana iray dia arakaraky ny hamaroan’ny tompon’andraikitra eo amin’ny fitantanana, no mahasarotra ny fandraisana fanapahan-kevitra ary ny fandrindràna sy ny fanatanterahana ny asa. Tsy mora ny mamory olona noho ny fahalaviran-toerana, ny fitadiavana toeram-pivoriana, ny fotoana mampalalaka ny tsirairay. Ary rehefa tafavory ny olona dia araky ny hamaroan’izy ireo ny hevitra miposaka. Tsy mety anefa ny tsy mifanakalo hevitra ary an-tsitrapo koa no fahatongavan’ny tsirairay, hany ka mila omena fotoana izany.

Ny faharoa dia resaka miverimberina eny anivon’ny fikambanana rehetra tsy ankanavaka, dia ny resaka vola. Na fanangonana ny vola io toy ny fanomezan-toky tsy voahaja, na fitantanana io toy ny fanaovana mazava eo amin’ny miditra sy mivoaka, na fanaovana mangarahara amin’ireo te-hahalala, izany rehetra izany dia mety mametraka olana avokoa. Mampisy disadisa sy tsy fifampitokisana akory àry, ary mampikatso mihitsy ny tanjona nokendrena tany am-boalohany.

Ny fahatelo dia tranga hita eo anivon’ny fikambanana maro ihany koa, dia ny ady anaty hahatongavana eo amin’ny fitantanana. Dia miseho ny paikady samihafa rehefa tonga ny fifidianana.

Araka izany dia tsy zava-baovao hita eo anivon’ny fiainan’ny fikambanana izany. Ka lesona noraisina daholo izany nentina nitantanana ny fiainan’ny fikambanana. Ny fahavitsianay eo amin’ny fanapahan-kevitra dia manafaingana ny raharaha. Ny rafitra napetrakay koa ny hoe “naman’ny Erikerika”. Ny olona ao anatin’io rafitra io dia mahazo vaovao, voaasa rehefa misy fihaonambe tanterahina toy ny “Journée Erikerika”, voaantso handray anjara arakaraky ny hetsika.

GNVV: misaotra anao amin’ny fanazavàna. Ny fanontaniana manaraka dia mikasika ny asa sosialy tanterahinareo. Azonao zaraina aminay ve ny zava-bitan’ny Erikerika?

-EM: Ha! ha! Misaotra amin’ny fanontaniana. Vonona ve ianareo hiharitra ny tantara nandritra izay folo taona izay? Vazivazy ihany fa hetsika madinidinika no notanterahinay hatramin’izay, ary hetsika mipaka avy hatrany any amin’ny fiainan’ny tsirairay.

Ny hetsika voalohany nataonay dia tao amin’ny EPP Ankadifotsy ny volana desambra 2011, ka nisitrahan’ireo mpianatra 400 sakafo krismasy. Niara-nisalahy daholo, na ny mpampianatra, na ny ray aman-drenin’ny mpianatra (FRAM).

Nisy koa ohatra ny fanampiana ireo niharam-boina tamin’ny rivodoza Giovanna ny taona 2012 tao Andohatapenaka: PPN, fanamboarana lalantany mba tsy hiroboka anaty rano ireo mponina mandeha tongotra, fiantohana saram-pianarana.

Teo anatrehan’ny fahasahiranana miavosa dia nanao seminera ny fikambanana, nandinihana ireo mpisitraka ny asa sy fanampiana tokony hiompanan’ny fikambanana. Tao anatin’izany no nanapahana fa ny ankizy ihany aloha. Nanomboka nanome sakafo krismasy sy saram-pidirana tamina EPP no nifantohan’ny fanampiana. Ary nifindra EPP ny fikambanana rehefa tojo toe-javatra tsy mampety ny fiaraha-miasa. Ny EPP farany namatsian’ny fikambanana sakafo krismasy dia tany Analapatsy, faritra Anôsy. Ny fifampitokisana no fenitra voalohany hanatanterahana sy hanohizan’ny fikambanana ny asa soa amina toerana iray.

Ankehitriny, araka ny voalaza teo am-boalohany dia hiova tanteraka ny hiompanan’ny ezaka ho ataon’ny fikambanana. Tsikaritray fa simbain’ity fitondrana ity ny rivotra eny anivon’ny fanatanterahan’ny fikambanana ny asa soa. Etsy ankilany dia tonga tety aminay ny antso nataon’ireo mpitarika ao amin’ny Miara-manonja hiray hina amin’ny ady amin’ny jadona. Ka dia iny fanampiana ny fianakavian’ireo olompirenena 12 voafonja tsy ara-drariny iny, no hetsika voalohany ataonay. Maniry dia maniry izahay ny hanatsaharan’ity fitondrana ity ny herisetra sy fanapotehana fiaraha-monina, ary hifona amin’ny vahoaka. Ho reny ve izany antso izany?

Izay aloha no azoko ambara fohifohy ny amin’ny zava-bita.

-GNVV: misaotra anareo mpikambana rehetra ao amin’ny Erikerika ary mankasitraka amin’ny soa vitanareo amin’ny mpiray tanindrazana. Na dia lavi-tanàna aza ianareo dia tsy manadino ny firenena.

-EM: Misaotra anareo mpanao gazety ato amin’ny Ny Valosoa koa izahay amin’ny fampahalalana vaovao, sy fanabeazana amin’ny alalan’ny lahatsoratra fanadihadiana sy fampieritreretana. Azo vakiana maneran-tany izao ny gazety Ny Valosoa Vaovao ity, izay miseho in-telo isan-kerinandro ao amin’ny tranonkala (http://www.gvalosoa.com na http://www.gvalosoa .net). Tadidiko manokana, efa-polo taona lasa no nahatongavako taty Frantsa dia tsy afaka namaky vaovao tamin’ny teny malagasy raha tsy misy olona nitondra gazety avy any Madagasikara. Ankehitriny dia ny ivoahan’ny vaovao ao anaty fitaovana serasera toy ny Facebook sy YouTube, no ela fa dia azo arahina eo noho eo maneran-tany ny vaovao rehetra any Madagasikara. Ny vaovao an-tsary MBS sy ny fandaharana Miara-manonja dia azo arahina ny andron’iny ihany.

Mamerina fisaorana anareo ary mankasitraka amin’ny fampitam-baovao. Mirary fahombiazana an’ny gazety Ny Valosoa Vaovao.