Andry Tsiavalona
Toa miverina any amin’ny roambinifolo taona lasa indray ny tantaran’ny Firenena Malagasy. Na inona na inona entina milaza ny tranga ny 17 Martsa 2009 na fanonganam-panjakana na fametraham-pialan’ny filoha amperin’asa Ravalomanana Marc tamin’izany fotoana dia tsy manova ny fahitan’ny vondrona iraisam-pirenena ny toe-draharaha izany. Raha tsy fanonganam-panjakana no nataon-dRajoelina Andry, sy ny mpiara-dia taminy dia nanampy azy teo amin’ny sehatra rehetra ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara. Fa tena fanonganam-panjakana no nisy tamin’izany. Fay rano tanteraka no nisy teto, ka raha tsy noterena nandoa vola be, zato tapitrisa dolara isanisany ireo orinasa lehibe roa nitrandraka harena an-kibon’ny tany teto dia tsy azo noeritreretina ny fiainana teto. Teo koa ny fivarotana ny fiaramanidina “Air Force One 2” dimy ambiroapolo tapitrisa dolara. Tsy azo adinoina ny vola vahiny mitentina efa ho roarivo tapitrisa ariary, tahiry tao amin’ny Banky Foibe. Tsy nitsaha-nikoroso ny fiainam-bahoaka ary na teo aza ny hetsika maro samihafa nataon’ny tsy nankasitraka ny fanonganam-panjakana dia nanana mpiaro sady nahery fihetsika no nahafantatra izao zava-miafina tsy hitan’ny olombelona rehetra izao.
Tsiahivina ny fampanantenana vary mora sy menaka mora ary tsena mora nataon’ny mpamendrofendro sady mpanodinkodina saim-bahoaka. Na izany na tsy izany dia nanana fahefana ara-bola nahafahana nipetraka tany an-dafy ny filohan’ny tetezamita rehefa niala teo amin’ny fitondrana, izay toa midika fa nalefa tany amin’ny banky, na tany amin’ny paradisa ara-ketra (paradis fiscal) ny vola vidin’ireo bolabolan’andramena efa aman-jato taonina maro tratra tatsy amin’ny Nosy Kaomoro sy ny tany Indonezia izay tokony ho naverina teto Madagasikara. Ny vidin’ny tsy tratra moa dia efa nanjavona ary tsy fantatra ihany koa hatramin’izao izay trondro bevata (gros poissons) nigolabona tamin’izany vola tsy toko tsy forohana izany. Soa fa tsy nisy loza voa-janahary toy izay misy ankehitriny nandritra ny dimy taona nisian’ny tetezamita, fa raha tsy izany dia tsy azo eritreretina ny loza nanjo ny vahoaka Malagasy.
Ny fitondrana amin’izao Repoblika faha-4 andiany faha-2 izao dia tonga eo amin’ny fitondrana tamin’ny fomba mampiahiahy ihany noho ny resaka “doublon”. Efa niakatra ho 5,2% ny harinkarena tamin’ny taona 2018 nifaranan’ny fitondrana Rajaonarimampianina Hery. Ny volana desambra 2019 dia efa nitranga ny valanaretina covid-19, tany amin’ny firenena sinoa. Azo lazaina fa nandova zavatra miabo izao fitondrana Rajoelina izao kanefa tsapa fa mamba noana avokoa izay tonga ao na dia atidoha (cerveaux) aza no nantsoina. Azo lazaina fa toy ny tamin’ny tetezamita ihany dia nisy “mana” nilatsaka indray teto amin’ny Firenena noho ny nidiran’ny valanaretina covid-19 ny volana Martsa 2020. Nitosaka indray ny vola avy any amin’ireo mpiara-miombon’antoka nentina niatrehana ny valanaretina covid-19. Vola aman-jatony tapitrisa dolara maro no nomen’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola tamin’izany. Ny zava-doza dia tari-drano ankilahila no nitantanana izany vola izany, ka rehefa nitaky ny mangarahara ny mpanohitra dia nolazaina fa te-hiara-mitantana. Tsy takona nafenina anefa fa fahafaham-baraka misesisesy no nateraky ny fitantanana raha tsy hiresaka afa tsy ny “bonbons sucettes”, sy ny “écrans plats” eto. Natsangana daholo izao rafitra rehetra izao nentina nizara ireo fanampiana ny vahoaka: “vatsy tsinjo”,, “tosika fameno”, sns… nefa toa ireo olona tao anatin’izany no nitavana sy namilivily ny fanomezana.
Nanomboka koa ny fanatanterahana ny tetikasan’ny prezidansa, ka tsy mazava intsony na avy amin’ny tetibola be manokan’ny fiadidiana ny Repoblika no hanaovana azy ireny na ny fanampiana no nandrombinana. Toy ny tamin’ny tetezamita ihany dia amana hetsiny no very asa kanefa tsy ao an-tsain’ny mpitondra ny nanorina asa ho azy ireny. Orinasa maro no nikatona kanefa dia tsy nisy fanampiana azy ireny ka niiba ny toekarena. Heverin’izao fitondrana izao fa mbola toy ny tamin’ny tetezamita ihany ny fitantanana ny volam-bahoaka, ka izy ao anatiny ihany no mitavana sy mampiasa izany amin’izay tiany.
Manampy trotraka ireo dia gaboraraka ihany koa ny trafikana harem-pirenena, nisongadina tamin’ny tetezamita ny bolabolana andramena ary amin’izao fotoana izao dia malaza ilay volamena tratra tatsy Afrika Atsimo. Soa ihany fa tsy mitovy amin’ireo firenena nahatrarana andramena ny ao Afrika Atsimo, ka na dia nahazo fahafahana (liberté sous caution) aza izy telo lahy dia mbola nosamborin’ny “Interpol” indray. Angamba, mba ho fantatra amin’izay ireo “gros poisons” voasaringotra amin’ity raharaha ity. Mitrotro varatra sy misakelika fantara izao fitondrana izao, ka azo inoana fa ho entiny miriatra.