Andry Tsiavalona
Tao anatin’izay 61 taona nahazoantsika ny fahaleovantena izay, tsy mbola nisy fitondrana hafa, sy sampontsampona toy ity fitondrana Rajoelina ity.
Roa taona sy telo volana latsaka kely izao no teo amin’ny fitondrana ny filohan’ny Repoblika IV-2, Rajoelina Andry, kanefa dia tsy mitsaha-milentika ny fiainam-pirenena ao amin’ny sehatra rehetra ary tsy mitsaha-mitotongana ihany koa ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy. Tsy fantantra intsony na tsy fahaiza-mitantana na iniana atao ny toe-draharaha misy satria nilaza ny filoha fa efatra taona fara-fahakeliny ny nanomanany hitondra, ka ny IEM no vokatra azony tamin’izany. Nanao antso avo ny “atidoha” (cerveaux) ihany koa nandrafitra ny governemanta sy ny mpiara-mitantana ao an-dapa. Ny zava-misy anefa dia na ny IEM aza efa niova anarana in-telo na in-efatra: IEM, Plan Marshall, PEM, PGE ary izay, angamba, no anton’ny fahasarotan’ny fanatanterahana azy, satria amin’izao fotoana izao dia mbola itadiavana famatsiam-bola indray.
Tsy finoanoam-poana fa tsy misy tranga tongatonga ho azy izany, ka ny loza ny harivan’ny andron’ny nanaovan’ny filohan’ny Repoblika fianianana tamin’ny firotsahana ny vato be teny Ambonin’Ampahamarinana dia efa fambara sahady, fa ny fanilikilihana ny Baiboly tamin’iny lanonana iny no midika ho fanilikilihana an’Andriamanitra ihany koa. Niaraha-niaina fa tsy nisy nandeha tamin’ny laoniny ny fiainana teto amin’ny Firenena. Nafindra-monina teny amin’ny “Village Voara” sy tao amin’ny Sekoly Pedagozika Mahamasina ireo mpoina teny Ambanin’Ampahamarinana. Volana maro izy ireo no nipetraka tao amin’ireo toerana ireo kanefa dia tsy zarizary, mba tsy ilazana fa tsy nisy ny fanampian’ny fitondrana.
Ity tranga ity moa dia toy ny loza voajanahary rehetra fa niseho koa ny fahafaham-baraka tamin’ny fanadinana bakalorea noho ny niparitahan’ny laza adina. Namaivanin’ny mpitondra izany ary nasiana ny fihodinana faharoa ho an’ireo izay tsy afaka nentina nandaminana ny toe-draharaha.
Herintaona taty aoriana, 2020, vao tena niha-mafy ny loza satria nanampy trotraka ny valanaretina covid-19 ny “kere” tany Atsimo. Soa fa tsy teto Madagasikara ihany no nisy ny valanaretina, fa nanerana izao tontolo izao. Na izany aza dia efa nanalabaraka tena ny fitondrana tamin’ny nireharehany fa i Madagasikara, mba tsy nilazana fa ny fitondrana Rajoelina Andry, no hanavotra izao tontolo izao tamin’ny nahitan’ny mpikaroka Malagasy ilay “fanafody” CVO izay nialohavan’ny faminanian’ilay “mpaminany vavy breziliana”. Saika nahavita zavatra mbola tsy vitan’ny filohampirenena nifandimby nandritra ny enimpolo taona indray ny filohan’ny Repoblika IV-2, Rajoelina Andry.
Na teo aza ny tsy fahombiazan’ity CVO ity dia nomen’ireo mpiara-miombon’antoka avy any ivelany vola tsy toko tsy forohana manodidina ny valonjato tapitrisa dolara i Madagasikara, tsy ny mpitondra fa ny Firenena Malagasy, nentina niatrehana ny ady tamin’ity valanaretina ity. Sady efa kely io fanampiana io raha miohatra amin’izay azon’ny firenena Afrikana sasany no mbola niteraka fahafaham-baraka indray. Raha tokony ho ny ambaratongam-pahefana efa mijoro sy mihodina no nampiasaina nizara ny fanampiana ara-tsosialy dia natsangana daholo izao rafitra rehetra izao ary napetraka nitantanana sy nizara izany ny namanamana sy ny akamakama, ka nazava ho azy ihany koa fa hita sy niainan’ny mponina ny zara-vilana sy fanavakavahana. Nirotsaka an-tsehatra hatramin’ny filohan’ny Repoblika sy ny minisitra sasany.
Angamba, noho izany antony izany dia mba nanao izay noheveriny ho mety nahasoa azy ny minisitra sasany ka nitrangana fahafaham-baraka ihany koa tao amin’ireo minisitera ireo. Niaraha-nahalala ny tranga tao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Minisiteran’ny Atitany momba ny “bonbons sucettes” sy ny “écrans plats”. Heverina fa tsy maintsy izay malemy sy tsy manana vaovao voaporofo entina miaro tena sy miaro seza no tsy maintsy misaoty, ka anisan’izany ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena tamin’izany. Manamafy izany ny tranga ao amin’ny Minisiteran’ny Vola momba ireo fanodinam-bola any amin’ny tsy tokony halehany; vola iatrehana ny covid-19 nalefany tany Atsimo nanampiana ny mponina tratry ny kere ary nisy koa nandoavana karaman’ny mpiasam-panjakana.
Na izany aza ny fahadisoana bevava dia tsy mbola nasaoty ihany koa ity minisitra ity. Tsy azo odian-tsy hita ireo fihoaram-pefy (bavures) nataon’ny “mpitandro ny filaminana” tamin’ny fisamborana ireo mpiray Tanindrazana neverin’ny mpitondra fa nanozongozona ny sezany. Sarotra ary tsy mbola ahitan’izao fitondrana izao vahaolana ny valanaretina covid-19 satria fahavalo tsy hita maso kanefa nantenainy ho nampisandratra azy ho tazan’izao tontolo izao. Mora ary tsy miandry ela kosa ny fanafihana sy fifehezana ireo mpiray Firenena aminy ary heveriny ho “fahavalo”. Tsy maintsy hajaina ny fepetra (gestes barrières) ho fiarovan-tena amin’ny fahavalo tsy hita maso, saingy tsy misy arofanina (balises) kosa apetraky ny fitondrana tsy azony hihoarana amin’ny fanaparam-pahefana sy didin-kofehy lehibe.
Ankoatra izany, maha sampona izao fitondrana izao koa ny tsy fahafehezany ny vidim-bary hatramin’izao, 900 Ar eo ny kapoaka, nilaza hanao kapoaka manara-penitra izy ireo kanefa tsy hita izany hatramin’izao, momba ity rharaha ity, milaza ireo mpivarotra sy mpanjifa fa ny kapoaka efa nahazatra hatramin’izay ihany no ampiasainy hatramin’izao, tsy misy izany kapoaka manara-penitra izany.
Araka ny lalàna, tsy azo atao ny manao dokam-barotra fanafody, ny Filohampirenena mihitsy anefa no nanao dokam-barotry ny Cvo isak’izay nahitany fotoana nanaovana izany, ny fanafody hitan-dRakotomalala Edmond: Ed1 dia norarana, avy eo indray dia hoe azo aparitaka…
Tena sampontsampona ny zava-misy eto nandritra ny fotoana nitondran’izao fitondrana izao.