Ady amin’ny covid19 – Tsy vitsy no miandry ny fahatongavan’ny vaksiny

Andry Tsiavalona

Mihàtra eto Madagasikara avokoa izao loza rehetra tsy mbola nisy teto, tato 60 taona mahery namerenan’ny mpanjanaka ny fahaleovantena izay. Marina ny fanambaran’ny filohan’ny Repoblika IV-2, Rajoelina Andry, fa hisongadina ny fitondrany satria dia izay tsy vita na tsy hita nandritra ny fitondran’ireo filoham-pirenena nifandimby teto dia ho tanterahiny avokoa. Dia niara-nitsanga-menatra ny vahoaka Malagasy noho ilay fitenenany fa ho aty Madagasikara ny mason’izao tontolo izao, satria ny manampahaizana Malagasy dia nahita ny CVO, izay hanavotra izao tontolo izao amin’ny aretina covid 19. Herintaona lasa izany fanambarana izany ary ankehitriny dia misy dokotera Malagasy namoaka fanafody Ed1, izay noraran’ny fitondrana tsy ho azo namidy satria, hono, tsy mbola nahazo fankatoavana kanefa araka ny fandinihana dia satria mifaninana amin’ny CVO ilay izy. Araka ny fanaon’izao fitondrana izao anefa dia niverina tamin’ny teniny izy ary nampanantsoin’ny filohan’ny Repoblika ity dokotera ity. Manahy ny maro fa mety hiantsapazan’ny mpitondra indray io firohotry ny vahoaka hanjifa ny Ed1 io, ka tsy hanafatra vaksiny indray izy, fa io indray no hidoafany.

Amin’izao fotoana anefa, maro no miandry fatratra ny fahatongavann’ny vaksiny ho fiarovana amin’ny coronavirus io. Vao nahazo ny anjarany tamin’ity herinandro ity ny atsy amin’ny Nosy Kaomôro ao anatin’ilay fifanarahana Covax. Tratra aoriana arak’izany isika eto Madagasikara, efa maromaro ny firenena aty Afrika, efa mampiasa io hery fiarovana amin’ity valanaretina mandoza ity. Tombatombana ihany izany, fa ato anatin’ny fotoana fohy dia ho fantatra izay resaka sy fifanarahana nifanaovan’ny filohan’ny Repoblika sy ny dokotera Edmond Rakotomalala. Hita amin’izao fotoana izao, fa mirongatra izay tsy izy ity aretina ity ary asain’ny mpitondra samy hiaro ny tenany ny vahoaka, kanefa andraikitry ny fitondrana ny mitady ny hevitra sy ny fomba rehetra entina miady amin’ny aretina, ka dia toy ireny tsy misy fitondrana ireny intsony eto. Na nolazain’ny filohan’ny Repoblika aza fa maimaimpoana ny fitsaboana sy ny fanafody any amin’ireo toeram-pitsaboana an’ny fanjakana dia vidiana lafo ny oksizena ary mividy fanafody lafo ny fianakavian’ny marary. Na izany na tsy izany dia mitaky ny hanafarana vaksiny ny ankamaroan’ny Malagasy satria heverina fa manam-bola hanaovana izany ny fitondrana ary tokony ho maimaimpoana izany ho an’izay te-hanao.

Miseho ihany koa ny tsy fahamatoran’izao fitondrana izao eo amin’ny fandrindrana ny fitsaboana ny aretina, satria tsy mbola misy vahaolana eo amin’ny fanefana ny zon’ireo mpitsabo mpanampy dia mampiditra mpiasa, mpilatsaka an-tsitrapo, hanatevin-daharana ireo efa am-perinasa. Mikatona ny faritra vitsivitsy, tsy azo idirana sady tsy azo ivoahana ka mitaraina indray ny mpitatitra amin’ny zotra nasionaly, satria tsy mba nisitraka izay fanampiana avy amin’ny fitondrana izy ireo, tsy sahala amin’ny fitateram-bahoaka an-tanàn-dehibe sasany. Ny tena loza dia tsy avela hivoaka ny faritra na dia ireo handevina aza. Mahavaka tokoa ny mahita ireo manana fahoriana mitalaho amin’ireo mpiambina ny barazy ara-pahasalamana ho afaka manohy ny diany handeha handevina. Tena lasa miady amim-paty ny gasy ary tsy iainan’ny sasany intsony ny fomba malagasy. Mikatona ihany koa ny sekoly amin’ireo faritra ireo, ka sahiran-tsaina ny mpanabe sy ny tompona sekoly tsy miankina, tsy eo amin’ny resaka saram-pianarana ihany fa eo amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpampianatra sy ny fanenjehana ny programam-pampianarana koa, satria efa akaiky ny fanadinana ofisialy. Tokony ho niditra tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity tokoa mantsy ny telo volana fahatelo ny taom-pianarana, ka asa raha mbola hitohy ny fihibohana izay tokony ho tapitra amin’ny faran’izao herinandro izao.

Mbola taratry ny fanimbazimbana ny zon’ny Malagasy tsirairay hivezivezy sy haneho hevitra ny famonjana ireo sivy mianadahy higadra telo volana noho ny fikasany nanatrika ny tatitra nataon’ny solombavambahoaka teto an-drenivohitra ny 20 febroary 2021 lasa teo. Tsapa fa tsy mamoaka didy araka ny lalàna sy ao anatin’ny fahalalahana tanteraka ny mpitsara, fa azo antoka fa misy tsindry ara-politika ao. Fanapempoana ny tanora ihany koa ity tranga ity kanefa azo inoana fa vao mainka hampitsiry ny hambom-pon’izy ireo ho tia bebe kokoa ny tanindrazany izao tsindry ara-tsaina izao. Toa tsy fantatr’izao fitondrana izao intsony izay làlan-kizorana sy hitondrana ary hivoahana amin’izao loza mianjady amin’ny Firenena izao. Ny mahagaga misy ny vola fa, angamba, voahodinkodina amin’ny tsy tokony hampiasana azy. Diavolan-ko lava, lalao mbola ho ela, kanefa rehefa be loatra ny kapa ranjo sy lalao maloto dia tsy maintsy hitraotra ihany ny hianjadian’izany. Misy fetrany ny fandeferan’ny vahoaka, izay tena tompon’ny fahefana, ho an’ireo olona izay notolorany izany.