Miseho hatrany ireo sokajin’olona tsy mahatanty ny zavatra atao aminy

Sôh’son

Mihazakazaka miaro ny tenany ny olom-pirenena amin’izao fotoana izao, manoloana ny fihanaky ny valanaretina covid-19 andiany faharoa, izay mahery vaika, sy ny fihetsiky ny fitondrana amin’ny fandraisana fepetra. Mipoitra ihany koa mirazotra amin’izany, ny fitakiana avy amin’ny sokajin’olona maro samihafa, fa mahatsiaro ho adino miohatra amin’ny hafa. Manao tohivakana etsy ankilan’izay ny olan’ny mpanjifa rakotry ny daroky ny adim-piainana, noho ny sondrobidim-piainana nandritry ny fotoana ela. Zary mifamatotra izany rehetra izany, ka miteraka kihon-dalana iray lehibe eo amin’ny fiainam-pirenena.

Tsy tongatonga ho azy ny zava-misy

Ny taranaka ankehitriny no anisan’ny ory sy miharitra fahoriana indrindra, raha oharina amin’ny fiainan’ny Malagasy hatramin’izay niorenan”ny fanjakana Malagasy izay. Tsy misy tsy hita amin’ny fiainany andavanandro amin’izao ny olana isan-karazany, izay tsy nosainina velively ny hisiany taona maro tany aloha. Vao mainka koa niharihary izany ao anatin’izao krizy mafy ara-pahasalamana izao. Tsy tongatonga ho azy sy efa lahatra anefa izao manjo azy izao. Saika ny maro no miara-miaiky fa natao mihitsy ny hahatonga azy ho amin’izao toeran’ny firenena izao. Ny fositra iray lehibe dia ny nataon’ny avy any ivelany. Tsy misaraka ihany koa anefa io, amin’ny faneken’ny avy ato anatiny na vahiny na indrindra teratany Malagasy, ny hanaiky ho fitaovana noho ny fahitany tombontsoa ao anatin’izany. Ireto farany no manao izay hahamontsana ny maha izy azy ny firenena amin’ny lafiny samihafa. Mazava loatra fa ireo olona ireo dia tsara toerana eo anivon’ny firenena, na any amin’ny fitondrana na misandrahaka amin’ireo sampan-draharaha sy toerana stratejika iankinan’ny aim-pirenena. Tsy manafaka an’i Madagasikara hahazo fahaleovantena mangarahara ireo sokajin’olona ireo, fa manampy trotraka amin’ny geja mahazo azy.

Voatery manaraka ny riaka mifehy

Zary mitady izay hahasoa ny tenany sy ahavelomany ny sarambabem-bahoaka amin’izao fotoana izao. Na izany eo amin’ny fihariana ary indrindra eo amin’ny fitadiavana fanafody anoherana ity fahavalo tsy hita maso tsy miahotra mikendry ny hanàla ny ain-dehibe ity. Noho ny fahitana sy fahenoina ny zava-mitranga isan’andro, no manery azy hiroso amin’izany, fa tsy ny fepetra apetraky ny fitondrana loatra. Porofon’izany ny tsy fiarahana mitovy hevitra amin’izay ho fanapahan-kevitry ny fitondrana kanefa tsy maintsy manaiky aloha. Ireo mpitondra koa etsy ankilany, mihevitra izay hitsiny izay hita ho tsy mirazotra velively amin’ny fiheveram-bahoaka. Na mihevi-tena ho mahay aza izao fitondrana izao, heviny irery izay, dia milefitra anoloan’ny fikorianana misy. Iray amin’izany ny “baiko” apetraky ny firenen-dehibe, ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, ary ireo rafitra iraisam-pirenena izay “iankohofan’ny” fitondrana ankehitriny, mba hahazoana famatsiam-bola. Nihambo ho hahavita-tena hiàla amin’ireo i Andry Rajoelina tany am-piandohana kanefa iaraha-mahita ny zava-misy amin’ny mba hahazoana vola amin’ireo tato ho ato. Raha fehezina, ny vahoaka tsy maintsy manaraka ny zotram-piainana tsy araka ny faniriany; ny fitondrana ziogain’ny tsindry maro samihafa, ka mahatonga azy hitondra ny firenena ho amin’izao lalana izao. Tsy nifanarahana tamin’ny vahoaka anefa izany.

Hitombo hatraiza ny tsy mahazaka

N’inona n’inona ambara, ny vahoaka no tompom-pahefana sy tompon’ity firenena ity. Ny ngidim-piainana atrehina andro aman’alina ho zakany hatramin’ny oviana? Efa miseho hatrany izao ireo sokajin’olona tsy mahazaka ny atao aminy. Anisan’ny iray misongadina amin’izany ny fitakian’ireo mpitsabo mpanampy “paramedy”, izay tsy mbola nivaly hatramin’izao fa narirarira. Mazava loatra, fa na anaovana vavabe sy fanaratsiana aza izy ireo, dia mbola hitaky ny zony tsy azony tamin’ny taon-dasa. Etsy ankilan’izany, mahavariana fa efa am-bolana maro izao no nitaky ny karamany ireo mpiasa amin’ny orinasa Kraoma, ny inspekteran’ny asa, ny eny anivon’ny Croua amin’ny anjerimanontolo, sns… fa toa manao antso an-tany efitra. Rehefa ho goavana ve ny fahavoazana, toy ny zava-misy iaraha-mahita ankehitriny vao hikoropaka. Tsy mahagaga aloha izay, fa mety hitranga satria izao fitondra Rajoelina izao, dia tsy miraika raha tsy efa omby loha ny rovitra, fa raha omby tondro tsy miraika sy tsy mivaky loha. Hampanahy ny ho avy.

Laharam-pahamehana samihafa

Zava-maro loha mifamatotra ireo, ary tsy mahita ny lalana hamahana azy ny fitondrana hatreto. Vahaolana vonjimaika lava no hitan’ny maro misy. Ny ataony ihany koa, dia ny fanarian-dia amin’ny asa hafa tsy mahamaika ny vahoaka. Tsotra sy mazava ny mahamaika ny vahoaka, ary izay no tokony hihazakazahan’ny fitondrana sy hifantohany amin’ny asa ataony raha ananany ny fahendrena amin’ny fahaiza-mitondra firenena, fa tsy ny azy miharo kajikajy amin’ny fiarovan-tseza sy tombontsoa manokana. Tsy hisy fanarenam-pirenena mazava sy fampandrosoana marina eto amin’ity firenena ity raha hifanipaka, na tsy ho mirazotra na hikambana mihitsy ny laharam-pahamehana eo amin’ny vahoka sy ny fitondrana. Hijanona hatrany ho farany amin’ny firenena maneran-tany, sy ho mena-mitaha amin’ny hafa isika raha ho toy izany no fiainana eto.