Ny Valosoa
Taorian’ny nanambaran’Ingahy Filoha Rajoelina, fa hanangana « fasan’ny firaisampo » ny fitondrana tarihiny dia nisokatra ho azy ny adihevitra mikasika ny dikan’ny hoe firaisampo.
Ara-bakiteny ny firaisampo dia fitambaran’ny teny roa dia ny firaisana sy ny fo, ka mazava arak’izany ny heviny, fa firaisan’ny fo amin’ny lohahevitra mazava sy voafaritra toy ny hoe: fitiavantanindrazana na fahatsiarovantena na fanajana lalàna, na koa fitandroana fahamarinana, sns… tsy izay mahasoa ny firenena ihany anefa no mety mampiray fo, fa ao koa ireo niray fo nanongampanjakana, nivarotra tanindrazana, nanosihosy ny demokrasia, nangala-bato, nanodinkodina harempirenena, sns… fa ny tsy azo iadian-kevitra dia ny velona manampofonaina ihany no afaka miray fo, fa ny maty mivarina amantany dia tsy afaka miray fo intsony, satria ny antsoina hoe olona maty dia mijanona tsy mitempo intsony ny fony, noho izany rediredy sy fandrebirebena vahoaka ary fiheverana ny olompirenena malagasy ho bado sy dondrona ny filazana, fa misy ny fasan’ny firaisampo, izay toa midika hoe miray fo avokoa ireo maty miara-milevina amin’ny toerana iray.
Voajanahary ny fitiavan-tanindrazana ho an’ny olompirenena tsara taiza, ary raha vao io resaka tanindrazana io no resahina dia tokony handeha ho azy ny firaisampo ho an’ny olompirenena vanona. Omaly izao niray fo ireo olompirenena mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra eto amin’ny fireneny, tamin’ny fiarahana nitsoka kiririoka, nampaneno anjomara, nikapoka sarombilany, sns…
Ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondrana nampitsahatra ireo fandaharana politika amin’ireo haino amanjery samihafa indray dia mibaribary fa firaisampo amin’ny fanosihosena ny demokrasia sy fanomezana rariny ny mpambotry firenena, fihetsika tsy sahaza ny taonarivo fahatelo izany, ka tokony halevina impito mandifotr’olona.
Ny fasana dia natao andevenana ny maty, ka ireo fihetsika tsy mendrika manome vahana ny tsy fitiavan-tanindrazana dia tokony vonoina ho faty ary halevina any amin’ny « fasan’ny firaisampon »’ireo tsy matahotody.