Fandaharana manokana FB sy youtube – Mamoafady tsy fampiseho masoandro ny ataon’ny fitondrana

Isambilo

Na dia naato aza ny fandaharana Miara-manonja tamin’ny Radio sy ny Televiziona MBS, ny Radio Mada, ny AZ Radio ary ny Soa Radio, nisy omaly ny fandaharana manokana tamin’ny youtube, sy ny facebook: FB an’ireo haino aman-jery ireo. Nanentana izany fandaharana manokana izany ny depiote 3 mianadahy Me Hanitra Razafimanantsoa, Mamy Rabenirina ary Fidèle Razara Pierre. Vahiny kosa ny Filohan’ny RMDM, Marc Ravalomanana.

Nambaran’i Dada nandritra izany, fa endriky ny jadona, fanaovana didy jadona ankitsirano iny fanapahan-kevitra ny faran’ny herinandro teo iny. Fanapotehana tanteraka ny demokrasia izay mitsiry eto amintsika. Mandeha any amin’ny lalan’ny fitondrana jadona na ‘dictature’ ny eto: atao izay handemena ny sain’ny olona na ‘manipulation’. Avy eo ampitahorina sy gadraina na ‘intimidation’. Ataon’ny mpitondra avy eo ny fizahozahoana ampisehoana fa mamaha ny olana na ‘culte de personalité. Iza no hino fa ny sabotsy sy ny alahady ihany ny ‘virus’ vao mandalo? Izay ilay ‘manipulation’, hoy ny filoha Ravalomanana. Dia tsy avela hivoaka ny olona ary raha mivoaka dia ampitahorina. Kanefa tsy maintsy hivoaka satria tsy misy ny tosika na ‘mesures d’accompagnement’. Ampiasaina daholo ny herim-pamoretana rehetra. Ministry ny polisy no mitabataba hoe tsy mahazo mivoaka. Mpivarotra saribao, mpivarotra anana, dia raofina sy gadraina any amin’ny polisy. Etsy ankilany ny tsenam-pokontany sy ny épicerie misokatra.

Momba ny MBS: miandry ny valintenin’ny ‘Conseil d’Etat’. Ny fanapahana ny MBS TV amin’ny alalan’ny ‘ordonnance’ ao amin’ny Startimes, Parabole sy Canal+ dia tsy rariny hoy i Dada. Misy fitondrana mitongilana ao, tokony mba hihaino ny MBS sy ny feon’ny mpanohitra koa ny any. Misy ny any amin’ny faritra natao tsy afaka hihaino vaovao fa dia ny eto ihany no mahalala azy. Manaraka izany dia ity ‘décision ministérielle’ vao navoaka ity dia farany izay diso, tsy fampiseho masoandro, mahamenatra, entina hanampenam-bava ny mpanao politika, ny mpanao gazety, ny olon-tsotra ary hahatonga ny vahoaka ho bado, tsy hahalala ny marina. Fa tsy hilefitra manana ny rariny intsony ny mpanohitra. Zo fototra hananan’ny Malagasy ny haneho hevitra malalaka, ary ao anaty ny Lalampanorenana izany. “Tsy ekena io ary tsy hanaiky hatramin’ny farany ny mpanohitra hoy ihany izy. Hijoro aho.” Efa napetraka ny fitoriana any amin’ny ‘Conseil d’Etat’ hampiato ny ‘décision ministérielle’ mandra-pivoakan’ny vokatry ny fitsaràna. Ho hitantsika eo izay holazain’ny ‘Conseil d’Etat’, izay mitsara ny ady eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina na ‘secteur privé’.

“Fa inona loatra àry? Fa mihinana inona loatra àry ianareo ao? Fa maheno zavatra avy aiza àry ianareo? Tahotra ve sa fahasahiana hanao zavatra no dia miditra amin’izao zavatra tsy mety izao”. Raha tsy mahafapo ny valintenin’ny ‘Conseil d’Etat’ dia hitsangana ny mpanohitra hilaza fa tsy azo atao ny manitsaka ankitsirano ny demokrasia eto Madagasikara. Tsy amin’ny hamehana ara-pahasalamana dia ho potehina ny demokrasia. Ny mifanohitra amin’izany no izy. Tokony havela hiteny daholo ny rehetra. “Nanaiky ho filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara aho, tsy hanaiky lembenana ary hijoro hatramin’ny farany aho. Ary rehefa mijoro aho dia mampahafantatra”. Tsy avela hiteny ny avy aty amin’ny mpanohitra. Fanitsakitsahana ny Lalampanorenana ary fanaovana didy jadona izany. “Tsy sangy mihoatra ny fefy na mihoatra ny loha intsony ity, fa mihoatra ny aina.”

Hafatra nataony: tsy ho voatampina mihitsy ny vavan’ny mpanohitra. Aza kivy! Manana an’Andriamanitra isika hanoro hevitra sy lalana antsika! Manana ny fahaizantsika isika, matoky aho. Manana ny olona mpiara-miombonantoka amintsika isika. Tsy hahavitan-javatra ny hakiviana fa raha mbola misy koa ny farany dia tsy very ny fanantenana. Ary matoa isika nomen’Andriamanitra tombon’andro dia natao hiteny, hilaza ny zavamisy marina, hanampy ny namantsika. Efa nilaza aho fa ny andro sisa iainako, hanompoko, hanampiako, hamonjeko ny vahoaka malagasy. “The time is now”, tonga ny fotoana hahafahantsika mijoro, iadivana amin’ny fanaovana didy jadona. Tohizo ihany ny Miara-manonja hoy ihany ny Filoha Ravalomanana.

Marihina momba ny fampiatoana ireo fandaharana politika, nametraka fitoriana ao amin’ny Filankevi-panjakana ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), ny fiarahamonim-pirenena, ireo haino aman-jery sasany voakasik’ilay fampiatoana fandaharana omaly.