Ny Valosoa
Mampiomehy be araka ny fitenin’ny tanora ankehitriny, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny birao maharitra ao amin’ny Antenimierampirenena, mikasika ny fivoriana ara-potoana voalohan’ity fahefana mpanao lalàna ity, izay hiova amin’ny endriny « visioconférence» indray, tokony hanomboka ny talata 5 mey ho avy izao.
Sambany teo amin’ny tantaran’ny fivoriana ara-potoana no nisy toy izao, 151 no isan’ny depiote eto amintsika, ary ny “ CCI ” eny Ivato dia ampy tsara handraisana ny fivoriana ifanatrehana, tsy lany aza na dia ifanelanelana hatramin’ny 3 na 5 metatra ireo depiote, ny fanazavana avy amin-dRamatoa Filoha Razanamahasoa Christine dia satria hono efa nisy depiote namoy ny ainy, ka tsy maintsy mailo hono ry zareo.
Ny fanontaniana ilana valiny dia ny hoe: vokatry ny fivoriana notanterahina teny Ivato ve no nahafaty ireo depiote lavo? sa aretina azo tety ivelany. Marihina fa tena voahaja tanteraka ny elanelana tao amin’ny “CCI” ary nampiasaina avokoa ny fepetra rehetra nisorohana ny aretina toy ny ” gel disinfectant, rano sy savony, Cvo, thérmomètre, sns…”, nisy hatrany ny mpitsabo nanaramaso ny fahasalaman’ireo depiote ary hentitra ny fepetra noraisina, ho an’ireo olon-kafa niditra tao amin’io toerana nivoriana io.
Ny tiana hambara dia resaka tsy mitombina ny filazana fa ny fivoriana ifanatrehana no mampahazo vahana ny aretina, fa ny tena marina matahotra mafy ny ivoahan’ny marina ireo mpitondra, ary tsapan’ireo minisitra ihany koa fa tsy moramora ny hifanehatra amin’ireo solombavambahoaka indrindra, fa ny avy amin’ny antoko “Tiako i Madagasikara” dia miala ilany amin’ny “visioconférence”.
Ramatoa Filohan’ny Antenimierampirenena moa dia nanambara fa efa samy nomena “ tablette” avy hono ireo depiote 151, ary nohamafisin-dRamatoa Filoha ihany koa fa mandeha araka ny tokony ho izy ny tambim-pivoriana, na “ indemnité de session”, izay marihina fa tamin’ny fotoana nitondran’ny Filoha Ravalomanana ihany no nisy ny fanapahana ny tambikaraman’izay tsy tonga mivory, fa ny taty aoriana dia “mamboly voky tsy mamboly voky” ireo depiote, ka amin’izao fivoriana tsy hifanatrehana izao vao mainka hitombo ny mpanao tsidi-pahitra ny fivoriana. Mety hisy izany ireo depiote “connecté ” ny “tablette’-ny “, fa tsy mihaino na manaraka izay fizotran’ny fivoriana, ary ny tena azo antoka dia maro ireo hilaza fa tsy nahazo ”reseaux ”, ka tsy nanatrika ny fivoriana, tsy dia atao mahataitra ny toy izany satria, fony tsy mbola nisy anie ny koronaviriosy no efa betsaka ireo depiote mingitrika tsy tonga nivory teny Tsimbazaza, mainka f’izao misy ny anilihana.
Amin’ny fotoana hanaovana ny tsanga-tanana handaniana ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny teti-bola dia handeha tsara ny “connection” manerana an’i Madagasikara, satria tsy maintsy hahazo toromarika ireo depiote miaradia amin’ny fitondrana, hananga-tanana na hatramin’ireo tsy nanopy maso akory izay voasoratra tao amin’ilay lalàna mifehy ny fanitsiana ny tetibola aza.
Ireo minisitra izay nanao ny tsy mety moa dia mipi-kelika, fa mba avotra kely satria tsy hifanatrika amin’ireo solombavambahoaka sahy mijoro.
Zava-dehibe iankinan’ny aimpirenena ny fivoriana ara-potoanan’ireo fahefana mpanao lalàna, satria ny tetibola hitondrana ny firenena no hiadiankevitra, ka raha misy ny finiavana ny hahalavorary ny fiainambahoaka dia tokony hitady izay fomba hampisy ny fivoriana hifanatrehana ny mpitondra, ny vaksiny rahateo nolazaina fa ho tonga afaka 15 andro, izany hoe andro azo isaina amin’ny rantsan-tanana ilany sisa dia hisy ny fanaovam-baksiny, ka tokony homena tombony miaraka amin’ny mpiasan’ny fahasalamana ireo parlemantera hisitraka ny vaksiny, dia foanana ny fivoriana amin’ny endriny “visioconférence”, saingy efa mazava fa ny tian’ny mpitondra hahatongavana dia ny fampanjakana ny “kabary tsy valiana” eto amin’ny firenena, ka ny ao amin’ny Antenimierampirenena no kendaina, satria mbola misy ny depiote mpanohitra, fa ny etsy Anosikely dia efa tsy misy atahorana intsony ry 18, fa dia azo antoka ny fankatoavana izay haroso ao Anosikely.