Miharihary isan’andro ny fanabotriana ny Malagasy maro an’isa, asetrin’ireo karana mpanefoefo toa an-dry Hassanein Hiridjee, Abdoul Rassoul, Ylias Akbaraly, raha tsy hilaza an’ireo fotsiny. Maromaro no azo vakiana ao anaty ny tranonkala (rohy mcmparis). Nanampy ny raharaha fakàna tanin’olona ao Antanandrano ataon’i Hassanein Hiridjee amin’ny alalan’ny orinasa Telma, ny zavatra sendra niainan’ny solombavambahoa Fidèle Razara Pierre tao amin’ny Caromad ka dia namoaka ny hatezerany izy.
“Fa maninona ianareo no manjakazaka eto Madagasikara hoatrizany. Nanana tany firin-jehy teto izany razamben’izany Hassanein izany? Tena namboly, nanamaintimolaly tany teto Madagasikara ve ny razambenareono androany. Vao misy olana tany dia Hassanein izany, atsy Hassanein izany, ary Hassanein izany. Ireo karana mampiteny ny anarany ireo, alaivo ny firazanan’ireo fa mifampiditra daholo, mpianakavy aby izy rehetra ireo. Rehefa maheno anarana karana maneno eto Madagasikara dia ireo fianakaviana ireo ihany. Fa dia nandova inona eto Madagasikara mihitsy ireo?
Manjakazaka mihitsy izy ireo eto Antananarivo. Mampiteny ny moana ny resaka tany ary ireo foana. Midina ny herimpamoretana satria lava tanana ry zareo. Ny fitsarana hoatrany any ampaosiny. Miditra hatrany anaty rafi-panjakana izay ampiteneniny fa izy no ao an-damosina. Ohatra Telma!… Tany 22a an’ny Stimad taloha no tadiavin’ny Telma hakàna tany 30ha izay ana mpandova. Satria taty aoriana rehefa natao ny ‘privatisation’ dia ny Telma no nahazo ny Stimad, ary ao andamosin’ny Telma dia Hassanein Hiridjee, mpiketrika resaka tany, ary tonga dia atao fananan’ny Telma ny 30ha. ‘Projet d’Intérêt sur la Loi’ (PIL) telo farafahakeliny no nandeha tamin’io tany io, izay efa nahitàna ministra maro nifanesy. Ny antony dia noho io Hassanein lava tanana io.
Raha tsy isika no mitsangana miaro ny Malagasy hoatrantsika dia ataon’olona tantely afa-drakotra ny fananana. Ahoana ny hiadivana ny ‘Iles Éparses’ any lavitra any raha ny tanin’ny Malagasy mpiray tanindrazana eto àry tsy voaaro. Ny mpanani-bohitra dia tsy avy any ivelany ihany, fa ato anatiny koa misy. Gasy manjanaka gasy, vazaha manjanaka gasy, karana manjanaka gasy. Fa raha tsy mitsangana isika mijoro manoloana izany, iza no hiaro ireo mpiray tanindrazana amintsika ireo. Lasa valala voatango fotsiny ireo. Tena marary ny fo. Izay no ilàna ny olomboafidy. Eto dia ankaherezina ny solombavambahoaka Naivo Raholdina. Marina fa samy manana ny antokony. Raha ny marina dia tokony tsy hifanampy mihitsy raha politika no atao. Fa ity tsy misy idiran’ny politika fa fitiavana tanindrazana. Mpiarabelona sy mpiaramiaina eto no resahina. Aoka ny tantely afa-drakotra.
Malemy ny fitondrana manoloana ireo karana ireo. Izany no tsy itiavany ny filoha Ravalomanana, satria tamin’izy teo amin’ny fitondrana dia napaopaokany daholo. Mazava ny fiaraha-miasa tamin’ny filoha ankehitriny tamin’izany fotoana izany satria lava tanana tany izy ireo fa ny filoha Ravalomanana tsy zakany.
Raha tena ananantsika ny hambompom-pirenena dia avotra i Madagasikara. Raha tsy mijoro isika dia ho taingenan’olona foana. Raha mbola mahavidy fanjakana ny olona dia marefo isika. Aoka izay. Jereo ny mpiray tanindrazana aminao. Rehefa misy gasy tafakatra dia aleo izy ho tafakatra. Dia mampiakara koa gasy iray hafa. Dia rehefa misy gasy marobe, matanjaka isika. Fa tsy olona tena tsy manana fo mitempo amin’ny rà maha-malagasy an’azy no hiteny amin’ny anaran’i Madagasikara sy manao ny maizina sy ny mazava eto amin’ity tanànantsika ity.”
Nangonin’i Lanzelo tao amin’ny fandaharana Miara-manonja 30 aprily 2021
Rohy:
‘https://youtu.be/1jPZM93cVj8
‘https://mcmparis.wordpress.com/2015/04/11/les-karana-indo-pakistanais-de-nationalite-francaise-a-madagascar/