AndryTsiavalona
Tsy mbola nisy mpitondra nampindramin’ny vahoaka fahefana tahaka izay misy ankehitriny, nandritra izay enimpolo taona namerenan’ny mpanjanaka ny lazaina, fa fahaleovantena izay. Sarotra tokoa ny mahita voambolana entina mamaritra ny toetra sy ny fomba fiasa ary ny fanasokajian’izao fitondrana izao ny vahoaka malagasy. Raha ny toetsaina no asian-teny dia hita fa tsy matotra amin’ny fanapahan-keviny izao fitondrana izao, ka tsy misy fandraisana andraikitra voasaina tsara (aucune décision rationnelle) mihitsy.
Eo amin’izao valanaretina miparitaka sy mahazo faka eto amin’ny Firenena izao dia tsy niaina ny zava-nisy nanerantany ny mpitondra, ka nanamaivana izany ny fihambahambana nandritra ny folo andro dia nitera-doza. Etsy ankilany ny fikilasiana ny valanaretina ho tsy loza natahorana tahaka ny pesta sy kolerà dia toetsaina olona tia manamaivana ny loza efa hita tany ivelany, fa mandripaka olona amana hetsiny. Ny fanapahankevitra nametraka ny hamehana ara-pahasalamana dia nifanipaka tamin’ny fanasokajiana ny covid-19, ho tsy mankaiza loatra. Fiheverana ny Malagasy ho zazakely tsy mahataka-davitra sy tsy afaka mandinika loatra ihany koa.
Araka izany dia mihevi-tena ho manam-pahaizana lavitra noho ny mpiray tanindrazana aminy ireto mpitondra ireto kanefa dia toetsaina baikon’ny fitiavan-tena sy fanambakana ny mpiara-belona amin’ny alàlan’ny fanaparam-pehefana sy fampiasana ireo rafitra mpamoritra sy mpanatanteraka baiko an-jambany sy tsy am-pisainana. Amin’izao onja faharoa (2ème vague) ny covid-19 izao dia tsapa indray fa mbola mampiseho toetsaina manambany ny vahoaka tsy mandady harona ny mpitondra, ka ny fivezivezena an-tanety mampifandray ny faritra sasany dia tsy azo atao saingy ny fitaterana an’habakabaka kosa dia malalaka tsara toy ny sidina avy any Frantsa farany na dia efa noraran’ny filankevitry ny minisitra aza izany.
Tsy mazava intsony araka izany iza no mampihàtra ny fanapahan-kevitra ary iza no afaka tsy manatanteraka izany? Raha ny fialana ilany nataon’ny tomponandraikitra voalohan’ny serasera ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika dia efa nahazo alàlana tamin’ny faran’ny volana martsa ny fidiran’iny sidina iny. Voaporofo tamin’ny fandaharana manokana ny alahady lasa teo, fa tsy misy fanajana izany ambaratongam-pahefana izany eo anivon’ny fitondrana mpanatanteraka, satria tsy nitovy hevitra ny filohan’ny Repoblika sy ny minisitry ny fahasalamana raha ny momba iny sidina iny. Toa tsy nahalala ny nolazain’ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ihany koa ny filohan’ny Repoblika. Ny antony “mafonja” namelana ny sidina niditra ve ny nahalalan’ny tomponandraikitra fa nisy nitondra ny tsimokaretina 34 anisan’ny mpandeha tao, ka hoporofoina indray fa manana ny fanafody fanefitra sy fitsaboana ny covid-19 ny gasy. Efa ho avy rahateo koa ny vaksiny, ka tena manaporofo indray izao fa tena maranin-tsaina amin’ny fampiasana ny asan’ny maizina (machiavélisme) sy ny famonoana ny mpiray tanindrazana.
Azo hitarafana ny tsy fahamatoran’izao fitondrana izao koa ny fomba fiasany na ny fanatanterahany asa na tetikasa nampanantenainy. Maro ireo nolazain’ny filohan’ny Repoblika ho tanterahina haingana dia haingana sy tao anatin’ny fotoana fohy, ka anisan’izany ny fananganana ozinina fanamboarana fiarakodia sy môtô nomena ny anarana “Gasy car”. Nanaovana komandy tany ivelany ihany koa lokomotiva (lohamaisina) roa hanarenana ny fitaterana an-dàlamby Fianarantsoa-Manakara ary raha ny fantatra dia tonga izy ireo kanefa dia tsy fantatra hatramin’izao izao raha efa miverina amin’ny laoniny izany fitaterana izany na tsia.
Raha ny fahafantarana izao fitondrana izao dia tia doka sy mpihebohebo, ka raha mandeha tsara ity fitaterana ity dia efa nisy doka an-tserasera goavana izany. Tsy sakana amin’ny fanatanterahana ny “téléphérique” velively ny valanaretina covid-19, porofon’izany ny fanaovana ny kianjan’ny Barea eo Mahamasina, izay mizotra tsy misy sakantsakana. Raha ireo fotsiny ihany no jerena dia tsapa fa ataon’ny fitondrana kilalao mihitsy ny ain’ny vahoaka Malagasy, satria fasana no ihazakazahany hatao, fa tsy ny fitadiavana vahaolana eo amin’ny sehatry ny toekarena, ny olana ara-tsosialy, ny fiakaran’ny vidim-piainana, sns,…
Mionona ny Malagasy raha mendrika azy izao toe-draharaha izao, fa tsy maintsy mandray andraikitra ny tsirairay raha mahatsiaro fa efa sangy mihoatry ny loha kosa no iainany.