Sôh’son
Isan’andro dia tsy maintsy ahenoina fiara mampaneno feo fanairana milaza fa mitondra maika olona marary ny arabe eto an-drenivohitra. Tsy iray tsy roa fa maromaro ary niha-nitombo ny isan’izy ireo, indrindra tao anatin’izao nampirongatra ny valanaretina covid-19 amin’ny endriny vaovao izao. Voarakitra sy mitoetra mora ao an-tsain’ny vahoaka ireny toe-javatra ireny, fa tsy mandalo ho azy akory. Any aoriana vao ho fantatra ny akon’izany, fa tsy hita eo no ho eo akory.
Tsy mitsahatra fa mbola mitohy hatrany ihany koa, ao anatin’izao fitondrana izao, ny olom-pirenena na mponina mitaraina noho ny manjo azy ireo eo amin’ny toeram-ponenany. Vahoaka Malagasy ireo, izay mitaraina ataona olom-bitsy: na io mpanefoefo na dia Malagasy ihany aza, na indrindra io teratany vahiny mpanambola toy ny karana sy sinoa. Ny re matetika dia ny fakàna ny tany onenan’izy ireo efa aman-taonany maro, eny efa hatrany amin’ny razambeny aza ny sasany. Ao anatin’izany dia misy fibodoana tanin’olona fotsiny izao ataona olom-bitsy. Ny manahirana ny saina, dia ny fahitana Malagasy manam-pahefana, toy ny vaditany, mpitandro filaminana, miray tsikombakomba amin’ireo olom-bitsy mibodo ny tany sy miseho tompony, ary manampy azy ireo manilika ireo mponina mpiray tanindrazana. Mitaraina sy miantsoantso vonjy ireo mponina tratry ny an-terin’ny mpanefoefo ireo kanefa toy ny antso an-tany efitra no re matetika.
Niseho ho hiaro ny vahoaka Malagasy amina tranga toy izany i Andry Rajoelina, tamin’izy nanao fampielezan-kevitra sy niakatra teo amin’ny fitondrana tany am-piandohana. Anisan’ny noresahiny tamin’izany, ohatra, ny raharahan-tany tany Ambatondrazaka. Noheverina tokoa ho izany no hitranga, ho voaaro ny vahoaka, ary hahazo rariny izay tratry ny antsojay na fibodoana tanin’olona ataona vahiny ao anatin’ny fitondrana Rajoelina. Tsy izay anefa no mitranga mandraka ankehitriny, fa mbola misy hatrany ny fijaliam-bahoaka, ary hita miharihary aza izany matetika. Anisan’izany, ohatra, ny raharahan-tany eny Ivandry, izay novakian’ny depiote Fidèle vao andro vitsy lasa izay. Tsy eto an-drenivohitra ihany io tranga fibodoan’ny vahiny tany io, izay ataon’ireto karana sy sinoa ireto, fa hatrany amin’ny faritra manerana ny Nosy mihitsy. Raha tsorina ny fahitana ny zava-misy, tsy miaro ny vahoaka Malagasy amin’ny tany onenany izany ny fitondrana.
Tsy nitadiavam-bahaolana ny fiarovana ny Malagasy amin’ny tany onenany eto. Antony iray lehibe anisan’ny tsy mampandry fahalemana ny Malagasy io tranga io. Mety rahampitso na rahafak’ampitso izy hiàla eo amin’io tany onenany io sy hanongotra ny tranony, fa hisy mpanambola mpanefoefo hibodo ny taniny. Tsy mbola nahitana teto hatramin’izay nitondran-dRajoelina sy ny governemanta Ntsay Christian, ka indro izy ireo niteny sy nanambara fa manohana ny vahoaka na ireo mponina tratry izany olana izany. Mbola voafitaka indray ilay vahoaka Malagasy, tsy araka ny fampanantenana nomena azy.