(Fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy)
Tsy afaka ny hangina sy hijery fotsiny aho manoloana ny krizy ara-pahasalamana vokatry ny valanaretina Covid-19, ny krizy ara-tsosialy vokatry ny tsy fananana asa sy fidirambola ary ny krizy ara-ekonomika vokatry ny fitondrana ny vola Malagasy sy ny fisondrotry ny vidin’entana eny amin’ny tsena rehetra eny.
Mijaly, tena mijaly ny vahoaka Malagasy, indrindra fa ireo madinika, toy ny hoe ny kely tsy mba mamindro. Koa dia manao antso aho ho an’ny daholo be, satria vokatr’ireo krizy ireo dia latsaka ao anaty antsana mangitsokitsoka ny firenena Malagasy.
Manoloana ireo antso izay ho ataoko aminareo ireo dia, ireo vahoaka marobe izay mitaraina isanandro, miantsoantso, miangavy mba hisy hijery izy fa miletika tanteraka ny fiainany. Tsy manana izay antenaina intsony izy ireo fa very fanahy mbola velona. Tsapako, hitako ary henoko ny fitarainan’ireo vahoka mpivarotra, ireo mpitatitra tamin’ny fidinana ifotony tamin’ny alarobia lasa teo. Tena ontsa, malahelo tokoa aho, ary tsy vitan’ny sentosento fotsiny izy ity fa manoloana izany dia ao koa ireo sakantsakana, ireo ramatahora mbola mihatra amin’izy ireo. Ka raha sendra mandalo izahay dia efa mikoropaka izy ireo mangorona ireo entana kely izay ananany ary misy dia maka ankitsirano ny fananan’ireo mahantra ireo. Ao ny mpanararaotra, ao koa ny mampiasa ny fahefana eo am-pelantanany. O rey olona, mba jereo fa olombelona mitafy nofo sy ra ihany izy ireo.
Tsapako fa milentika tanteraka any amin’ny lavaka mangitsokitsoka ny fahitana misy eto amin’ny firenentsika. Mandeha any amin’ny lalana izay tsy tokony izorana ny mpitondra ny firenena. Mahantra tanteraka ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy. Efa mahatratra 72% mahery ireo tena sahirana tanteraka, tsy mahita atao fa mipitrapitra fotsiny. Manampy trotraka an’izany ny fahasahiranana sy ny tsy fahafahana manampy amin’ny tsy fahasalamana, ny fangalana an-keriny ny fananana kely ananany rehefa sendra mivarotra izy. Sempotra sy tsy manan-kaleha intsony izy ireo ka noho izany tsy hangina amin’izao isika. Tsy hangina isika satria olombelona ary Malagasy mitovy amintsika ihany izy ireo.
(Antso ho an’ny mpitandro filaminana)
Mitodika manokana aminareo mpitandro ny filaminana aho. Ianareo no tandroka aron’ny vozona. Adidinareo ny miaro ny vahoaka sy ny fananany, ary tena filamatra aminareo ny hoe “ho an’ny Tanindrazana”.
Iaraha-mahita fa tena mahantra ny vahoaka ary sahirana ny firenena, satria tsy mizotra araka izay tokony ho izy ny fitantanana ny firenena malagasy. Aoka àry ianareo tsy hanaiky atao fitaovana famoretana sy fitaovana politika. Fantatro fa misy aminareo tena tsy mazoto manao an’ilay izy. Fa na izany àry, mijoroa amin’ny tena fitiavan-tanindrazana marina ianareo, ary henoy ny feon’ny fieritreretanareo sy ireo voady nataonareo.
(Antso ho an’ny mpandraharaha)
Ho anareo mpandraharaha, tsy ho tafavoaka na oviana na oviana ary aza manofy ianareo, amin’izany krizy ara-toekarena izany raha toa ka tsy mijoro mandray andraikitra isika, ary indrindra indrindra, raha toa ka tsy mifanampy isika. Ny mpandraharaha no mampiodina ny toekarena malagasy sy mamorona asa ho an’ireny mpiara-belona amintsika ireny. Aza manofinofy hoy aho aminareo ka afaka hiary, raha tsy misy ny “stabilité politique” sy ny fandriampahalemana. Koa mivondrona ary mijoroa hanavotra ity Tanindrazana malalantsika ity.
(Antso ho an’ny mpiasam-panjakana)
Ho anareo mpiasam-panjakana, ianareo tsara sitrapo, fantatro ary hitako fa sahy ianareo mandefa ireny vaovao am-pelantananareo ireny, izay vaovao afenin’ny sasany. Noho izany tohizo ny fahasahianareo. Satria arakaraky ny fahenoan’ireo mpitondra an’izany no hahafahany manitsy ny tenany. Aiza ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy amin’izao zavamisy izao? Aza mangina fotsiny manoloana ny tsy rariny fa mijoroa mandrakariva mba hanarina ity firenena malalantsika ity.
(Antso ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana)
Mitodika koa aho amin’ny mpiasan’ny fahasalamana, indrindra ianareo dokotera, paramedy. Mankasitraka sy mankahery anareo aho noho ianareo lohalaharana amin’ny ady atao amin’ity valanaretina Covid-19 ity. Miondrika am-panajana eo anatrehan’ireo matin’ny aretina, ary tsy ela koa fa vao omaly. Mirary fampiononana ho an’ireo fianakaviana. Ary ho an’ireo izay marary, maniry fahasitranana haingana.
Tsy afaka hiroso amin’ny fanarenana ny ara-toe-karena isika hoy aho aminareo raha tsy voafehy tanteraka ity valanaretina Covid-19 ity. Noho izany mila fiarovana sy fanampiana manokana ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny Nosy. Manao antso avo amin’izy ireo aho mba tena hanao araka izay azony atao satria tena ripaka ny vahoaka Malagasy. Ary ny antontanisa izay omena dia tsy mifanandrify velively amin’ny zavamisy. Tokony ho jerena akaiky ny fanampiana ara-tsakafo izay olona marefo, tsy manan-kanin-kohanina, nefa mbola misy ihany ity hamehana ara-pahasalamana sadasada ity, sabotsy sy alahady ihany no misy azy.
(Lalampanorenana sy ny fanoherana)
Eto am-pamaranana dia mbola manamafy aho fa ny zava-dehibe dia ny fanajana ny Lalampanorenana, ny lalàna velona ary ny zon’olombelona, izay miaro ny zo fototra, anisan’izany ny fahafahana maneho hevitra an-kalalahana. Koa tsy ekena ny fanaovana ramatahora ny Malagasy izay tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. Aoka mba tsy atao fitaovana politika ny mpitandro filaminana sy ny fitsaràna.
Omeo sehatra ihany koa izahay ato amin’ny antoko mpanohitra, fa zonay izany. Ary samy malala isika, ireny zavatra nitranga tany Alzeria ireny, fa nanohana sy nanampy ireo mpanohitra izay nanao fihetsiketsehana am-pilaminana ny Firenena Mikambana. Fantatray ireny. Hitanay ireny. Noho izany aleo mba omenareo anay izay toerana hahafahanay mivory, hahafahanay miresaka, hahafahany mandeha. Fa rehefa tsy omenareo izahay dia lasa mankany an-tsena, satria ny toerana izay natokana ho an’ny demokrasia, lazainareo fa amboarina. Tsy misy ilàna an’izany “jardin botanique” izany amin’izao fotoana izao aloha. Fa ny mahamaika dia fampahafantarana ny olona hoe inona no tokony atao, inona no tokony ho lazaina, ary iza no afaka mamonjy an’iza.
Koa dia mamerina antso avo ihany izahay fa raha ianareo no hanenjika anay lalandava eo, na 48h na 78h na firy na firy,… vonona koa izahay fa miandry eny amin’ny tokontaninay eny ihany ianareo.
Tsy hitsahatra, tsy hangina raha tsy vitantsika ny manarina sy mamerina ny fiainan’ny vahoaka malagasy rehetra, satria tena mijaly loatra izy ireo. Ary aza izany fampitahorana izany no atao mahakivy.
(Antso ho an’ny rehetra)
Koa miantso ny daholo be aho, miantso ireo mpandraharaha aho, miantso ireo firenena ivelany aho. Tsy hipetraka mihitsy izany fifampitokisana izany raha tsy miainga avy aty amintsika aloha, dia samy manaiky daholo ny rehetra fa hoe ny fahalalahana miteny, maneho hevitra, milaza ny tsy mety. Efa manao izay ezaka vitany milaza ny marina ireo haino aman-jery, toy ny Miara-Manonja, ny Sahia sy ireo fandaharana hafa. Koa hoy aho hoe omeo sehatra ny mpanohitra fa na aiza na aiza firenena dia misy foana ny mpanohitra. Ary ny mpanohitra, arakaraka ny hanerenareo anay hanao zavatra tsy tokony ataonay, vao maika loza.
Ka dia milaza aho eto ry vahoaka Malagasy, miantso aho, ary tena miantso aho amin’ny foko mihitsy, fa tena tsy sahaza ny vahoaka Malagasy ny zavatra iainany amin’izao fotoana izao.
Ary amin’izao zoma mialoha ny fety kristianina, filatsahan’ny Fanahy Masina izao, dia miantso ny Fanahy Masina aho hirotsaka amintsika tsirairay avy, ho anareo mpitondra, ho anareo vahoaka, ho anay mpanohitra, mba samy handeha amin’ny lalana tokony ho izy, ary samy hitsara tena isika, samy handinika.
Eto am-pamaranana dia mankasitraka anareo izay manana fitiavana sy miezaka mifanampy amin’ireo madinika ireo. Efa mihoatra ny androatokon’ny vahoaka eto Madagasikara no mahantra, fahadiranovana, tsy manana atokona, raha sendra manontany an’izy ireo dia tsy mihinankanina, indray mande isanandro ihany raha misy àry hoy izy. Ka dia mbola averiko indray amin’izao antso ataonay izao, tsisy fitenenana intsony eto, tsisy fahatahorana intsony eto, tsisy fifanajana intsony eto rehefa ianareo mpitondra no tsy miseho ho modely.
Misaotra an’Andriamanitra fa omeny fahasalamana afaka hijoro, afaka hiantso, afaka hilaza, ary mamporisika anareo izay manaraka ao aorianako. Fantatro ny fitiavanareo ny tanindrazantsika. Fantatro ny fitiavanareo ny fiankaviantsika. Fantatro ny fitiavanareo ny Malagasy mpiray tanindrazana amintsika ary fantatro dia fantatro ny hetahetanareo rehetra fa tsy te-hiaina fiainana toa izao. Koa dia manainga anareo aho, miantso anareo aho, aoka avondrona ny herintsika. Aoka isika hiaraka hitsangana ary hitarika hatramin’ny farany mihitsy aho.