Mbola azo lazaina ho mibanaka ny fari-dranomasin’i Madagasikara

Sôh’son

Mitotaly 361 tapitrisa kilometatra toradroa ny velaran’ny ranomasimbe maneran-tany, izay manana hadiry 1 370 × 10 6 kilometatra kioba. Ny 70,8 % ny bolan-tany no rakotry ny ranomasina. Ankoatra ireo ranomasina am-polony marobe dia miisa dimy ireo oseana lehibe eto amin’izao tontolo izao : Pasifika, Atlantika, Arktika, Oseania, ary ny Oseana indiana. Ity farany ity no misy ny tanintsika – Madagasikara – ary mahalala izany tsara ireo zaza Malagasy mahadingana ny fitsapam-pahaizana Cepe.

Tandindonin-doza ireo ranomasimbe maneran-tany ankehitriny. Mahatratra 8 tapitrisa taonina eo isan’andro ireo fako mirotsaka ao aminy, araka ny fantatra. Ny 80%-n’ireo loto miraraka dia avy ety an-tany avokoa. Anisan’ny iray lehibe iankinan’ny fahaveloman’ny olombelona anefa ny ranomasina sy ny harena ao aminy, raha tsy hilaza afa-tsy ny hazandranomasina, harena lehibe tokoa ny ao anatiny, izy dia anisan’ny ao anatin’ilay antsoina hoe toekarena manga, na économie bleue.

Isika eto Madagasikara dia manana tombony lehibe amin’ny ranomasina, satria mahatratra 5000 km ny faritry ny ranomasina manodidina antsika. Manana harena an-dranomasina marobe tokoa i Madagasikara, na amin’ny hazandranomasina, na amin’ny harena ambany ranomasina. Ny olana anefa, dia ny tsy fahafehezana ny morontsiraka sy ny fari-dranomasina izay an’i Madagasikara. Eo, ohatra, ny fandrobana ireo hazandranomasina ataon’ireo sambo vahiny toy ny sinoa. Nisy ireo nomena fahazoan-dalana, fa misy ihany koa ireo manararaotra fotsiny izao ny tsy fananana fitaovana fanaraha-maso ny morontsiraka, toy ny sambo haingam-pandeha sy ary fitaovana. Anisan’ny manahirana ny fitondrana ankehitriny, ohatra, ny fifamoivoizana an-dranomasina, mampifandray an’i Madagasikara (Mahajanga) sy ny nosy Kaomôro ary ny Nosy Mayotte ihany koa. Dia ireny nambara ireny vao tsy ela ny nahatafiditra ny botry nitondra ireo olona efa voan’ny valanaretina covid-19 avy atsy Afrika Atsimo. Tranga maro no isehoan’io fidirana antsokosoko avy an-dranomasina io miditra eto Madagasikara. Tsy mbola misy politika mazava mahomby sy efa ampiharina momba izany hatreto.

Antoka iray lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fananantsika ranomasina amin’ny maha Nosy antsika. Tsy hain’ny fitondrana loatra anefa ny mifehy azy, sy ny fitrandrahana azy hampiroboroboana ny toekarena. Misy ny asa atao amin’izany ankehitriny, saingy mbola lavitra ny tanjona, ary mbola makadiry lavitra amin’ny asa vita ny asa miandry. Indraindray dia very fotoana sy harena amin’ny resaka kolikoly ataon’ny tomponandraikitra ny fandraharahana amin’io fitrandrahana ny ranomasina io. Misy ihany koa, araka ny resaka mandeha, ny fikasana hanao fangoronan-karena ho an’ny tenany manokana amin’ny ampahana amin’ny fari-dranomasina eto amintsika, izay iraisany tsikombakomba amin’ny vahiny. Toe-javatra mila fanaraha-maso sy fifehezana amin’ny fomba ara-dalàna avokoa izany rehetra izany, raha tiana marina ny hanarina sy hanandratra ity firenena ity.